Però: Horohorontany Nahatratra 7 Amin'ny Maridrefy Namely An'i Acari , Arequipa

Horohoron-tany nahatratra 6.8 tamin'ny maridrefy, ary lasa 7 tato aoriana, no re tany amin'ny faritra afovoany sy atsimon'i Però tamin'ny 11:43 antoandro. Nolazain'ny USGS fa tany Acari any amin'ny faritr'i Arequipa no nisy ny foibeny.

Notaterin'ny haino aman-jery sasany fa kely ny zavatra simba  [es], toy ny vato nianjera ka mibahana ny ampahany amin'ilay làlambe  Panamericana any atsimo. Tsy nisy firy ny tatitra momba ny niharam-boina.

Misy ireo tatitra fahatapahan'ny antso an-tariby, heverina ho noho ny hamaroan'ny antso avy any amin'ireo fianakaviana any anatin'ny faritra niharam-boina. Nolazain'ny Ben'ny tanànan'i Acari, Carlos Mejia Quispe fa nisy trano sy sekoly izay efa triatra rava, ary ny Ben'ny tanànan'i Caraveli, faritany izay misy an'i Acari fa tsy misy fahafatesana voalaza.

Vetivety dia tonga ireo tatitra tao amin'ny Twitter ;  ireto ny sasany :

Tamin'ny 11:42:40 no nisehon'ilay horohoron-tany. Nahatratra 6,9° ny heriny tany atsimon'i Lomas (Arequipa) ary tany amin'ny 30 Km ny halaliny

Naharitra iny horohorontany iny, ry mpiray vodirindrina an

Nitantara mivantana ny momba ilay horohorontany tany Arequipa ny Radio Yaraví sy ny Radio Melodía.

Tato aoriana kely dia nisy ireo tatitra tamin'ny haino [es] sy ny  lahatsary [es] avy any amin'ilay faritra. Tamin'ny Twitter no tonga ny sary sy tatitra sasany avy any Acari :

Hamafisin'ny mpitandro filaminana avy any Carrateras ny firodanan'ny havoanan'i Chala

Notaterin'ny olona iray avy ao Palca fa misy trano maromaro zary nitoka-monina noho ilay horohorontany mafy.

Sarin-trano rava any Acari

Rindrina mianjera sy vakivakinà fitaratra avy aminà trano noho ny horohorontany nanerana ny distrikan'i Acari

Na dia nahilika aza [es] ny mety hisian'ny tsunami vokatr'ilay horohorontany, misy tatitra vitsivitsy milaza tsy fetezan-javatra tany amin'ny morondranomasin'i Però :

Onja mahery be no tany Mollento, araka ny tatitra nataon'ny mponina iray avy ao Arequipa

Tsapa tany Lima ihany koa ilay horohorontany, saingy malefaka ny heriny ; na izany aza, dia tsy maintsy nandray fepetra ho fisorohana loza ry zareo : 

Nafindra toerana ireo mpiasa tany Dan Isidro rehefa nahatratra 6.8 ny herin'ny horohorontany tany  Arequipa

Horohorontany…

Nisy ihany koa tatitra avy any amin'ireo tanàna hafa ao amin'ny firenena :

Mafy ny fandrenesana izany tany Chincha, faritra matetika isehoan'ny horohorontany, Soa ihany fa tsy nisy ny fahasimban-javatra na famoizana aina fantatra.

Horohorontany tany amin'ny tanànan'i Cusco.

Tany amin'ny rihana faharoa tany Huancayo aho no tonga ny horohorontany…

Heno tany Shili, mpifanolo-bodirindrina atsimon'i Però, ihany koa ilay horohorontany : 

Nihovitrovitry ny horohorontany tany Arequipa ireo faritra any Shili.

Nahatratra 7 tamin'ny maridrefy ny herin'ny horohorontany tany Però ; heno tany Arica izany ary nahatratra telo tamin'ny maridrefy ny heriny.

Navoakan'i Juan Arellano tamin'ny bilaogy Globalizado [es] ny lahatsoratra voalohany indrindra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.