Mampiasa Polisy Miaramila i Honduras Hiadiana Amin'ny Asa Ratsy

Polisy miaramila vaovao no napetraka ary nekena hiasa tao Honduras mba hiadiana amin'ny asa ratsy sy ny herisetra izay tsy mitsaha-mitombo. Nanaitra ny ahiahy teo amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ireo olom-pirenena ity fepetra vaovao ity izay mahita azy io ho manohintohina ny zon'olombelona.

Araka ny tatitr'i Themla Mejía ho an'ny masoivohom-baovao IPS, dia niteny i “Ramón Custodio, ilay Kaomisera nasionaly na mpanelanelana avy ao amin'ny mpiaro ny zon'olombelona, fa laviny marin-drano ny fisian'ireo hery vaovao izay nandika tanteraka ny lalàm-panorenana no sady niantoka tamin'ny fomba virtoaly ny fanjavonan'ny polisy nasionaly, izay naverina natsangana indray 15 taona lasa izay rehefa nanomboka namindra fahefana tamin'ny sivily ny miaramila.”

Nankatoa lalàna iray i Honduras mba hametrahana Polisy Miaramila ho an'ny Filaminam-bahoaka (Policía Militar del Orden Público, amin'ny fiteny Espaniola) tamin'ny Aogositra 2013. Tao amin'ny Upside Down World, tranonkala iray miresaka politika sy hafanam-po any amin'ny faritra, manazava i Rosemary Joyce sy Russell Sheptak fa “ilay tolo-dalàna dia niantsoana ilay hery vaovao mba hamerenana indray ny fifehezana ireo faritra, ireo tanàna mpiray vodirindrina, ireo fampandrosoana fonenana ary ny foto-drafitr'asa ho an'ny rehetra na ny toerana ho an'ny daholobe izay toerana nanaovan'ireo andian-jiolahy ny asa tsy ara-dalàna fanaony na ny heloka bevava araham-panomanana”:

Mahatsikaiky, na dia teo aza ny fanantitranterana hoe tokony hitondra fiovàna eo amin'ny olan'ny fandriam-pahalemana ny fidinan'ireo miaramila vaovao eny amin'ireo làlana ao an-drenivohitr'i Honduras, dia nisy fanapahan-kevitra noraisina teo amin'ny lafin'ny fibaikoana mba tsy hilazalazàna ny fotoana marina hisafoan'izy ireo rehefa hiady amin'ny …. inona?

Ny 3 Oktobra, nandefa ny sarin'ireo polisy miaramila ny mpanao gazety Lilian Caballero :

Manao voady ny polisy miaramila. Afaka miady amin'ny mpandika lalàna izy ireo manomboka androany.

— Lilian Caballero (@LilianCaballero) ny 3 Oktobra 2013

Nilaza i Gabo Giron tao San Pedro Sula fa tazany teny an-dàlana ireo polisy tamin'iny andro iny ihany:

Hitako nandeha teny an-dàlana ireo polisy miaramila #Honduras pic.twitter.com/gR0a5ZDGDD

— Gabo Giron ♪® (@gabogiron1987) ny 3 Oktobra 2013

Tamin'ny fanoratany ho an'ny bilaogy InSight Crime, dia manazava i Marguerite Cawley fa “efa malaza ratsy ho voavidy vola ny polisy nasionaly ary ny ankamaroany dia heverina ho voafatopatotra aminà fikotrehana asa ratsy“, kanefa milaza izy fa ny fananganana polisy miaramila ” dia tsy mamaly mihitsy ny filàna manavao ny polisy efa misy.”

Raha toa ka mety ho vahaolana hafa ny fametrahana ireo herin'ny polisy miaramila miohatra amin'ny fametrahana avy hatrany ireo miaramila eny an-dàlana, dia mbola manjavozavo ny fifandraisana misy eo amin'ny roa tonta ary ilay hery mihitsy no tena tsy mahasolo ny filàna herin'ny polisy nasionaly mahomby. Manainga ihany koa ny olan'ny zon'olombelona manoloana ny fampiasàna tetikady ara-miaramila ho fanatsaràna ny fandriam-pahaleman'ny vahoaka ilay fanapahan-kevitra.

