Mitaky Ny Hampitsaharana Ny Fijaliana Ao Amin'ny Sisintanin'i Rafah i Gaza

"In Gaza, all our dreams end at the Rafah Border." Designed by Mohammed Abdulrahman. Shared on Twitter by @AlaaAlShokri

“Ao Gaza, ao amin'ny sisintanin'i Rafah no iafaran'ny nofinofinay rehetra.” Noforonon'i Mohammed Abdulrahman. Nozarain'i @AlaaAlShokri tao amin'ny Twitter.

Tanteraka ny nofy ary vaky teo amin'ny fiampitana sisintanin'i Rafah, eo anelanelan'i Ejipta sy Gaza, ary Palestina, izay nakaton’ny manampahefana Ejipsiana taorian'ny fionganan'ny filoha teo aloha Mohammed Morsi. Vokatr'izany fanakatonana izany, tsy afaka mandeha any ivelany any amin'ny oniversiteny ivelan'i Gaza ireo mpianatra Palestiniana, ka mijanona mihitsoka ao amin'ny sisintanin'i Rafah, izay sisintany voalohany ho an'ireo Palestiniana 1,7 tapitrisa ao Gaza noho ny fahirano ataon'i Israely.

Nisokatra nandritra ny fotoana fohy tamin'ny Alarobia sy Alakamisy [18-19 Septambra 2013] ny sisintany tao Rafah. Tamin'ny Alarobia, mpandeha 333 no niampita tao, mpandeha hafa 557 kosa niditra tao Ejipta tamin'ny fiampiatàna ny sisintany tamin'ny Alakamisy. Raha hatambatra dia mpandeha 1 200 no niandry nandritra ireo roa andro ireo, araka ny voalazan'ny pejy ofisialy momba ny vaovao fiampitàna ao Rafah, mbola miandry ny fahazoan-dalana hiampita ao Rafah ireo mpianatra palestiniana an-jatony. 

Tamin'ny Alarobia (18 Septambra), nikarakara sit-in ny vondrona mpianatra palestiniana, mitaky ny hanokafana ny sisintany mba ahafahan'izy ireo manatrika lesona sy fanadinana mbola tsy natrehina. Mbola maro ireo mihitsoka ao amin'ny sisintany.

Anisan'izany i Shahd Abu Salamah, izay nibilaogy ny fijaliany. Hoy i Abu Salamah, mianatra any Tiorka nisioka:

 

Ry namana fiampitàna ao #RafahBorder, tsy nomenao hery hanao zavatra aho, tsy mahazo aina, miahiahy foana, tsy mahita tory. Omeo alalana aho! Avelao aho hivoaka.

Tao amin'ny bilaoginy, hoy izy nanazava:

I have tried many times to write about my experience at the closed Rafah border crossing with Egypt that has left thousands of people in Gaza stranded. Every time I start, a deep sigh comes over me. Shortly after I feel paralyzed, and finish by tearing apart my draft. I have never found it this difficult to write about a personal experience. No words can capture all the suffering and pain our people in Gaza deal with collectively under this suffocating, inhumane Israeli-Egyptian siege.

As I write, I am supposed to be somewhere in the sky, among the clouds, flying to Istanbul to begin my graduate studies. But I could not catch my flight, as I am still trapped in the besieged Gaza Strip, sitting in darkness during the power cuts caused by fuel crisis, trying to squeeze out my thoughts during what is left of my laptop’s charge.

Imbetsaka aho nanandrana nanoratra momba ny zava-niainako tao amin'ny fiampitàna ao Rafah mankany Ejipta izay namela olona an-jatony mihitsoka ao Gaza. Isaky ny manomboka hanoratra aho, mameno ahy ny sento lalina, fotoana fohy avy eo, mahatsiaro malemy aho, ary lasa mandrovitra ny taratasy hanoratako mihitsy no iafarany. Mbola tsy nahita aho fa sarotra toy izany ny manoratra ny zava-niainana manokana. Tsy misy teny mahafoaka ny fijaliana sy fahorian'ny vahoakanay ao Gaza noho ity fahirano manempotra sy tsy mitsinjo ny maha-olona ataon'i Israely-Ejipta ity.

     Amin'izao fotoana hanoratako izao, tokony eny amin'ny lanitra no misy ahy, ao anatin'ny rahona​​, mandeha misidina hoany Istanbul mba hanohy ny fianarako ambony. Saingy tsy afaka mandray fiaramanidina aho, mbola mihitsoka eto Gaza natao fahirano aho, mipetraka anaty aizina mandritra ny fahatapahan-jiro nateraky ny krizin-tsolika, ary miezaka mamoaka ny ato an-tsaiko mandrapaha-tapitry ny faharetan'ny vatoaratry ny solisaiko fitondra mandehandeha.

