Tokony Hamaky ity Tantara An-tsarin'ny Olona iray Avotra Nandritra Ny Daroka Baomba Atomika Tany Hiroshima ity Ve Ny Zanak'i Japana?

A clock stopped at 8:15

Famantaranandro nijanona tamin'ny 8:15 maraina rehefa nalatsaka ny baomba atomika. Nalaina tany amin'ny Trano Fitehirizana Ny Fahatsiarovana momba ny Fandriam-pahalemana –  Hiroshima, avy amin'i Fidel Ramos, mpampiasa Flickr  (CC BY-NC-SA 2.0)

Nanosika ny lazan'ilay boky “Barefoot Gen“, tantara an-tsary mizarazara maneho ny tantarana zazalahy iray antsoina hoe “Gen” avotra nandritra ny fandatsahana baomba atomika tany amin'ny tanànan'i Hiroshima tamin'ny 1945, ny ezaky ny tanàna Japoney iray hametra ny famakiana izany boky izany any amin'ireo efitra famakiam-bokin'ireo toeram-pianarana.

Ny 16 Aogositra 2013, nanambara ny media tranainy fa nahena ny fahazoan'ireo ankizy mamaky ny [ja] “Barefoot Gen” tsy nahazoan-dàlana avy amin'ireo mpampianatra nanomboka ny Desambra 2012 any amin'ireo toeram-pianarana fototra sy kolejy any amin'ny tanànan'i Matsue, renivohitry ny Prefektioran'i Shinema any amin'ny faritra andrefana indrindra any amin'ny nosin'i Japana, noho ny fangatahan'ny Filankevitry ny Fanabeazana ao an-tanàna.

Taorian'ny nipoahan'io vaovao io, naharay taratasy fanoherana sy fanehoan-kevitra maherin'ny 2.200 avy amin'ny firenena iray manontolo io tanàna io. Nangataka ihany koa ny fikambanan'ny mpampianatra ny hanaisorana io famerana io. Taorian'ny fandinihana lalina, nanapa-kevitra ny hisintona [ja] io antso famerana ny famakiana an'io boky io ny Filankevitry ny Fanabeazana ao amin'ny tanàna nandritra ny fivoriana manokana ny 26 Aogositra 2013, izay nilaza fa tokony any am-pianarana no hatao izany fanapahan-kevitra izany, ary tsy araka ny tokony ho izy ny zotra narahana. 

Ireo tantara an-tsary, fantatra amin'ny anarana hoe “manga”, dia matetika heverina ho mahavariana ny mpianatra any am-pianarana, noho izany dia manana vitsivitsy amin'ireny ny amin'ny efitra famakiam-bokin'ny ankamaroan'ny fianarana fototra sy kolejy Japoney.

Na izany aza, tsy tafiditra anatin'izany ny tantara an-tsary “Barefoot Gen”. Io tantara mizarazara ho boky maro io, izay navoaka tamin'ny 1973 ka hatramin'ny 1985, dia mifototra amin'ny zavatra niainan'ilay mpanoratra Keiji Nakazawa, izay tsy maty tamin'ny daroka baomba atomika tao Hiroshima. Nanasongadina io boky io ireo efitra famakiam-boky any am-pianarana nanomboka tamin'ny 1980 mba hahafahan'ireo mpianatra maka lesona momba ny haratsin'ny baomba atomika sy ny lanjan'ny fandriampahalemana. Matetika ireo ankizy tsy niaina ny ady dia tohina amin'ireo sary mampihoron-koditra sy ireo tantaran'ny ady rehefa mamaky io tantara an-tsary azo vakiana maimaim-poana any am-pianarana io.

