Resadresaka Niarahana Tamin'i Dorothée Danedjo Fouba, Mpanao gazety Antserasera

Miroborobo ao Afrika ny asa fanaovan-gazety antserasera noho ny ezaka vitan'ny olona tahaka ity bilaogera sady mpanao gazety marolafy Kameroney ity, Dorothée Danedjo Fouba, antsoina hoe DorothyDaf ao amin'ny aterineto. 

Izy no nahazo loka tamin'ny fifaninanana “Best African ICT Blog, Telkom-Highway Africa New Media Awards 2013″ (Bilaogy tsara indrindra momba ny TIC ao Afrika), niresadresaka tamin'i Dibussi Tande (@dibussi) momba ity sehatra ity izy vao haingana, sy ny toetra ilaina mba hahombiazana amin'izany.

Dorothée Danedjo, receiving the

Dorothée Danedjo Fouba nandray ny loka tamin'ny “Bilaogy Tsara Indrindra Momba ny TIC ao Afrika, 2013″. Sary avy amin'i Danedjo Fouba.  

 

Dibussi Tande (DT): Arahabaina nahazo loka tamin'ny “Best African ICT Blog (Bilaogy TIC Afrika Tsara Indrindra), Telkom-Highway Africa New Media Awards 2013″. Midika inona aminao izany?

Dorothée Danedjo Fouba (DDF): To me, this prize represents a great recognition of my journalistic work, particularly in multimedia journalism. And one could say it is a tribute to work well done.

Ho ahy, fankasitrahana lehibe amin'ny asa fanaovan-gazety iantsorohako ity loka ity, indrindra eo amin'ny asa fanaovan-gazety marolafy (multimedia). Ary misy ireo miteny fa valin-kasasarana tamin'ny asa tontosa tsara izao.

DT: Nahazo loka indroa miantaona avy amin'ny Highway Africa ny bilaoginao. Inona no tena mampiavaka ny dorotheedanedjo.com?

DDF: My blog is oriented towards the Internet and new technologies for journalists and communicators. Specifically, it gives tips and teaching tools for audio and video podcasts. I think what distinguishes it from the others is: that it tries to present information in both French and English in an educational manner.

Miompana amin'ny aterineto sy ny teknolojia vaovao ho an'ny mpanao gazety sy ny mpiandraikitra ny serasera ny bilaogiko. Ary manome paika sy fitaovana fampianarana momba ny fandraketana feo sy lahatsary (podcast). Mino aho fa ny mampiavaka azy amin'ny hafa dia: miezaka manome vaovao amin'ny teny frantsay sy teny anglisy amin'ny alalan'ny fampianarana.

DT: Ankoatra ny  fibilaogiavanao, mampiatrano seho momba ny media-marolafy ao amin'ny CRTV ihany koa ianao, ary vao nahazo diplaoma master amin'ny famoronana ambony momba ny fampianarana amin'ny media antserasera vao haingana tao amin'ny oniversité Sorbonne Nouvelle ianao. Inona no antony nankafizanao ny teknolojiam-baovao sy ny fifandraisana (TIC), ary ny asa fanaovan-gazety antserasera manokana?

DDF: Let's just say that I've always been attracted to anything that is technical, since I was a child. Perhaps it's true that I have a talent for writing, but at heart, I am a scientist. Anything that can be demonstrated in a technical manner is interesting to me, and that is why, over time, I turned towards digital journalism, because I always wanted to find out how these technologies can be used as tools of the profession.

Andeha atao hoe nahasarika ahy hatrany izay rehetra ara-teknika, hatry ny fony izaho mbola kely. Angamba marina tokoa fa mana-talenta amin'ny asa-soratra aho, saingy siantifika aho. Mahaliana ahy avokoa izay rehetra azo aseho amin'ny fomba teknika, ka izany indrindra, rehefa nandeha teny ny fotoana, no nahatonga ahy niditra teo amin'ny sehatry ny asa fanaovan-gazety amin'ny aterineto, satria niriako foana ny hahafantatra ny fomba fampiasàna ireo teknolojia ho fitaovam-piasana.

DT: Inona no tena mahaliana anao hibilaogy? Faniriana te hanatanteraka zavatra izay tsy ampy amin'ny asa ve, sa fitiavana manoratra zavatra, sns.?

DDF: As I was saying, I am a hybrid, a product of both writing and love of technical knowledge. I turned toward blogging, not only because it helped me to overcome a professional deficit, given the fact that it is not always easy to deal with all subjects in ordinary writing, because of the role of editors, but also to show to others what I think about the methods and approaches that can be adopted to connect media with new technologies.

Araka ny efa nolazaiko, zafindraony aho, mpamokatra asa-soratra sy mpitia ny resaka teknika. Nitodika tamin'ny fitorahana bilaogy aho, tsy hoe nanampy ahy hameno ny tsy ampy amin'ny asako fotsiny izany, satria koa sarotra indraindray ny mandinika ireo lohahevitra rehetra amin'ny fomba fanoratra mahazatra noho ny andraikitry ny tonian-dahatsoratra, fa koa ny hampiseho amin'ny hafa izay fihevitro momba ireo fomba sy fepetra afaka ampiasaina hidirana amin'ny median'ny teknolojia vaovao.