Nofaranany toy izao ny lahatsorany:

This experience made me believe that human dignity has become a joke. International law is nothing but empty, powerless words printed in books. We are denied our right to freedom of movement, our right to pursue our education, our right to good medical care, and our right to be free or to live in peace and security. But no one in power bothers to act.

[…]

Our people’s tragedy caused by the ongoing closure of Rafah border continues, and the crisis is deepening. Living in Gaza under these circumstances is like being sentenced to a slow death. Act and set us free. It is time for these injustices we face on a daily basis to end.

Nahatonga ahy hino ity zava-niainana ity fa lasa vazivazy ny fahamendrehan'ny olombelona. Tsy misy dikany ny lalàna iraisam-pirenena ary teniteny foana, tsy misy heriny no avoaka amin'ny boky. Lavina ny zontsika hanao fihetsiketsehana an-kalalahana, ny zontsika hanohy fianarana, ny zontsika hahazo fitsaboana, ary ny zontsika hanana fahalalahana na hiaina am-pilaminana sy ao anatin'ny fandriampahalemana. Saingy tsy misy olona misahirana mba hanao zavatra ao amin'ny fitondrana.

[…]

Mbola mitohy ny tantara mampalahelo mahazo ny vahoaka noho ny fanakatonana ny sisintanin'i Rafah, ary miha-lalina ny krizy. Toy ny voaheloka ho faty miadana ny miaina izao toe-javatra izao ao Gaza. Manaova zavatra ary afaho izahay. Fotoana izao hampitsaharana izao tsy rariny hatrehintsika isan'andro lava izao.

Manana diplaoma literatiora anglisy tao amin'ny Oniveriste Islamika ao Gaza i Malaka Mohammed. Mbola mianatra izy ankehitriny ary haka diplaoma master momba ny politika sy lalàna iraisam-pirenena ao amin'ny Oniversiten'i Sheffield ao Angletera. Zarainy ao amin'ny Electronic Intifada ny tantarany:

“After ten hours of protest and anticipation, the room of more than 1,800 passengers was brought to a standstill with an anti-climatic announcement made by one of the police officers: “You have to leave; we have finished our work for today. Come tomorrow and maybe you will be able to travel.””

Folo ora taorian'ny fihetsiketsehana sy ny fitsinjovana mialoha , nataon'ny fanambarana milaza toetr'andro ratsy nataon'ny polisy ireo ireo mpandeha maherin'ny 1800 iray efitra:”Tsy maintsy miala ianareo, efa vita ny asanay androany. Tongava rahampitso fa angamba mety ho afaka handeha ianareo. “”

Obaida Aainaldain, mpianatra hafa ao Gaza te-hanohy ny fianarany any Torkia, saingy tsy afaka mandeha any. Hoy izy nibilaogy ny tantarany [ar]:

ظللنا ننتظر الساعة تلو الاخرى، بلا فائدة، حتى إنتهى دوام الموظفين دون فائدة تذكر للطلاب سوى تسجيل أسمائهم بطريقة فوضوية مزعجة.
في سياق اخر وجدنا كثيرًا من الحالات الإنسانية العالقة، شخص كبير يبكي بكاءًا حارًا لأن مديره في العمل هدده بالطرد إن لم يصل خلال اسبوع، والآخر طالب طب يندب حظه لأنه تأخر عن إمتحانه المؤجل وعليه أن يعيد السنة كاملة

Niandry ela izahay ary mbola niandry foana, tsy misy anton'asa, mandrapaha-vitan'ny mpiasa ny asany izay tsy misy tombontsoa ho an'ny mpianatra, ankoatra ny manontany sy manoratra ny anaranay amin'ny fomba mahasosotra.
Raha Amin'ny toe-javatra hafa, nahita tranga maha-olombelona maro izahay, lahy antitra iray mitomany satria nandrahona azy ny sefony fa horoahana izy raha tsy tonga miasa mandritra ny herinandro.
Ary ny iray hafa kosa mpianatra dokotera izay nitaraina satria tsy afaka nanala ny fanadinany efa nahemotra ary tsy maintsy hamerin-taona manontolo indray.

Nanao fanangonan-tsonia tao amin'i Avaaz ireo mpikatroka mba hitaky ny fanokafana ny sisintany. Nahangona sonia teo amin'ny 6000 teo ny fitakiana tao anatin'ny telo andro voalohany.

Taorian'ny fihonganan'i Morsi, efa nakatona in-telo mahery ny sisintany. Ary raha misokatra mandritra ny ora fohy ny sisintany Rafah eo anelanelan'i Ejipta sy Gaza, misokatra foana kosa ny sisintany Taba eo anelanelan'i Ejipta sy Israely. Araka izany, iharany fahirano roa ataon'i Israely sy Ejipta i Gaza, ka tafahitsoka ao anatiny sy ivelany ireo mponina ao Gaza. Mbola tafahitsoka hatrany ireo mpianatra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.