Tahaka izao io tantara io: ny marainan'ny 6 Aogositra 1945, niova tampoka ny fiainan'ireo vahoakan'i Hiroshima, tanatin'izany ny an'ilay zaza 7 taona mpandray anjara fototra antsoina hoe Gen, sy ny fianakaviany, rehefa nisy baomba atomika nidaroka tampoka ny tanàna. Ambanin'ireo faharavana ireo, sy ny afo milelalela, mitomany mitady vonjy ny zandriny lahy, “Zoky! Andeha ve ianao? Tsy rariny izany, tsy rariny! Mamay!” Ny reniny mitondra vohoka, taorian'ny niezahany nefa tsy nahitam-bokany hamonjy ny fianakaviany may, dia nanomboka nanao fihomehin'adala. Maro ireo olona mirenireny ao an-tanàna miaraka amin'ireo hodiny may sy mitsonika ary mikiraviravy. Taorian'ny ady, niatrika hasarotana maro i Gen ireo ireo olona hafa sisam-paty – tsy fahampian'ny sakafo, fanavakavahana goavana manoloana ireo niharan'ny baomba atomika, fanararaotan'ireo mpanao ratsy ny zaza kamboty, sy ireo takaitra navelan'ny baomba atomika. Mety hahatsiravina tanteraka io boky io, ohatra amin'izany ny fanomezan'i Gen ronono ny zandriny vavy vao teraka izay niatrehany olana maro ny fikarohana azy, ary nanome azy ilay ronono izay nivoaka fotsiny ihany avy amin'ny vavany maty.

Nilaza [ja] i Nakazawa, mpanoratra,  fa “nahenany ny hamafin'ny zava-nisy nitranga” ho an'ireo mpamaky. Na izany aza, maro ireo mpamaky no milaza fa miteraka dona na nofy ratsy ireo fampisehoana ny hatsiravin'ny baomba atomika hita tao anatin'io tantara an-tsary io.

Ny Aogositra 2012, nanomboka ny fangatahana hamerana ny fahafahana mamaky io boky io rehefa nisy fanangonan-tsonia napetraky ny vahoaka tany amin'ny governemantan'ny tanànan'i Matsue, milaza fa tokony hesorina any amin'ireo efitra famakiam-boky any am-pianarana io tantara an-tsary io satria “manome dika vilana amin'ny zava-nisy marina”.

Anatin'ny fizarana farany amin'io boky io, manameloka mivantana ny Amperora sy ny governemanta Japoney ho tompon'antoka tamin'ny herisetra i Gen, niampanga ny fihetsik'izy ireo nandritra ny fotoan'ady. Anatin'io tantara an-tsoratra io ihany, misy ireo fotoana ahitana mpandray anjara iray tsy mety mihira ny hiram-pirenena. Ny hiram-pirenena dia misolo tena ny Amperora, ary ireo sisam-patin'ny daroka baomba atomika dia nanjera ny hatezerany tany amin'ny amperora tahaka ny mpamono olona nandritra ny ady izy ireo.

Ny Desambra 2012, noesorin'ny filankevitr'i Matsue io fanangonan-tsonia io, fa nangataka kosa ny Filankevitry ny Fanabeazana ao an-tanàna ny hamerana ny fahafahana mamaky io boky io satria heverin'izy ireo ho “diso nalefa lavitra loatra” ny fanehoana an'i Hiroshima taorian'ilay daroka baomba atomika.

Tsy iraisana ny fomba fanehoana ny tantara nandritra ny fotoan'ady eo amin'ny samy Japone. Ny sasany mino fa tsy herisetra io ady io, fa ho famotsorana ireo firenena ao Azia niforitra teo ambanin'ny Fanjakazakan'ny Tandrefana. Nandray ireo tantaran'i Gen ho tsy manabe, manala baraka ny amperora sy tsy tia tanindrazana ny mpikarakara ilay fanangonan-tsonia.

Children Reading Manga

Ireo mpianatra mamaky tantara an-tsary any amin'ny trano famakiana “mangas” any Hiroshima. Nalain'i Ryan Latta, mpampiasa Flickr  (CC BY-ND 2.0)

Fanohanana ny famerana ny fahafahana mamaky

Ny mpitoraka bilaogy ho an'ny tanindrazana, Boyakikokkuri, izay tsy manaiky ihany koa ireo vokatra Sinoa, dia nanoratra [ja] ho fanohanana ny fanaisorana io boky io any amin'ireo efitra famakiam-boky any am-pianarana satria heveriny fa manome fanehoana “mivilana” ny tantara io boky io:

 今回は残虐な描写のみが問題にされたようですが、それよりも、「日本軍がアジアで3000万人以上の人を残酷に殺した」とか、朝鮮人を“強制連行”したとか、支那軍お得意の「三光作戦」を日本軍がやったと断定するなど史実に反するセリフ、また、君が代斉唱を妨害したり、天皇を「殺人者」「戦争犯罪者」と呼ぶなど極端に偏った思想が語られていることの方が、大きな問題ではないでしょうか。 […]まだ判断力のつかない子供たちが、偏った歴史観や思想を刷りこまれないかと心配です。

Tsikaritra fa nandinika ireo sary mahatohina nandritra ny fotoan'ady ny Filan-kevitry ny Fanabezana [ao amin'ny tanànan'i Matsue] ankehitriny, ary nanapa-kevitra ny hanaisotra izany. Nefa mihevitra aho fa mbola misy olana lehibe noho izany anatin'ity tantara an-tsary ity. Manoratra izy fa namono tamin-kerisetra olona maherin'ny 30 tapitrisa ny miaramila Japoney taty Azia, ary naka an-keriny Koreana i Japana, nilaza ihany koa izy fa tsy i Shina no nanao ilay paikady Doroy Ho Lavenona fa i Japana. Ny fiantsoana ny amperora Japoney ho mpamono olona sy olon-dratsy tamin'ny ady dia mazava ho azy fa fomba fisainana diso tafahoatra, mivilana. […] Manahy aho ny amin'ny mety hanomezan'izany fanehoana izany fomba fijerin'ny ankizy diso ny tantara sy ireo hevitra, indrindra rehefa tsy maintsy mbola hanao ny fitsarany manokana izy ireo.

Mihevitra ny sasany fa hampisy olana ny fanomezana fahafahana hamaky izany boky izany any am-pianarana. Nanoratra i Feynman Leighton, mpampiasa Twitter, tanatin'ny fanehoankeviny hoe:

Mieritreritra aho fa tsy tokony hampijerena ireo ankizy latsaky ny 17 tsy atrehan'olon-dehibe ny Barefoot Gen, na tokony ferana ho an'ireo maherin'ny 18 taona. Araka ny hevitro dia tsy manana hevitra ny amin'ny fanabeazana mihitsy ireo olon-dehibe te-hampamaky ankizy boky tahaka izany, indrindra eo amin'ny lafiny fampianarana. Hevitra lozotra ny fanaovana ireo ankizy hamaky tantara an-tsary ho fanabeazana.

Nanoratra i Atsushi Matsumoto, mpanao gazety,  tao anatin'ny pejy natokana ho azy [ja] ao amin'ny ddnavi.com, sehatra iray hanehoana ireo boky elektronika vidiana: 

残虐な表現やあるいは性的な表現についてはどうでしょうか? […] 幅広い年齢の子供達が利用することになり、また蔵書点数に限りがある学校図書館に、どのような内容の本が備わっているべきか、は吟味されるべきです。 […]『はだしのゲン』だけに限った話ではなく、広く図書全般について、どのような本を備え、どのように読んでもらうのか、今回問題となったクローズドな形ではなく、オープンに議論し、検討が続いていくべきではないかと考えています。

Ahoana ny fomba hiresahantsika ireo fanehoana herisetra na zavatra mamoafady ao anaty boky? […] Manana tahiry voafetra ireo efitra famakiam-bokin'ny sekoly, ary manana mpampiasa amin'ny sokajin-taona maro. Tokony hitandrina tsara ny amin'ny karazana boky hapetraka anatina toerana tahaka ireny isika. […] Tsy voafetra amin'ny Barefoot Gen izany resabe izany. Tokony manao adihevitra misokatra isika momba ireo tranomboky amin'ny ankapobeny, sy ireo karazana boky tokony amidy  sy vakian'ny ankizy.

