Chin Peng, Ilay Maleziana Mpitarika Kaominista : Mahery Fo sa Mpampihorohoro ?

A mourner pays his last respects by laying flowers. Photo by Hon Keong Soo, Copyright @Demotix (9/23/2013)

Fisaonana fanehoana fanajàna farany tamin'ny alalan'ny fametraham-boninkazo. Sary avy amin'i Hon Keong Soo, Fizakà-manana @Demotix (9/23/2013)

Tamin'ny volana lasa teo i Chin Peng, Filohan'ny Antoko Kominista Maleziana,  no nodimandry tao Bangkok teo amin'ny faha 88 taonany.

Chin Peng dia mpanohitra kanefa dia olona nanàna ny lazany tao Malezia sy Singapore. Nitarika ny tolona nanohitra ny fanjakazakan'i Japana izy nandritry ny Ady Lehibe Faharoa ; ary taorian’ izay , nifanandrina tamin'ireo herin'ny Britanika mpanjanaka tamin'ny taona 1940 sy 1950. Amin'ny maha mpitari-tolona niady ho an'ny fahaleovantena azy, maro ireo niantso azy hoe “Aung San-n'i Myanmar amin'ny endriny Maleziana , Soekarno an'i Indonezia ary Ho Chi Minh Vietnamiana”.

Kanefa nampihena ny lazany koa ny fanentanany hametraka fanjakana Kaominista izay nahatonga ady an-trano an-taonany maro.

Nipetraka nanao sesintany ny tenany tao Thailand hatrany izy na dia efa voasonia ny taona 1989 aza ny taratasy fifanarahana amin'ny fisian'ny filaminana nifanaovana tamin'ny Governemanta Maleziana.

Tsy nanaiky ny fampodiana an-tanindrazana ny lavenon'i Chin Peng ireo manam-pahefana Maleziana tamin'ny filàzana fa tsy mizaka ny zom-pirenena Maleziana izy. Etsy ankilan'izay, manahy ny amin'ny mety hananganan'ireo mpomba an'i Chin Peng tsangambato fahatsiarovana ihany izy ireo.

Talohan'ny nahafatesany, nanoratra taratasy ho an'ny fianakaviany sy ny namany i Chin Peng . Ity manaraka ity ny ampahany amin'izany :

Nanome manontolo ny fanahiko sy ny vatako aho hiarovana ny tsangan-kevitry ny antoko nisy ahy, izay niady ho amin'ny fiarahamonina tsy mitanila sy tsaratsara kokoa, mifototra amin'ireo idealy Sosialista.

Iriko raha ho tsarovana toy ny lehilahy tsara iray fotsiny aho izay sahy nandàny ny androm-piainany iray manontolo nikatsahany ny idealiny azy manokana mba hanorenana tontolo iray tsaratsara kokoa ho an'ny vahoakany.

Resy lahatra aho fa tsy ho faty na oviana na oviana ny afon'ny rariny ara-tsosialy sy ny maha olombelona.

Kanefa i Barrie dia manameloka an'i Chin Peng ho mpampihorohoro :

Marary hatrany amin'ny vanin-taolako rehetra mihitsy isaky ny mamaky lahatsoratra aho na vaovao izay manasohaso an'i Chin Peng ho Mahery fo ka tokony ho deraina. Tsy toy ny hoe midera sy manao an'i Hitler ho mahery fo ve izany? Na koa hoe, Osama Ben Laden?

Hazavain'i Redbean ny fomba tokony handraisana an'i Chin Peng ho isan'ny lehilahy tia tanindrazana, tsara na ratsy :

Chin Peng dia lehilahy tsara navadika ho ratsy nohon'ny niadiany tamin'ireo Britanika. Raha misy olona mpikambana ao amin'ny Fanjakana britanika, dia ratsy i Chin Peng. Raha misy olona mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra ny fanjanahan-tany, dia lehilahy tia tanindrazana i Chin Peng.