Dorothée Danedjo receiving the

Dorothée Danedjo Fouba, nandray ny loka tamin'ny Fifaninana Bilaogy Tsara Indrindra momba ny TIC, taona 2012. Sary avy amin'i Danedjo Fouba

 

DT: Raha ny hevitrao, inona no antony  mahatonga ny tsy fisian'ny bilaogy mifantoka amin'ny TIC ao Kamerona, na koa eto Afrika?

DDF: I think that their absence can be explained by the fact that one has to invest a lot of time to create a blog that focuses mainly on ICT. Or, by definition, a blog is a personal journal, and thus, it is managed by one individual. That is not easy. In addition, it requires a certain amount of digital culture and personal effort to be able to collect information. We generally prefer to write political propaganda, essays on culture, and to “seek pity”, in the political sense, about certain topics. Or sometimes, it is simply due to laziness.

 Mino fa noho izy mitaky fotoana betsaka amin'ny fananganana bilaogy izay miompana indrindra amin'ny TIC no anton'ny tsy hisian'izany. Na raha faritana koa, ny bilaogy dia gazetin'ny tena manokana, ka olona iray ihany no mitantana azy. Ary tsy mora mihitsy izany. Ankoatra izany, mitaky karazana kolontsaina nomerika  sy ezaka manokana izany mba hahafahana manangom-baovao. Tiantsika amin'ny ankapobeny ny manoratra dokambarotra politika, asasoratra ara- kolontsaina, sy “mitady fiantrana” ny hevitra ara-politika, aminà lohahevitra sasany. Na indraindray koa, noho ny fahakamoana tsotra izao fotsiny.

DT: Tara amin'ny  fampiasana teknolojia vaovao ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao ao Kamerona, ary zara raha hita ao amin'ny aterineto, ary tsy dia mampiasa firy ny tambajotra sosialy ihany koa. Inona no mahatonga izany? Ny tsy fisian'ny vola, ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa nomerika sa noho ny tsy fahampiam-baovao tsotr'izao fotsiny?

DDF: I would blame it mostly on ignorance, and on fear of the unknown. We are afraid of anything which is new, and which would bring about a change in our habits or methods.

Omeko tsiny angamba ny tsy fahalalàna, sy ny tahotra izay tsy fantatra. Matahotra izay rehetra zava-baovao isika, kanefa mety hitondra fiovana amin'ny fanao mahazatra sy ny fomba fanaontsika.

DT: Raha ny hevitrao, inona no tena toetra mampiavaka ny mpanao gazety antserasera na bilaogera mendrika?

DDF: A good digital journalist or good blogger must already have the intrinsic qualities of all good journalists, which is to say: to find, collect, and distribute accurate and proven information, in a clear, concise, and precise manner, and in accordance with ethics and moral obligations regarding information publishing. They also need to have a strong sense of curiosity, and knowledge of how to create online content using digital tools.

Tokony hanana sahady ny maha-izy na ny mampiavaka ananan'ny tena mpanao gazety mendrika ny mpanao gazety antserasera na ny bilaogera mendrika, izany hoe : mikaroka, manangona ary mandefa vaovao marina sy mari-pototra tsara, mazava, voafintina ary amin'ny fomba mazava, mifanaraka amin'ny fitsipi-pitondratena sy ny fitsipi-pipehezana mikasika ny fampitàm-baovao. Tokony hanana saina tia karokaroka ihany koa izy ireo, ary manana fahaizana mamorona votoaty antserasera amin'ny fampiasana fitaovana nomerika.

DT: Taona vitsy lasa izay,  nandroso soso-kevitra ianao fa mety hanavotra ny haisoratra Afrikana ny  mediam-baovao. Inona no tena momba izany?

DDF: That idea was in 2011, if I remember correctly. It consisted of looking into how one could create an online network for distribution of African books. My concept would be realized in the form of a specialized portal site, used to transform ordinary books into e-books. This solution could be based, strategically, on bulk SMS.

Efa tamin'ny taona 2011 izany hevitra izany, raha tsy diso ny fitadidiko. Miompana amin'ny fomba hametrahana tambajotra an-tserasera fampielezana boky Afrikanina. Amin'ny endrika vavahadi-tserasera (habaka) voatokana no hanatanterahana izany hevitro izany, ampiasaina mba hamadihana ireo boky mahazatra ho e-book (boky ao amin'ny aterineto). Araka ny tetikady, mety mifototra amin'ny SMS maro isan-karazana ity vahaolana ity.

DT: Tamin'ny taona 2011, namoaka tolo-kevitra hananganana tetikasa fivarotam-boky nomerika mifototra amin'ny vavahadin-tserasera roa momba ny haisoratra antsoina hoe Kamerbooks sy Afrobooks ianao. Ahoana ny momba izany tetikasa izany?

