Zokiolona Miady Amin'ny Fanorenana Andrin-jiro Any Amin'ny Tanànan'ny Korea Atsimo

Any Miryang, tanàna kely ambanivohitra, any Korea Atsimo, manao izay ho afany ireo zokiolona mba hanakanana ny fanorenana andrin-jiro fitaterana herinaratra faran'izay avo hamakivaky ny tany fambolen-dry zareo.

Ny orinasam-panjakana mpamatsy herinaratra, “Korea Electric, Power Corp (KEPCO)” dia mieritreritra ny hanangana andrin-jiro 12 izay hitaira  765-kilovolta [ko] mamakivaky an'i Miryang ka mety hahakasika tanàna 30 ary trano fonenana miisa 1.800. Henjana ny fanoherana. Maro amin'ireo mponin'ny tanàna, izay mpiompy mananika ny 60 sy ny 70 taona, no nifikitra nandritra ny valo taona mahery ankehitriny, mitanisa izay mety ho fiantraikany amin'ny fahasalamana sy maneho ny hasarobidin'ny tanin'izy ireo eo imasony izay efa nipetrahany amam-polotaonany.

Tany amin'ny volana Janoary 2012 tany, lasa lohatenin-gazety nanerana ny firenena ilay tolona rehefa nandoro ny tenany ny lehilahy 74 taona iray ho mariky ny fanoherany. Nampitsimbadika ny hevi-bahoaka hiandany amin'ireo mponina ireo andiana fampisehoana tsy fankatoavana amin'ny fomba mampitaintaina ireo, ka nampiatoan'ny KEPCO vetivety ny asany tamin'ny volana Marsa 2013.

Taorian'ny fiatoana izay naharitra 126 andro, dia nitohy indray ny asa fanorenana tamin'ny 2 Oktobra 2013, ka nifoha indray ny fanoherana, na tany amin'ny toerana nanaovana ny fananganana na teo anoloan'ny tranoben'ny KEPCO tany Seoul. Olona dimy no voatana am-poja taorian'ny fifampikasihan-tànana tamin'ireo mpitandro filaminana.

miryangphoto_compilation

Asehon'ny olona ny fanohanany ny hetsi-panoherana ao Miryang. Sary avy amin'ny  ‘Mijoroa miaraka amin'ny Miryang, Sakano ireo andrin-jiro 765kv’ – Stand with Miryang, Stop the 765kv Towers. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Toa nihemotra kely raha ny fahitàna ny KEPCO. Kanefa, izy ireo dia nanenjika na nitory mponina miisa 15, izay na mpiompy na tsy an'asa, ho nanelingelina ny asan'izy ireo. Na dia teo aza ny filazan'ny KEPCO hoe nahavita fampiraharahana niaraka taminà tanàna 15 izy ireo, dia namoaka fanambarana nandà ny fisian'izany ny mpanohitra, nanindriany fa tsy babon'ny fanampiana ara-bola ireo mponina. Ny haino aman-jery iray tao an-toerana aza nanambara mihintsy fa ny KEPCO dia nanana antonta-taratasy momba ny fikarohana anatiny izay manaiky mety hiteraka olana amin'ny fahasalaman'ireo mponina izay mipetraka ao amin'ilay toerana vokasik'izany ireo andrin-jiro fitaterana herinaratra avo dia avo ireo.

Tonga nanatevin-daharana  ny toloha henjan'ireo zokiolona ireo ny vondrona mpiaro ny tontolo iainana sy fikambanan'olon-tsotra. Ny pejy Facebook Stand with Miryang, Stop the 765kv Towers dia nizara ireo sarin'ny hetsi-panoherana tsy ela akory izay (eo ambany) sy ireo vahoaka mihazona ny mariky ny fanohanany ny tolom-panoherana ataon'ny Miryang (eo ambony).

Image of people protesting in front of the KEPCO building. Image by ‘Stand with Miryang, Stop the 765kv Towers'. Used with permission.

Olona manao hetsi-panoherana eo anoloan'ny tranoben'ny KEPCO . Sary an'ny  ‘Stand with Miryang, Stop the 765kv Towers’. nahazoana alàlana.

Nampiseho ny hatairany ireo mpampiasa aterineto manoloana ny fanapahan-kevitry ny governemanta hampiasa ny herin'ny mpitandro filaminana hiadiana amin'ireo zokiolona mpiompy. Manodidina ny 2000 ireo olon'ny mpitandro filaminana naparitaka [ko] teny an-toerana (tamin'ny voalohany, 3.000 no noeritreretina ho alefa):

Mandindona ny (toerana) misy asa fanorenana ireo andrin-jiro ao Miryang ny ahiahy hisian'ny trangan-javatra faran'izay ratsy. Efa antitra be avokoa ny ankamaroan'ireo mponina, antitra tsy misy mpanampy. Te hiroso hiatrika an'ilay asa fanorenana izy ireo amin'ny alalan'ny fandroahana ireo olona miaraka amin'ireo mpitandro filaminana an'arivony! Zavatra tsy takatry ny saina ny tahaka izany, na dia tany amin'ny fotoanan'ny ady aza. 

@MyoungrrangAndy: […]밀양에 경찰병력이 계속 늘어가고 있답니다. 주민의사 무시하는 공사 강행은 명백한 폭력입니다.

@MyoungrrangAndy[…] Henoko ny fitomboan'ny isan'ny mpitandro filaminana tany Miryang. Fihantsiana ady ny fanohizana miroso ho amin'ny fananganana mifanohitra amin'ny fanirian'ireo mponina.

Satria toa tsy ho azo ihodivirana ny fifandonana, maro no nahatsiaro ny loza tany Yongsan efa-taona lasa izay, nahafatesana olona 6 noho ny tifitra tsy nahy raha iny niezaka ny nandrava ny fitokonan'ireo olona voaroaka taminà tranobe iray  tao Seoul iny ireo mpitandro filaminana:

Satria efa miha-akaiky ny fotoana hitohizan'ny fanamborana ireo andrin-jiro ao Miryang, dia nanapa-kevitra hanaparitaka polisy mpandrava korontana miisa 3.000 (ekipa 34) tany an-toerana izy ireo tamin'ny 2 Oktobra… mpitandro filaminana 3.000 hifanandrina aminà antitra vitsivitsy? Adinon'izy ireo sahady ve ny loza tany Yongsan?

Ny olan'n andrin-jiro fitaterana hernaratra ao Miryang dia mampiseho fa  tsy manan-jo hamotika tanànan'olona mba ho tombotsoam-pirenena ny governemanta. Raha zavatra tena ilaina ho amin'ny tombotsoam-pirenena marina, dia mila mandresy lahatra ireo mponina [voakasik'izany] ry zareo ary tsy maintsy mamatsy azy ireo tolotra hafa ho takalony. Io hevitra kidaladala toa manao tari-dositra io amin'ny filazana fa ho amin'ny tmbontsoa ambonin'ny rehetra nefa tsy nisy fanomanana no nahatonga ny loza tao Yongsan.

Tena manantena vahaolana am-pilaminana amin'ny olana mikasika ny andrin-jiro fitaterana heriaratra ao Miryang ao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.