Ahoana Ny Fomba Hitantanan'i Lebanona Ny Firohotr'Ireo Mpitsoam-ponenana Syriana Marobe?

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ireo sisa velona ao Syria ity lahatsoratra ity

"A classroom at a school for Syrian refugees in Lebanon near the border with Syria. 280 students attend," tweets  Derek Stoffel (@DerekStoffelCBC)

“Kilasy an-tsekoly ho an'ny mpitsoa-ponenana Syriana any Libanona manakaiky ny sisintany miaraka amin'i Syria. mpianatra 280 no manatrika” hoy ny siokan'i Derek Stoffel (@DerekStoffelCBC)

Mampiatrano mpitsoa-ponenana Syriana iray tapitrisa – na manodidina ny ampahaefatry ny mponina ao aminy i Libanona.

Ao amin'ny andia-tsioka i Josh Wood, mpanao gazety mahaleotena monina any an-drenivohitra Libaney, Beirota, no mizara amintsika ity tantara ity, izay ilazany “ny faharatsian'ny fifandraisana eo amin'ny Libaney sy ny fahamaroan'ny mpitsoa-ponenana” ao amin'ny firenena:

Nomen'i @mgdowney baolina kitra omaly ny ankizy voavory ao amin'ny toby atsimon'i Libanona mba tsy hitangoronan-dry zareo eo amin'ny fakantsary (sady lehilahy mahafinaritra koa izy) 1/3

Niverina izahay androany. Voadaka tsinahy any amin'ny tokotanin'ny hopitaly ilay baolina. Novakian'ny polisy teo akaiky teo iny dia naveriny. (2/3)

Izany rehetra izany mamehy ny fifandraisana ratsy misy eo amin'ny Libaney sy ny fahamaroan'ny mpitsoa-ponenana maro eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao (3/3)

Nanohy ny fanazavana izy:

[hoy ny] mpitsoa-ponenana momba ireo mpitsidika Libaney eo amin'ny toby: “Tsy misotro kafe na dite ry zareo. Misasa tanana ry zareo rehefa nifandray tanana taminay”

Androany hariva, nisioka sombim-pisedrana hafa atrehin'ny mpitsoa-ponenana sasany any Libanona i Wood:

Beirota: ankizy mpitsoa-ponenana (eo ho eo amin'ny valo taona eo?) iray matory anaty baoritra iray amoron-dalana anoloan'ny trano fisotroan-toaka. Misy mpisipa manao eo akaikin'ilay baoritra. Maty tany Aleppo ny ray aman-dreniny

Asongadin'ny minisitry ny raharaham-bahiny soedoà Carl Bildt amin'ny loko fotsy sy mainty izany izany:

20-25% amin'ny mponina manontolo ao Libanona ny mpitsoa-ponenana Syriana amin'izao fotoana izao. Mety hahatratra an-tapitrisany izany raha eto Soeda. Tsy maintsy mampiseho firaisankina isika.

Raha atambatra, eo ho eo amin'ny roa tapitrisa eo ny Syriana no nitsoaka ny fireneny ka nankany amin'ireo firenena manodidina, ka ny ankamaroan-dry zareo dia nankany Libanona, Torkia, Jordania ary Iràka tao anatin'izay 30 volana izay. An-tapitrisany hafa no azo heverina fa nitsoaka ny fonenany ka nandeha any amin'ny faritra hafa ao Syria handositra ny ady.

Mandritra izany fotoana izany, miteny ny mpikatroka Syriana Amal Hanano fa tokony ampiana amin'ny fampodiana an-tanindrazana ny mpitsoa-ponenana Syriana. Manazava izy:

Ny vahaolana dia tsy manorina trano maharitra ho an'ny mpitsoa-ponenana Syriana any Libanona; manampy ny mpitsoa-ponenana izany hiverenany an-tanindrazana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.