DDF: Yes, indeed, that project was the result of my ideas about the uses of new medias for African literature. Two years ago, when I was looking for the ways and means to set this up, I almost got conned by a self-described Cameroonian “web entrepreneur”. Now, I am working to realize the project in as short a time as possible, and I remain open to proposals from potential partners.

Eny tokoa, avy amin'ny hevitro momba ny fampiasàna ny media vaovao ho an'ny haisoratra Afrikanina izany tetikasa izany. Roa taona lasa izany, raha nitady lalana sy fomba hanatanterahana izany tetikasa izany aho, saika voafitaky ny olona iray milaza fa Kameroney “mpandraharaha amin'ny habaka”. Ankehitriny, miasa hanatanteraka ny tetikasa ao anatin'ny fotoana fohy araka izay mety aho, ary raisiko avokoa izay soso-kevitra avy amin'izay mety ho mpanohana.

DT: Tamin'ny volana Martsa 2012, nahazo loka hafa panafrikana, African FOSS Reporter Award ianao, izay loka ho an'ny fanadihadiana Afrikana momba ny rindrambaiko malalaka sy misokatra. Ahoana no hahafahan'ireo fandaharan'asa momba ny rindrambaiko malalaka ireo ho mpanetsika ny fandrosoana ara-tsosialy sy toekarena ao amin'ny firenena Afrikana?

DDF: In reality, the low-cost nature of this type of software, the freedom that we have to modify and to distribute it, and the resulting anti-virus protection, are such that they inevitably catalyze development. Imagine for a moment that the Cameroonian administration were using these: first, the cost of importing anti-virus would be reduced to zero, and second, the costs of buying licensed software would be cut by at least half. This undoubtedly would represent a huge gain, that would permit job creation for some of the unemployed, whom, as you know, are so numerous in developing nations.

Raha ny marina, ny vidiny mora amin'ty karazana rindrambaiko ity, ny fahafahana manova sy mampiely azy, ary ny vokatry ny fiarovana azy amin'ny viriosy, ireo no tena mpanetsika ny fampandrosoana. Saintsaino vetivety fa mampiasa izany ny fitondram-panjakana Kameroney: voalohany, mety hihena mankany amin'ny aotra ny vidin'ny fanafarana anti-virus, faharoa, mety hihena antsasa-bidy farafahakeliny ny saran'ny rindrambaiko manana lisansa. Izay tsy azo lavina fa tombotsoa goavana hahafahana manome asa ho an'ireo tsy an'asa marobe ao amin'ny firenena andalam-pandrosoana.

DT: Misy fahasamihafana ve eo amin'ny “DorothyDaf”, bilaogera sy Dorothée Danedjo Fouba, mpanao gazety menavazana izay miasa ao amin'ny Minisiteran'ny ny fifandraisana?

DDF: Ha ha, not really. “DorothyDaf” is just an abbreviation of Dorothée Danedjo Fouba. Responsibilty for everything that I do on paper as “DorothyDaf” is entirely assumed by Dorothée Danedjo Fouba, under the general inspection of the Ministry of Communication of Cameroon. Both tasks involve my freedom and my responsibilities as a journalist, in every way.

 Ha ha, tsia dia tena izay. DorothyDaf dia fanafohezana ny hoe Dorothée Danedjo Fouba. Dorothée Danedjo Fouba avokoa no miandraikitra manontolo izay rehetra nosoratako amin'ny anarana Dorothydaf, izay eo ambanin'ny fanaraha-maso ataon'ny Minisiteran'ny Fifandraisana ao Kamerona. Mahatafiditra ny fahafahako sy ny andraikitro amin'ny maha-mpanao gazety ahy na aiza na aiza, ireo asa roa ireo.

DT: Fanontaniana farany, mbola vao 30 taona ianao, kanefa efa manana lalimoara feno loka sy mari-pankasitrahana marobe , anisan'izany ny diplaoma master. Manao ahoana ny fijerinao ny hoavin'ny asanao?

DDF: As for the rest of my professional career, first on the horizon will be the realization of a multimedia teaching platform for online media education, which I began to develop during the year of my master's degree program at Ingenieris Cameroon: Matic.edu (Medias assisted by ITC). I hope to have the good graces and health, which only Christ can give, to be able to see it to fruition.

Thank you for your interest, and for the encouragement you have given to me.

Efa tazana manangasanga amin'ny hoavin'ny asako ny fananganana seha-pampianarana media-marolafy ho an'ny media antserasera izay efa efa natomboko tamin'ny taona nahazoako diplaoma master tao amin'ny Ingenieris Cameroun : Matic.edu (Médias Assistés par les TIC). Manantena  aho fa hahazo fanambinana sy fahasalamana, izay Kristy irery no afaka manome izany mba hahafahana manatontosa ny tanjona.
Misaotra anao liana sy nampahery ahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.