Nitsidika Ny Toeram-Pampijalian'Ny Nosy Dawson Ny Tafika An-Dranomasina Shiliana Sy Ireo Mpiaro Ny Zon'olombelona

Nivoaka voalohany tao amin'ny El Magallanews [es] ity lahatsoratra ity tamin'ny 8 Oktobra 2013. Gazetin'olon-tsotra an-tserasera ao an-toerana ny  El Magallanews ary anisan'ny mpiara-miasa aminay Mi Voz.

Bienvenida a agrupaciones de derechos humanos en Isla Dawson

Fiarahabana ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny nosy Dawson

Miorina ao amin'ny tendrontany atsimon'i Shily ao amin'ny helodranon'i Magellan ny nosy Dawson, 100 km ambanin'ny Punta Arenas. Miparitaka amin'ny velarantany 129.000 hekitara, toerana natao fonja tambabe ankalamanjana izay nanagadrana ireo vahoaka Ona nanomboka tamin'ny taonjato faha-19 hatramin'ny tapan'ny taonjato faha-20. Dimampolo taona taty aoriana, nanjary toerana fampijaliana ho an'ireo gadra politika indray izany.

Io no nosy – iray amin'ireo toerana manan-tantara indrindra tamin'ny famoretana nataon'ny didy jadona ara-miaramila nataon'i  Augusto Pinochet - ka gadra politika teo amin'ny 400 teo no nampijaliana, 40 taona taty aoriana, manomboka afa-manasitrana ny ratrany ny fianakavian'izy ireo noho ny fisantaran'andraikitry ny Tafika an-dranomasina Shiliana.

Tontosa izany raha tonga nitsidika ny fonja ireo mpikambana maherin'ny efapolo avy amin'ireo Vondrona Mpiaro ny  Zon'Olombelona [es] sy ny fianakavian'[ny gadra politika] tamin'ny 7 Oktobra nandritra ny lanonam-pahatsiarovana manamarika ny faha-40 taonan'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila tao Shily tamin'ny taona 1973.

Vokatry ny fitakiana nataon'ny Fikambanana “Unión Comunal de Derechos Humanos” notarihin'i Francisco Alarcón ny fisantaran'andraikitra, nanatona ny komandàn'ny Sambo Faritra faha-III, ny amiraly Kurt Hartung Sabugo ny fikambanana, ary nangataka mba hitondra ny vondrona hitsidika ny nosy, izay mbola nampiasaina ho fonja tambabe ankalamanjana nanomboka ny taona 1973 ka hatramin'ny 1974.

Sary avy ao amin'ny fonja tambabe ankalamanjana ao amin'ny nosy:

Ireo hetsika tao amin'ny nosy

Nanomboka tamin'ny 7 ora sasany maraina ny fitsidihana, raha nitsofoka tao anatin'ny sambo mpanao fisafoana Piloto Dibbald ireo vahiny, niantrana tao amin'ny toeram-piantsonana 2 tao Puerto Harris tamin'ny 11 sy sasany antoandro. Nitsidika ny vako-pirenena voatahiry tao amin'ny nosy avy eo izy ireo, anisan'izany ny fivoahan-tsetroky ny orinasa  fanatsofan-kazon'ny Gente Grande, ny lasapelin'ny misionera Saleziana San Rafael, ary nifarana tao amin'ny toby famonjana ao Rio Chico.

Nanipika ny manampahefana ambony misahana ny sambo ao amin'ny Helodranon'i Magellan fa efa “in-telo nitondra vondrona mpiaro ny zon'olombelona nitsidika ny nosy Dawson ny sambo, fihetsika izay nanome fankasitrahana antsika noho ny fahafahantsika namaly ny filàn'ireo olom-pirenentsika”.

Mampiantrano olona eo amin'ny telonjato eo ny nosy Dawson androany, indrindra ireo mpiasa an-tsambo sy ny fianakaviany. Manome fanazarana sy fanohanana ara-pitaovana ho an'ireo sambo ao amin'ny faritra an-dranomasina fahatelo ny tobin-tafika andranomasina ao amin'ny nosy.

Gadra politika sy ny haisoratra

Tsara ny manamarika fa noforonon'i Walter Rauff, polisy manamboninahitra SS teo aloha sady gadra meloka an'ady nandositra tany Shily ny fonja tambabe ankalamanjana ao amin'ny nosy Dawson. Napetraka teo ambanin'ny fahefan'ny foiben'ny tafika ao Punta Arenas ny fonja. Ny tafika an-dranomasina Shiliana sy ny tafika an-tanety Shiliana no mifandimby manome mpiambina ny fonja.

Gadra politika 99 no nonina teto, ny ankamaroan'izy ireo dia olona manodidina ny filoha Salvador Allende avokoa. Anisan'izany i Sergio Vuskovic, Luis Corvalán, Anselmo Sule, Osvaldo Puccio, Arturo Jirón, Clodomiro Almeyda, Julio Palestro Rojas, Fernando Flores Labra, José Tohá ary i Sergio Bitar.

Tsy ho faty mandrakizay ny tantaran'ity fonja tambabe Shiliana ity tamin'ny alalan'ny fitantarana ny tantaram-piainany nivoaka tamin'ny taona 1987 nitondra ny lohateny hoe Dawson, Isla 10. Novelomina tao anaty horonan-tsarimihetsika mitondra ny lohateny mitovy aminy ny boky tamin'ny 2009 izay notontosain'i Miguel Littin.

Sombiny tamin'ny horonan-tsarimihetsika “Dawson, Isla 10″

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.