Repoblikan'i Afrika Afovoany : “Aza Adinoina Izahay!”

Niha-nahery vaika sady nanaitra ny tsy fifandonana eo amin'ny governemantan'i Afrika Afovoany sy ny mpikomy Seleka hatramin'ny volana desambra 2012. Taorian'ny volana maro tsy nifanarahana dia nambaran'ny mpikomy Seleka fa nalainy ny lapam-panjakana misy ny filoha tamin'ny 24 Martsa 2013. Lasa nialokaloka any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo ny filoha François Bozizé ary nanora-tena ho filohan'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany ny mpitarika ny mpikomy, i Michel Djotodia. Maro ireo andrana hidirana nataon'ny mpikomy no tsy nahomby ary efa ofisialy ny faharavàn'ny Sekela amin'izao fotoana izao. Nefa na izany aza, dia mbola mampijaly ny any amin'ny faritra ihany, mandroba tsy misy indra-fo izay tanàna lalovany ireo mpikomy taloha.  

Ireo Kirizy eo amin'ny maha-olona

Tena mahonena ny mijery ny fari-piainan'ny olona any amin'ireo faritra sasany, indrindra ny ao anatin'ny firenena. Mahatezitra ny olona ny fanararaotam-pahefana ataon'ireo mpikomy. Nitantara ny zavatra nataon'ireo mpikomy izay aseho ho toy ny ” asa fanafoanana fitaovam-piadiana any amin'olona” i Camille Mandaba [fr], mponina any Bangui : 

Ils m'ont mis à genoux, menacé de leur arme avant de piller mon domicile. L'argent, les matelas, la télévision, les vivres, les téléphones, le réfrigérateur, tout a été emporté.

Nampandohalehin-dry zareo aho, nampitahoriny tamin'ny fitaovam-piadiany alohan'ny handrobany ny tranoko. Ny volafotsy, ny kidoro, ny vata fahitalavitra, ny sakafo, ny telefaona, ny vata fampangatsiahana, lasany daholo ny zava-drehetra.

Vavolombelon'ny helok'ireo mpikomy taloha izay indraindray miseho ho toy ny mpitandro filaminana ihany koa ny Monsenera Nongo-Aziagbia [fr], evekan'i Bossangoa :

“La dignité humaine a été complètement bafouée. De part et d’autre, les exactions qui sont commises sont vraiment effroyables.”

Natao tsinontsinona tanteraka ny hasin'ny maha-olona. Na avy tamin'ny ankilany, na ny andaniny dia samy mampihorohoro ny fanararaotam-pahefana nisy.
Rebelles en République centrafricaine via wikipedia CC-BY-2.0

Ireo mpikomy any amin'ny CAR/RCA (Repoblikan'i Afrika Afovoany) avy amin'ny wikipedia CC-BY-2.0

 
Tena mbola feno habibiana kokoa ny fanararaotam-pahefana any ambanivohitra. Asehon'ny sary iray nalain'ny zanabolana amerikana ireo faharavanà tanàna iray manontolo :

Repoblikan'i Afrika Afovoany @ONU_RCA Tsy misy afa-tsy ireo tanànan'i Bossangoa may ihany no azon'ny zanabolana amerikana sary. Tsy misy ny momba ny LRA. [Tafika Mpanohitry ny Tompo] pic.twitter.com/htIYOYdBuD
— ewalifete (@frugalisorg)  24 Septambra 2013

Ny tatitra avy any amin'ny Human Rights Watch [fr] no milaza fa trano 1.000 no rava any amin'ny tanàna 34 farafahakeliny, tahaka ny vonomoka/an-tselika:

Les premiers ont quitté leurs maisons, cinq d'entre eux, et ont été regroupés sous un arbre … ils étaient attachés ensemble par les bras. Ils ont ensuite été tués par balle l'un après l'autre.

 Nandao ny tranony ireo voalohany , ny dimy tamin'izy ireo, ary natangorona teo am-pototry ny hazo iray…. nafatotra niaraka teo amin'ny sandriny ry zareo avy eo notifirina tsirairay.

Tsy mifidy olona ny tsy fifanarahana. Eny fa na dia hatramin'ny ankizy aza dia antsoina ho ao amin'ilay vondrona mitàm-piadiana, tahaka ny asehon'ity sarinà ankizy miaramila ity :

Afrika Afovoany : Tranga mampatahotra no miseho ao amin'ny firenena, tsy ….[ voafehy ny] mpikomy Seleka  – http://t.co/4XS1S5LVSQ pic.twitter.com/Il1y3Mzs9o
— Thierry Barbaut (@TBarbaut) 28 Jona 2013

Fandrobàna voalahatra

Maro amin'ireo mpanara-maso no mihevitra fa hanjary ady eo amin'ny Kristiana sy ny Silamo io fifandonana io. Mitombo ny fifandolanana eo amin'ny Kristiana tsotra sy ny mpikomy, izay Silamo ny ankamaroany, nefa mihevitra ireo mpanara-maso sasany fa eo lafiny ara-toe-karena fa tsy ara-pinoana no fototry ny fifandirana. I Thierry Vircoulon, manam-pahaizana manokan'ny International Crisis Group (ICG) (Vondrona Famahana Olana Iraisam-pirenena) any Afrika Afovoany dia nilaza fa :

la Séléka ne sont pas venus convertir les Centrafricains, ils sont venus les voler. Cela n'a rien à voir avec ce qui s'est passé au Mali.

Tsy hanova ny mponina any Afrika Afovoany no nahatongavan'ny Seleka fa tonga mba hangalatra. Tsy misy ifandraisany amin'ny zava-niseho tany Mali izany.

 Nozarainà mponina iray tsy mitonona anarana [fr] ity fijery iray ity :

Les patrons militaires de la rébellion n'ont jamais eu l'ambition de reconstruire le pays. Ils savent qu'ils n'ont pas vocation à durer alors ils considèrent Bangui comme un butin

Tsy nanana eritreritra ny hanangana firenena vaovao ny miaramila mpitarika ny miaramila mpikomy. Fantany fa tsy haharitra ny asany ka dia heveriny fananana babo an'ady ho azy i Bangui .

 Very fanantenana ny amin'ny toe-draharaham-pirenena mampahonena i Beatrice Epaye [fr], mpikambana teo aloha tao amin'ny Parlemanta sady mpikambana ao amin'ny Mpanolotsainan'ny Tetezamita amin'izao fotoana izao :

Nous sommes les oubliés de l’Afrique, même ce conflit a été oublié. Mon appel c’est qu’on ne nous oublie pas. Il ne faut qu’on nous laisse nous entretuer et on en est déjà arrivés là.

Adino eto anivon'i Afrika izahay, na io fifandonana io aza dia adino. Ny antso ataoko dia ny tsy hanadinoana anay. Tsy tokony havela ho afaka hifamono izahay nefa dia izany sahady no zava-miseho izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.