Tokony Hosazian'i Brunei Ve Ireo Nahazo Vatsim-pianarana ‘Nandositra’?

Brunei students during a convocation. Photo from Flickr of Aidityafunda (CC BY 2.0)

Mpianatra ao Brunei nandritra ny fampiantsoana. Sary avy amin'i Aidityafunda tao amin'ny Flick (CC BY 2.0)

Mikarakara ny fitoriana an'ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana avy amin'ny fanjakana ka nandà tsy hody an-tanindrazana taorian'ny fahavitan'ny fianarany tany ivelany i Brunei. Nilaza ny tatitra fa dokotera 12 no voampanga ho nandika lalàna momba ny fepetran'ny vatsim-pianarany. Tamin'ny taon-dasa, nilaza ny governemanta fa dokotera 20 sy dokotera manam-pahaizana manokana (spesialista) hafa no tsy niverina tao Brunei rehefa vita ny fianarany tany ivelany. Nangataka tamin'ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana “nandositra” ireo ny ministeran'ny governemanta mba hanao ny adidiny amin'ny fandraisana anjara fampandrosoana ny firenena.

Niteraka adihevitra mafana momba ny rafi-pampianarana, ny fizotran'ny vatsim-pianarana, ary ny toerana misy ny toekarena ao Brunei izany olana izany.

Mpanoratra iray, Shareen Han niresaka teboka maromaro momba ireo banga ao amin'ny rafitry ny vatsim-pianarana:

We don't know the reason(s) these bonded scholars did not return to the country, but many were quick to condemn their actions.

…it tells us that there are inherent flaws in Brunei's system of awarding scholarships.

There are simply not enough jobs in the public sector for every single scholar because Brunei's economy is not growing fast enough to create jobs.

Is there a need to provide scholarships to hundreds of students every year? We have a lot of bright students who excel in their studies and show great character, but it is not sustainable for the government to sponsor every student.

How many of these scholarship students can afford to pay for higher education? How many scholarship recipients are from low-income families?

Tsy fantantsika ny antony tsy hodian'ireo mpianatra mpikaroka ireo an-tanindrazana, saingy mailaka ery ny maro miampanga ny fihetsik'izy ireo

     … milaza amintsika izany fa misy tsy fahalavorariana eo amin'ny fomba fanomezana vatsim-pianarana ao Brunei

     Tsy ampy tsotr'izao ny asa eo anivon'ny fanjakana mba ho an'ireo mpianatra mpikaroka tsirairay avy satria tsy dia nandroso ny toekaren'i Brunei mba hiteraka asa.

     Ilaina ve ny manome vatsim-pianarana isan-taona ho an'ny mpinanatra an-jatony? Manana mpianatra mahay isika izay mahomby amin'ny fianarany ary mampiseho toetra mahafinaritra, saingy tsy mety amin'ny governemanta ny manohana ara-bola mpianatra tsirairay avy.

    Firy amin'ireo mpianatra mahazo vatsim-pianarana ireo no afaka mandoa saram-pianarana hanohizany ny fianarana ambony? Firy ireo mpianatra mahazo vatsim-pianarana avy amin'ny fianakaviana kely fidiram-bola?

mujahidjohar nandrisika ny hafa mba hahafantatra ny antony mahatonga ireo mpianatra ambony tsy niverina nody an-tanindrazana:

People overlook the fact that going abroad to study for a few years forces many people to reevaluate their opinions, biases, and worldview

They learn that the government shouldn't be immune to criticism, that seniority doesn't always equal competence, and some societal problems will not be handled in their lifetimes. Then they hear tales of low salaries, lack of career development options and professional satisfaction.

We need to investigate without prior judgment as to why these people flee before we punish their families who are in Brunei.

Tsitandritandrin'ny olona fa ny fandehanana mandrato fianarana any ivelany mandritra ny taona vitsivitsy dia manery olona maro mba handinika indray ny fomba fihevitr'izy ireo, ny fironany ary ny fijeriny izao tontolo izao

Fantatr'izy ireo fa tsy ilaozan-tsikera ny governemanta, fa tsy midika ho fahaizana mitovy ny mahazokiolona, ary tsy ho voavaha mandritra ny androm-piainan'izy ireo ny olana ara-piarahamonina sasantsasany. Avy eo fantatr'izy ireo koa ny tantaran'ny karama ambany, ny tsy fisian'ny fivoaran'asa sy ny fahafaham-po amin'ny asa.

