Tanàna Sinoa Iray Manasa Ireo Mpampiasa Aterineto Hitsara ny ‘Chinglish’-ny

Ny fikarohana ny fomba fiteny hoe “Chinglish” any anatin'ireny fitaovana fikarohana ireny dia mampiseho pejy mifanesy ahitana tarehin-tsoratra Sinoa tsy voadika tsara amin'ny teny Anglisy. [Fanamarihana: ny Chinglish dia azo avy amin'ny fanambàrana ny teny Chinese + English]

“bilaogy momba ny teny Sinoa”, anatin'ny lahatsorany antsoina hoe “tarehin-tsoratra Chinglish 20 mahalatsaky ny fihomehezana”, dia namaritra fa ny “Chinglish” dia vokatry ny fikasana hanao dika mivantana :

An example of Chinglish from Wikipedia. The original meaning is when there are thunderstorms / please do not climb the mountain. But the Chinglish sign says "Lighting-prone area/ Please do not climbing."

Ohatrana Chinglish avy ao amin'ny Wikipedia. Ny dikany tena izy dia hoe “rehefa misy kotro-baratra / miangavy anao tsy hianika ny tendrombohitra”. Nefa ny Chinglish dia milaza “faritra misy jiro/ Aza iakarana.”

Ny fiezahanao handika mivantana ny teny Sinoa ho amin'ny teny Anglisy dia hanome fehezanteny tahaka ny “I very like play basketball” (izaho tia tena milalao basketra)(我很喜欢打篮球 – wǒ hěn xǐ huan dǎ lán qiú) na koa “I with my friend together have dinner” (izaho miaraka sy ny namako misakafo) (我跟我的朋友一起吃晚饭 – wǒ gēn wǒ de péng yǒu yī qǐ chī wǎn fàn). Indraindray, vokatry ny fikasana handika mivantana ireo teny Sinoa ho an'ireo zavatra avy any ivelany izany. Izany no antony mahatonga ahy manana mpianatra manontany momba ny “Lahy antitry ny Krismasy” (圣诞老人 – shèng dàn lǎo rén – Dadabe Noely) sy ny “akoho may” (火鸡 – huǒ jī – vorontsiloza).

Nisy ireo ezaka maro tany aloha hampanjavonana ny Chinglish any amin'ireo tanàn-dehibe tahaka an'i Beijing sy Shanghai manoloana ireo hetsika tahaka ny Olaimpika 2008 sy ny Fampirantiana Eran-tany 2009. Na izany aza anefa, tsy dia nisy vokany loatra ireo hetsi-panentanana ireo.

Fa misy tanàna iray te-hanetsika izany indray. Nanan-kevitra ny hanaisotra ireo tarehin-tsoratra Anglisy diso i Shenzhen amin'ny alalan'ny fanasana ireo mpampiasa aterineto haka sary ireo tarehin-tsoratra diso ireo ary hamoaka izany ao amin'ny Weibo sy Wechat miaraka amin'ny teny famantarana @Shenzhen campaign E (@深圳E行動).

Araka ny tati-baovaon'ny TV any an-toerana [zh], maherin'ny 7.8 tapitrisa isan-taona ireo vahiny mpizahatany mitsidika an'i Shenzhen ary iray tapitrisa amin'izy ireo no hijanona ao Shenzhen mandritra ny enim-bolana mahery. Manodidina ny 20.000 ireo vahiny nahazo fahazoan-dàlana honina ka nipetraka tao amin'ilay tanàna. Hikarakarana ny fivoaran'ilay faritra maoderina fiaraha-miasa sy fanomezana tolotra any Qianhai, nikasa ny hanome politika tsaratsara kokoa ny tanàna, tahaka ny tsy fakàna hetra, tolotr'asa ary fari-piainana tsara kokoa, mba hisarihana ireo vahiny.

Natomboky ny Biraon'ny Raharaha Ivelany ao Shenzhen ity hetsi-panentanana ity ny 26 Septambra 2013 ary haharitra roa volana. Ampirisihana ireo mpandray anjara handefa sary any amin'ny biraon'io hetsi-panentanana io amin'ny alalan'ny mailaka, Weibo sy Wechat ary hanome fampahalalana momba ny toerana nangalana ilay sary, ireo antsipirian'ny hadisoana sy ny mety hahafahana mifandray amin'izy ireo. Homena taratasy fanamarinana/fankasitrahana, Rakibolana Sinoa-Anglisy ary fanofanana mianatra teny Anglisy maimaim-poana izy ireo.

Na dia naparitaka tanatin'ireo gazety lehibe tao an-toerana sy ireo fantsom-baovaon'ny fahitalavitra aza io hetsi-panoherana io, ary na dia napetaka tany an-tsekoly [zh] aza ireo peta-drindrina, dia toa tsy miraika firy amin'ilay izy ireo Sinoa mpampiasa aterineto, araka ireo fihetseham-po [zh] hita avy ao amin'ny Weibo. Raha ny marina dia tsy nahazo na valinteny iray aza ilay lahatsoratra voalohany momba ireo antsipirian'ilay hetsi-panentanana “Campaign E”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.