Fanabeazana anatin'ny ady sy ny fandriam-pahalemana

Nitsikera tao amin'ny Twitter i Fūka Haruna, ilay mpitoraka bilaogy malaza vao roa ambin'ny folo taona monja fa tokony hanapa-kevitra ho an'ny tenany ireo ankizy raha hamaky na tsia io boky io:

Miankina amin'ny tsirairay ny mahatsara na ratsy ny tantara an-tsary Barefoot Gen. Misy ireo mihevitra fa tsara ny mitantara ny resaka ady, ny hafa kosa mihevitra fa ratsy izany satria mety handona anao. Nefa tokony izahay, ankizy tsirairay izay maka io boky io no hanapa-kevitra ny hamaky izany na tsia. Fa tsy izay heverin'ny olon-dehibe ho tokony ho izy. 

Naneho ny fanoherany izany hevitra izany i Hirotada Ototake, mpampianatra fahiny sady mpanoratra, teraka tsy nisy tànana sy tongotra noho ny olana ara-jena:

Angamba voasokajy ho “mahatohina loatra ny ankizy” ao Matsue ny bikako, ary hametra ny fahafahana mijery ny sariko izy ireo, sa tsy izany?

Ny mpampiasa ny tolotra firaketana rohy sosialy Hatena, fulci, dia nitsikera [ja] fa mety hanohana ny fanabeazana mikasika ny lanjan'ny fandriampahalemana io tantara an-tsary io satria maneho ireo vokatra mahatohina ateraky ny baomba atomika :

ケロイドまみれの人とかヒロポン中毒者とか、発達期の子供が読むとトラウマになる描写ばっかだからいいんじゃん。おかげで子供ながらに戦争・原爆とか絶対ダメだこれって思えたよ。

Mihevitra aho fa tsara izany satria manana sary mandona maro izy, tahaka ireo olona manana oditra may mivonto, sy ireo fianteherana amin'ny “methamphetamine”. Ho ahy fony izaho mbola kely, nahatonga ahy hieritreritra izany fa tena tsy tsara velively ny ady sy ny baomba atomika.

Nanoratra [ja] ny mpiangaly ny gadona Hip Hop, Utamaru tanatin'ny Gazetiboky Asahi Weekly hoe:

[…]今の子どもも、少なくとも原爆が投下される前後の部分には触れてほしい。でも先生が読ませるんじゃなくて、小学校3、4年になったとき、うっかり手に取っちゃうところに置いておくのがいいんじゃないかな。

Izaho, fara faharatsiny dia te-hampifandray ireo ankizy ankehitriny amin'ny nitranga teo aloha sy taorian'ilay daroka baomba atomika. Na izany aza, raha tokony homena vakian'ireo mpampianatra [ny Barefoot Gen], mety ho tsara kokoa ny hamelàna izany aminà toerana mety hangalan'ireo ankizy azy tsy nahy ary hamakian'izy ireo izany rehefa mahatratra ny kilasy faha-telo na fahefatra izy ireo.

Nilaza i Makoto Kikuchi, mpandalina Fizikafa, fa tsy tokony hisy fampiharana lalàna na izany aza:

Tsy tiako ny hitenenana [ny olona] hamaky ny “Barefoot Gen” ary tsy tiako ihany koa ny filazana [azy ireo] hanafina izany.

Many students visit Hiroshima for school trip. Photo taken at Hiroshia Peace Memorial Park by flickr user Magalie L'Abbé

Mpianatra maro mitsidika an'i Hiroshima mandritra ny fitsidihan'ny sekoly. Sary nalaina tany amin'ny Zaridainan'ny Tranombakoka Fahatsiarovana ny Fandriampahalemana – Hiroshima avy amin'ilay mpampiasa Flickr Magalie L'Abbé (CC BY-NC 2.0)

Lazan'ny fihenjanana ateraky ny “Barefoot Gen”

Teo anelanelanny 16 sy 18 Aogositra 2013, maherin'ny 250.000 ireo bitsika manohana sy manohitra ny famerana ny famakiana io tantara an-tsary io. Araka ny fitsapan-kevi-bahoaka anaty aterineto tao amin'ny Yahoo! Japan[ja] izay namalian'ireo mpampiasa maherin'ny 150.000 ny fanontaniana, “Azo ekena ve ny famerana ny fahafahana mamaky ny tantara an-tsary “Barefoot Gen”?”, 82 isanjato ireo nisafidy ny “tsy tokony hisy famerana apetraka”. Nahangona [ja] sonia maherin'ny 15.000 tanatin'ny dimy andro ilay fanangonan-tsonia natao tanaty aterineto ho fangatahana ny fahazoana mamaky io boky io any amin'ireo efitra famakiam-bokin'ny sekoly.

