Antso Hiresahana Indray Ny Lalam-Pifindramonina Ao Etazonia

Cientos de familias hispanas salieron a las calles por un llamado a una reforma migratoria integral. Foto cortesía de Alliance for Citizenship.

Fianakaviana Hispanika anjatony no nidina an-dalambe mitaky ny fanitsiana ny lalam-pifindramonina malalaka kokoa. Sary avy amin'ny fahatsaram-pon'ny Alliance for Citizenship.

Hetsika goavana tao Etazonia nahitana fiareta-tory, diabe, fivahiniana masina ny “Androm-Pirenenan'ny Fahamendrehana sy ny Fanajana” nanerana ny firenena hitakiana ny famitana ny fanitsiana ny lalam-pifindramonina.

Notontosaina tao amin'ny Tsenambarotra nasionaly tao Washington DC ny iray amin'ny famoriam-bahoaka nahazoana olona be indrindra.

Nanohintohina ny fahamarinan-toerana ara-toekarenan'ny firenena ny fiatoan'ny lahasan'ny governemanta nanomboka tamin'ny voalohany volana Oktobra. Tsy nifanara-kevitra momba ny drafi-pandaniana ao anatin'ny taona ara-bola vaovao sy ny fanombohan'ny programam-pitsaboana malaza amin'ny hoe “Obamacare” moa ny mpikambana ao amin'ny kongresy Repoblikana sy ny Demokraty, ka ahiana ho tavela indray ny lohahevitra lehibe tahaka ny fanitsiana ny lalam-pifindra-monina. Ao anatin'izao korontana mihatra amin'ny governemanta izao, nanolotra samirery ny volavolan-dalàna tao amin'ny Lapan'ny [ambany] Antenimiera ny Demokraty tamin'ny 2 oktobra ary mikendry ny hanatsara ny lalam-pifindra-monina, ary miantso ihany koa ny mpikambana ao amin'ny kongresy Repoblikana handray andraikitra eo noho eo.

Nahazo fanohanana avy amin'ny olona fanta-daza tahaka ny Ben'ny tanànan'i Chicago Rahm Emmanuel sy ny Governoran'i Illinois, Pat Quinn, izay niaraka nankao amin'ny kianjan'ny sendikà ao Chicago ny diabe nasionaly hitakiana ny famaranana ny famindra-toerana an-katerena sy hifidy ny hanovana ny lalàna federaly momba ny fifindra-monina. Antenaina hisy diabe hafa, antsoina hoe “Camino Americano”, amin'ny 8 Oktobra izay mikendry ny hampiray lalana olona an'arivony ao anatin'ny fankalazana ny Volan'ny Lovan-kolontsaina Hispanika.

Ao amin'ny Twitter, natsangana ny teny ifankafantarana #TimeIsNow [izao no fotoana] mba hanaovana diabe nasionaly, ary ireto ny sasany amin'ireo fanehoa-kevitra nahasarika ny maso indrindra:

ny sandan'ny tsy fihetsehan'i @SpeakerBoehner momba ny fanitsiana ny [lalam-p]ifindra-monina? famindrana olona 112.684 an-katerena ary mbola tsy tapitra ny fanisana

Fotoana izao hijoroan'ny mpikambana repoblikana ao amin'ny antenimiera manohana ny fanitsiana ny [lalam-]pifindra-monina. Tsy ilaina ny fialantsiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.