Manao Fikotonana Hanoherana Ny Lalàna Hanaramàna Vahiny Mpitsabo Ireo Mpitsabo Ao Panama

Esperando en un hospital en Calidonia, Panamá. Foto de ORBIS UK en Flickr (CC BY-ND 2.0)

Efitrano fiandrasana ao amin'ny hopitaly iray ao Calidonia, Panamá. Sary avy amin'ny ORBIS UK ao amin'ny Flickr (CC BY-ND 2.0)

[Mitondra mankany amin'ny fiteny Espaniôla ny rohy rehetra.]

Andiany iray ahitàna Panameana mpitsabo no nanao fitokonana tsy voafetra taorian'ny nandanian'ny Antenimieram-Pirenena ny volavolan-daàna iray nandritra ny fotoam-pivoriany faharoa, lalàna izay manome alàlana handray sy hanaràma mpiasa avy any ivelany ho amin'ny sehatry ny fitsaboana.

Andiany faharoa amin'io karazany io tato anatin'ity 2013 ity ilay fitokonana tsy voafetra natomboka tamin'ny 27 Septambra io.  Ny Kaomisionam-pirenena Panameana momba ny Fifampiraharahana ara-pitsaboana (Comisión Médica Negociadora Nacional, or COMENENAL) no nandray ilay fepetra.

Ireo mpisehatry ny fahasalamana dia milaza fa ilay Lalàna 611 dia mikatsaka ny hanome ho an'ny tsy miankina ny resaka fiahiana ara-pahasalamana. Na izany aza, napetrak'i Javier Díaz, Minisitry ny Fahasalamana, nazava tsara fa ny tanjona amin'ilay lalàna dia ny hanome tolotra ara-pitsaboana ho an'ireo tany lavitra andriana sy sarotra aleha ary ho an'ireo  izay tena mila izany nefa tsy manana fahafahana hankany amin'ny toeram-pitsaboana tsy miankina. La Estrella de Panamá dia mitanisa an'i Diaz ho niteny hoe, “Ary rehefa tsy afaka mandeha any aminà mpitsabo manampahaizana manokana ny olona iray, dia ny mankany amin'ireo toeram-pitsaboana tsy miankina no tsy maintsy ataony na mamonjy renivohitra. Tena tsy azoko veroka mihitsy hoe ny COMENENAL maniry ny tsy handaniana ity volavolan-dalàna ity ka tsy maintsy hitohy hitety ny Repoblika hanatona ireo toeram-pitsaboana tsy miankina hatrany ny olona eto.”

Mandritra izany, Mauro Zuñiga, mpitondra tenin'ireo avy amin'ny sehatry  ny fitsaboana, dia nanao fanambaràna iray tamin'ny Telemetro, nilaza fa “tsy voaaro tanteraka mihitsy ireo mpitsabo, ny mpanampy mpitsabo, ny teknisiana, ary ny matihanina rehetra amin'ny resaka fahasalamana eo ambanin'ity tolo-dalàna ity, satria very tanteraka ny fahamarinan-toeran'ny asany.”

Napetraky ny COMENENAL mazava tsara ihany koa fa, lavitra azy ny hanohitra ilay lalàna amin'ny maha-lalàna azy, fa ny toheriny dia ny fomba fiasan'ny governemanta. La Prensa mitanisa an'i Domingo Moreno, filohan'ny COMENENAL, toy izao manaraka izao: “‘Toherinay ny dingana izoran'ilay fandraisana hiasa, toherinay ny tsy fahampian'ny fanaraha-maso, ny fileferana tafahoatra, ary izany no antony itolomanay’. Tsapany fa efa ananantsika sahady ireo fitaovana ho entina mamaha ny olana. Kanefa, ny tsy fahampian'ny fahaiza-mamorona sy ny fandraisana andraikitra, ny fisalasalàna mitondra tahotra tsy hirosoana, izany rehetra izany no mitarika amin'ny toe-draharaha misy antsika ankehitriny, hoy ny fanamarihany.”

Lasa ratsy jery eny anivon'ny fiarahamonina ny tontolon'ny fitsaboana noho ireo fitakiany sy ny fitokonana matetika ataony. Iray amin'ireo resabe ny hoe,  amin'ireo mpitsabo, ny sasany dia sady miasa any amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana no miasa ihany koa any amin'ireo toeram-pitsaboana tsy miankina, ary manome lanja bebe kokoa ny toeram-pitsaboana tsy miankina misy azy ireny. Miaraka amin'ity fitokonana ity, ho very karama sy mpitsidika ry zareo, izay hilàna volana maro ny mamerina azy amin'ny laoniny avy eo.

Tao amin'ny Twitter, naneho ny tsy fenekeny ny fepetra noraisin'ireo mpitsabo ry zareo Panameana .

Misy tsy fahampiana mpiasan'ny fahasalamana efa ho maherin'ny 6.000 mila fenoina ao Panama, hoy Soraya Castellano miteny amintsika :

fitokonan'ireo mpiasan'ny fahasalamana noho ny fandaniana lalàna iray manome alàlana ny fanaramàna mpitsabo avy any ivelany. Tsy fahampiana mpiasa 6.000 amin'ny sehatry ny fitsaboana.

Manamarika zava-mahatsikaiky i Julio R. Gatica amin'ny trangan'ireo dokotera izay manidy ny klinikam-panjakana mba hahafahana manohy mampihodina ny klinika tsy miankina tantanany :

Anatinà “fitokonana tsy voafetra ataon'ireo mpiasan'ny fahasalamana isika izao”, saingy hikarakara anareo ihany izahay any amin'ny biraonay manokana… Mba marina, ry COMENENAL. Mahatsikaiky, sa tsy izany?

Kianin'i Francisco Alvarez io fepetra noraisin'ireo mpitsabo io (izay ny marary irery ihany no hizaka azy) izay avy eo manome tsiny ny Ministeran'ny Fahasalamana (Minsa) amin'izay vokatra mety haterany :

Tena mampalahelo ny fiantraikan'ity fitokonana tsy araka ny tokony ho izy sy mampandry adrisa ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana ity. Rehefa voateny mazava izay tomponandraikitra, fantatry ny vahoaka hoe iza no tokony homeny tsiny. @minsa_panama

Ireo Panameana hafa kosa mijery amim-pitserana ilay hetsi-panoheran'ny mpiasan'ny fahasalamana ary mahita ilay lalàna vaovao ho fiandohanà onjam-panafàrana mpiasa vahiny, toy izay anehoan'i José Gutierrez azy :

Androany ry zareo miezaka ny hampandany volavolan-dalàna iray hanafàrana mpitsabo, rahampitso ho anjaran'ny mpanampy mpitsabo, mpampianatra, mpisolovava, injeniera, mpiasan'ny fitaterana, mpiasa madinika sy ny sisa hafa koa.

Zavatra iray no azo antoka : na ny governemanta na ireo mpitsabo dia samy tsy nisy niomana ny hilefitra ao anatin'izao olana izay fitaratry ny fomba fanaon'ny governemanta amin'izao fotoana sy ny fanararaotana ataon'ireo mpisehatra amin'ny fahasalamana manoloana ny mpanjifa ny tolotra avy aminy izao. Hitohy ny fitokonana tsy misy fetra, ary ireo izay tena hiharany dia ho ny marary hatrany. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.