Manampy i Joyce sy Sheptak ao amin'ny Upside Down World fa “tsy misy tsindry ara-politika hanaovana dingana tonitony kokoa ho an'ny heloka bevava an-tanàn-dehibe”, ary araka ny ankamaroan'ireo fitsapan-kevitra, ” ny maro amin'ireo vahoaka ao Honduras no mila ireo polisy miaramila eny an-dàlana, azo eritrertina ho noho ny fakàny an-tsaina hoe hahafoana ny fanaovan-dratsy ity fomba iray ity, tsy hitondra karazana herisetra amin'ireo mpitazana izay atahoran'ireo mpanakiana fatratra”:

Nandritry ny dingam-pifidianana maro, dia nisy fampielezan-kevitra taminà fifidianana filoham-pirenena iray nahitàna fitenenana fa hanatsara ny fandriam-pahalemana ny antoko misy anareo; ho an'ny Partido Nacional, izay araka ny fitsapan-kevitra faramparany natao dia mifamatotra amin'ny LIBRE amin'ny resaka antontan'isa ho amin'ny fifidianana amin'ny volana Novambra, manome marika avy hatrany mikasika izay ho ataon-dry zareo ny fampodiana nyandian-tafika raha lany izy–tsy toy ny Filoha amin'izao fotoana, izay mbola avy amin'ny Partido Nacional ihany koa, izay tena tsy mavita azy mihitsy no fahitàn'ireo ao Honduras azy, tonga hatramin'ny maha-sàkana azy tsy hahalany ny kandidany, Juan Orlando Hernández, izay hery manosika ao ambadik'ity lalàna vaovao ity.

Handatsa-bato ireo vahoaka ao Honduras hifidy filoham-pirenena, parlemantera ary ben'ny tanàna amin'ny volana ho avy.

Mitohy ny lahatsoratra ao amin'ny Upside Down World:

Izay mitondra antsika hiverina amin'ny fanapariahana ireo 1000 voalohany tamin'ireo polisy miaramila 5000 noeritreretina, nihazakazaka nanenjika asa tao anatin'ny iray volana monja, nanompo fampilezan-kevitra politika raha toa ka tsy zavatra hafa. Raha toa ka tratra ny tanjona noeritreretina, dia eo ho eo amin'ny iray ampahatelon'ny isan'ny polisy sivily efa misy no isan'ireo hery vaovao. Sady tsara karama no ampy fitaovana, mety ho afaka ny hanova ny paikady any amin'ireo tanàn-dehibe izay tsy nahombiazan'ny polisy sivily ireto hery vaovao ireto. Kanefa, hita soritra sahady fa mety hitondra korontana ny iraka ataon'izy ireo ka hahatonga ireo tanàna tena mahantra mmpifanolo-bodirindrina ao Honduras ho sahan'ady.

Novalian'i Carlos Mejía ny bitsika [es] nataon'ny antoko politika Partido Anticorrupción (PAC) tao amin'ny Twitter izay milaza fa mila asa sy fahafaha-manao zavatra betsaka mba hanafoanana ny asa ratsy:

Tena ilaina tokoa ny famoronana asa, ka toy zany koa ny polisy miaramila. Mila fandriam-pahalemana isika. Fanehoan-kevitra.

— Carlos Mejía (@meji711) ny 3 Oktobra 2013

Mandefa sary i Josue Banegas:

Vonona ny hiady amin'ny asa ratsy, ny polisy miaramila miisa 1000

— JOSUE BANEGAS (@jjbanegas) ny 3 Oktobra, 2013

Ary manontany i Armando Rene Boquin hoe:

Hanafoana ny asa ratsy ve sa hamoritra ny vahoaka?

— armando rene boquin (@armandorboquin) ny 7 Oktobra, 2013

Nandritra izany dia, manontany tena i Frank Alley hoe:

Vonona ny hiasa, hono. Tena hitondra ny fandriam-pahalemana ilaintsika tokoa ve ry zareo? Ry zareo ve no vahaolana?

— Frank Alley (@tonyalley08) ny 4 Oktobra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.