Tokony hanadihady tsy misy fitsarana an-tendrony ny antony handosiran'ireo olona ireo isika alohan'ny hanasaziana ny fianakavian'izy ireo eto Brunei.

Mety hamaha ny olana ny fampidirana fampindram-bola ao anatin'ny fandaharan'asa, araka ny hevitr'i Hakeem Hameed Affandy

I would suggest the government to introduce higher education loan in their scholarship scheme (half loan, half scholarship). So people who are qualified to get scholarship but don't want the government bond they can loan the money instead.

Te hanoro-hevitra ny governemanta aho mba hampiditra fampindramam-bola ho amin'ny fampianarana ambony ao anatin'ny fandaharan'asany momba ny vatsim-pianarana (ampahany fampindramam-bola , ampahany vatsim-pianarana). Amin'izay tsy mila manao adidy amin'ny governemanta ireo olona voafantina mahazo vatsim-pianarana fa afaka mindrana vola.

Tan Wei Lun nanome tsiny ny tsy fisian'ny asa ao amin'ny firenena:

Inefficiency in the government workplace deters scholars. I've known engineering scholars come back without jobs, they're teaching math and physics in high school right now. Lack of professional pathways and advancements are also a reason.

Manakana ireo mpianatra mpikaroka ny tsy fahombiazana eo amin'ny sehatry ny asam-panjakana. Nahafantatra mpianatra injeniera niverina tsy nahita asa aho, mpampianatra matematika sy fizika eny amin'ny fianarana ambaratonga fototra faharoa izy ireo ankehitriny. Anisan'ny antony ihany koa ny tsy fisian'ny traikefa arak'asa sy ny fandrosoana.

Khairunnisa Ash'ari kosa nikiry fa tokony hamerim-bola amin'ny governemanta ireo mpianatra mpikaroka “mandositra”:

I don't have any real opinion on this, but somehow allowing people to escape their contracts without any repercussions doesn't sound like a good thing either. It further encourages the mentality of not being accountable, etc. Also it would encourage more people to do the same thus leading to a brain drain in the country.

Honestly though if they don't want to honour the contract by not going back, they should at least repay back the amount they have taken, which would have gone to another individual who would eventually contribute back to the country.

Tsy dia tena manan-kevitra loatra amin'izany aho, saingy na dia izany aza toa tsy tsara faneno ihany koa ny mamela olona handositra ny fifanekena nifanaovana tsy nisy fiantraikany. Mandrisika kokoa ny toe-tsaina mba tsy ho tompon'andraikitra izany, sns. Mandrisika olona maro mba hanao toy izany ihany koa izany ka hitarika ho amin'ny fandosiran'ny manampahaizana eto amin'ny firenena.

Am-pahatsorana, raha tsy hanaja ny fifanekena nifanaovana izy ireo amin'ny tsy hiverenana an-tanindrazana, farafaharatsiny tokony hamerina ny vola izay noraisan'izy ireo, izay tokony nalefa any amin'ny olo-kafa vonona hiverina an-tanindrazana handray anjara fampandrosoana.

Somary sarotra ny fahazoana vatsim-pianarana ao Brunei. Iffah Muzri namelabelatra hoe:

…it’s an all-out battle trying to get the top position in school, fighting tooth and nail just to be able to qualify to even be considered to apply for a scholarship. What happens to those that didn’t get a scholarship, that couldn’t afford to be sent to universities…

… Tolona na aiza na aiza ity ka samy miezaka hahazo toerana ambony any an-tsekoly, mitolona mafy mba ho voafantina na hahazo vatsim-pianarana ihany koa. Inona no mitranga  ho an'ireo tsy nahazo vatsim-pianarana, kanefa tsy manam-bola hianarana eny amin'ny oniversite …

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.