Mampirisika ny olona hamaky io boky io ireo mpakafy ny “Barefoot Gen”, ary tsy hijery ireo fironana ara-politika. Nitatitra [ja] ny Barefoot Gen ho “manga manana valinteny mampalahelo indrindra avy any amin'ireo mpamaky” ny mpitsikera sangan'asa Tomofusa Kure [ja]: 

「はだしのゲン」は二種類の政治屋たちによって誤解されてきた不幸な傑作だ。二種類の政治屋とは、「はだしのゲン」は反戦反核を訴えた良いマンガだと主張する政治屋と、反戦反核を訴えた悪いマンガだと主張する政治屋である。

Ny “Barefoot Gen” dia sangan'asa niangaran'ny vintana izay mpanao politika karazany roa no diso amin'ny fandraisan'izy ireo azy. Amin'ireo karazany roa ireo, ny iray milaza fa “mangà” tsara ny “Barefoot Gen” noho ny hafatra manohitra ny ady/manohitra ny baomba atomika ao aminy. Ny iray hafa kosa milaza fa “mangà” ratsy izy noho ny fanaovany izany.

Nanamarika [ja] i Kuro, mpitoraka bilaogy, fa tsy azo “ihodivirana” ny endrika ara-politikan'io boky io noho ny vanim-potoana nanoratana azy: 

[…]それはたとえば平安時代の文学作品に対して「方位や日時の吉凶を気にしてばかりいるのは誤った迷信である」などと批判することが無意味であるのと同様だ。

Tsy misy dikany tahaka ny fitsikerana asa soratra avy amin'ny vanim-potoana Heian noho ny fifantohany amin'ireo finoanoam-poana nolavina momba ny toerana tsara sy ny tetiandro izany.

Nanamarika [ja] ihany koa i Tsunehira Furuya, mpitsikera ny “Anime” (sarimiaina Japoney) ao anatin'ny bilaoginy fa manana lanja ara-tantara io boky io:

被爆当時、広島市内を撮った写真は当時中国新聞の松重美人記者が残したわずか6枚の写真しかない。当時はカメラ撮影がスパイ行為に当たるとして、写真は厳重な制限があった。[…]当時の実相を伝えるのが最早、証言と絵しかない現在、これを物語にして見せた「はだしのゲン」にどれだけの歴史的意義があるか、計り知れない。

Zara raha misy enina ireo sary navelan'i Hiroshima tamin'ny fotoana nilatsahan'io baomba io nalain'ny mpitatitra avy ao amin'ny Gazety Chugoku, Yoshihito Matsushige. Tamin'izany fotoana izany, midika ho hetsika fitsikilovana ny fakàna sary ary tena voateritery. Ankehitriny, miaraka amin'ireo fijoroana vavolombelona sy sary sisa no hampitàna ny toe-javatra marina nisy tamin'izany fotoana, tsy hay refesina ny lanja ara-tantara amin'ny fampiasana azy ireny hitantarana tantara tahaka ny “Barefoot Gen”.

Taorian'io adihevitra io, niakatra ny taham-pivarotana io boky io, na antsinjarany izany na boky elektronika [ja]. Namerina namoaka dika mitovy 7.000 ambonin'izay[ja] isaky ny boky mivoaka ny mpamoaka azy, telo avo heny noho ireo dika mitovy navoaka isan-taona. Tsikaritra fa maro ireo olom-pirenena no nahatsapa fa fomba iray mahery hitantarana io ady mahatsiravina io amin'ny taranaka aty aoriana ilay tantara an-tsary, satria dia mankalaza ny tsingerintaona faha-68 -n'ilay fanapoahana baomba tao Hiroshima ny firenena amin'ity taona ity.

Ity lahatsoratra ity dia nadika niaraka tamin'ny fanampian'i Yuko Aoyagi sy Ryan Ball, ary naverin'i L.Finch natonta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.