Koon Yew Yin kosa dia nampitra ny fanirian'i Chin Peng hiverina an-tanindrazana :

…naniry mafy ny hiverina an-tanindrazana sy ho faty ao amin'ny toerana nahaterahany izy. Nanamafy koa izy fa firenena manan-karena i Malezia ary tokony hiara-hiasa sy hanao fifanarahana amin'ny Malay ny Sinoa mba hahatnga an'i Malezia ho firenena mendrika kokoa.

Tetsy ankilan'izany, i Azeem Abu Bakar dia miombon-kevitra amin'ilay fanapahan-kevitra tsy handevenana an'i Chin Peng ao Malezia :

Tokony ekena ve ny handevenana ny lavenony ao  Malezia? Tsia, satria ho tongavan'ny avy amin'ny firenena maro io fasana io avy eo. Ary indrindra, tsy hitsangana hamoha fota-mandry sy hampitahotra ny fiainanay indray io lavenona io. Tokony halevina any an-dranomasina tsy taka-maso any izy. Ho fanaovana tsinontsinona ireo Maleziana, indrindra ny fianakavian'ireo izay maty novonoina tamin-kerisetra izany, ka tokony hoentina miverina an-tanindrazana ve izy ka ho arahabaina toy ny mahery fo.

Miyagi indray dia mankalàza an'i Chin Peng :

Ho an'ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ireo naman'Andriamatoa Ong sy ireo nanorina an'i Singapore sy Malezia — Izaho ary koa ny olona hafa maro dia mihevitra fa Andriamatoa Ong Boon Wah, antsoina hoe Chin Peng, dia tena lehilahy tia tanindrazana marina tokoa ho an'ny firenena mahaleotenan'i Singapore sy Malezia. Nanao izay tratry ny ainy izy hiarovana izay noheveriny ho rariny sy hitsiny — ka nitàna izany ela tokoa araka izay vitan'ny sainy sy ny vatany — soatoavina tsy maintsy deraintsika

Tonga tao Bangkok ilay (MP) Solombavambahoakan'ny mpanohitra Maleziana, Tian Chua, nanome voninahitra farany ny nofo mangatsiakan'i Chin Peng :

Tonga eto aho amin'ny maha namana, havana ary  amin'ny maha Maleziana ahy. Samy manana ny fandraisantsika azy avy amin'ny andraikitra nisy azy teto amin'ny firenena isika rehetra, na ireo resy lahatra na tsia tamin'ny tsangan-keviny. Tsy maintsy ekentsika fa izy dia ampahany amin'ny tantara Maleziana. Izy sy ny mpiara-dia taminy no naha toy izao antsika. Ary niaraka tamin'ireo mpitarika hafa tao Azia Atsimo Atsinanana no nanorenan'izy ireo ny sarintanin'i Azia Atsimo Atsinanana

Ilay Minisitry ny Atitany, Ahmad Zahid Hamidi no mamelabelatra ilay  fanapahan-kevitra tsy hamela ny fodiana an'i Chin Peng tao Malezia :

Fantatsika tsara fa raha ampodiana ny vata-mangatsiakany na ny lavenony, dia tsy maintsy hisy ireo hanandratra azy ho toy ny mahery fo tamin'ny ady na hanangana tsangambato ho azy. Izany anefa dia hahavaky ny fon'ireo bekotro maro holatra sy ny fianakavian'izy ireo izay tena niharan'ny herisetran'i Chin Peng sy ny Kaominista.

Hazavain'ilay MP, M Kulasegaran fa tsy mankasitraka ny Kaominisma izy fa kosa milaza fa tokony hampodiana ao Malezia ny lavenon'ilay Mpitarika Kaominista :

Manaiky aho fa mahery ny tolona nataon'ny CPM nanoherana ireo Japone nandritry ny fibodoana an'i Malezia faramparany iny ary nanafaingana ny fahazoan'ny Malay fahaleovantena tamin'ny taona 1957 ny fanoheran'izy ireo  ny Fanjanahana Britanika taorian'ny nandresena an'i Japana.

Noho izany antony izany sy ho fankatoàvana ny fifanarahana natao sonia ny taona 1989 mba hisian'ny filaminana, dia tokony ho ekena ny fampodiana ny lavenon'i Chin Peng an-tanindrazana ary koa ny hanitrhana azy amin'ny toerana niriany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.