IBM Sy Cisco, Mamatsy Fitaovam-panaraha-maso An'i Brezila Ho An'ny Fiadiana Ny Tompon-daka Eran-tany.

"Gigantes da vigilância de olho no Brasil". Um infográfico interativo da Agência Pública dá a conhecer as empresas que lucram com o mercado mundial de espionagem e como elas estão vigiando o Brasil

“Mijery an'i Brezila ireo Goavan'ny Fanaraha-maso”. Fanehoana an-tsary azo tetezina, avy any amin'ny “Agência Pública” no maneho ireo orinasa izay mahazo tombotsoa amin'ny alalan'ny tsenan'ny fitsikilovana eran-tany sy ny fomba fijeren'izy ireo an'i Brezila.

 

[Mitondra any amin'ireo pejy amin'ny fiteny Portiogey ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana manokana.]

Ity lahatsoratra ity, avy amin'i Bruno Fonseca, Jessica Mota, Luiza Bodenmüler, ary Natalia Viana, dia navoaka voalohany tamin'ny 6 Septambra 2013 tamin'ny alalan'ny Agência Pública ho toy ny ampahany amin'ny fandrakofany manokana #SpyFiles3. Vakio ny andiany voalohany amin'ity andian-tantara ity: Lasa Tsena Malaza Ho An'ny Teknolojian'ny Fanaraha-maso i Brezila Alohan'ny Amboara Eran-tany  [en].

Araka ny IMS Research [en], orinasa mpikaroka momba ny tsenam-barotra, Brezila dia tsena goavana ho an'ireo fitaovana fanaraha-maso amin'ny alàlan'ny vidéo any Amerika Latina (manome ny 45% ny fitambarany hatramin'ny 2014), vao miha-goavana aza noho ireo hetsika goavambe efa voaomana. Oliver Philippou, mpanoratra ilay fandalinana [en], dia nilaza hoe :

Equipamentos de vigilância serão usados para os dois maiores eventos de esporte no mundo a Copa do Mundo de 2014 e as Olimpíadas de 2016; em um grande número de projetos de infraestrutura no Brasil; e diversos projetos de vigilância extensiva nas cidades.

Ho ampiasaina amin'ireo hetsika roa goavana ara-panatanjahan-tena eto ambonin'ny tany ny fitaovana fanaraha-maso, ny amboara eran-tany 2014 sy ny lalao Olaimpika 2016; amin'ireo tetikasanà foto-drafitr'asa marobe any Brezila, ary ho an'ireo tetikasa samihafa fanitarana araka izay tratra ny fanaraha-maso any amin'ireo tanàna.

Hatramin'ny 2010, ny orinasa Amerikanina IBM izay miparitaka eran-tany [en] dia nanandrana nivarotra tamin'ny Governemanta Brezilianina ny heviny momba ny “tanàna maoderina/mivoatra kokoa” miaraka amin'ireo vahaolana ara-tekinolojika momba ny fitateram-bahoaka, ny herinaratra, ary mitombo miand-dàlana mankany amin'ny fandriampahalemana. Tamin'io taona io ihany koa, nanohana “fampisehoana an-dalam-be” iray nataon'ny Fikambanan'ny Mpivarotra Nasionaly (Confederação Nacional de Dirigentes Lojistas) tao amin'ireo tanàna 12 hampiantrano ny amboara eran-tany ary nisafidy an'i Cezar Taurion, tompon'andraikitry ny teknolojia vaovao ao aminy, ho mpandray anjara amin'ny lahatsoratra ho an'ny tranonkalan'ny World Cup 2014 [en], araka ny tranonkalan'ny IBM, mba :

debater como a tecnologia pode ajudar a desenvolver a infraestrutura das cidades brasileiras e prepará-las para a Copa do Mundo de 2014, ajudando a torná-las mais inteligentes.

hitafatafa momba ny fomba ahafahan'ny teknolojia manampy hampivoatra ny foto-drafitr'asa any amin'ireo tanàna Brezilianina sy manomana azy ireo ho amin'ny Amboara eran-tany 2014, manampy azy ireo hivoatra kokoa.

Mendrika ny ezaka vita ny vokatra : dia nanjary tompon'andraikitra amin'ny fanaingoana ny Foibe Fibaikoana sy Fanaraha-maso ara-teknolojika izay ivangongoan'ireo fanapahan-kevitra rehetra mahakasika ny fandriampahalemana mandritra ireo lalao ireo ny IBM. Ao amin'ireo foibe ireo, manara-maso ny zavatra rehetra eny an-dalambe manodidina ny kianja eny ireo fakan-tsary lehibe eny amin'ny làlana manodidina ny kianja mba hanangona rakitra, ho fanampin'ny firaketana an-tsarin-tany ireo lozam-pifamoivozana. Ary any “Rio de Janeiro” sy “Minas Gerais”, nanana andraikitra lehibe ry zareo tamin'ny tetika famoretana nataon'ireo mpitandro filaminana  tamin'ireo hetsi-bahoaka goavana tamin'ny volana Jona 2013. Miara-miasa ao amin'ireny foibe ireny daholo ny mpitandro filaminana, ny polisy manao akanjo sivily, ny mpamono afo, ny Andianà mpitsabo mpanao vonjy taitra ivelan'ny toeram-pitsaboana na “Medical Mobile Emergency Assistance (SAMU)”, ny polisy federaly, ny polisy miasa eny amin'ny lalambe mivoaka ny tanàna (autoroute), ny polisy monisipaly, ny mpiambina sivily, sy ny Orinasa Manam-pahaizana Misahana ny Fifamoivozana.    

Raha atambatra, mahatratra hatrany amin'ny 104.5 tapitrisa “reais” Brezilianina any ho any (eo ho eo amin'ny 44 tapitrisa Dollara Amerikanina) no vidin'ireo zavatra napetaka ao Rio – 70 isan-jato naloan'ny governemantam-panjakana ary ny 30 isan-jato avy amin'ny governemanta federaly, araka ny voalazan'ny governemanta monisipalin'ny Rio. Ny IBM no nanolotra ny fitaovana, ny lozisiely, ny resaka antontan'isa, ary ny fikarohana. Ny Cisco no niantoka ny fitaovam-pifandraisana ilain'ny tambajotra sy ny fitaovana fanantontosana fivoriana mampiasa sary sy feo izay mampifandray avy hatrany ny foiben'ny fandraharaha amin'ny tranon'ny ben'ny tanàna. 

Notokanana tamin'ny faran'ny volana Mey 2013 teo ilay toerana, herinandro vitsy talohan'ny nanombohan'ireo hetsi-panoherana sy ny lalao baolina kitra hiadiana ny Amboaran'ny Konfederasionina. Noho io andro io, noarahabain'ny Minisitry ny Lalana Breziliznina José Eduardo Cardoso ho ” asa mahagaga noho ny teknolojiany sy ny fomba fiasany” ilay asa ary hoy izy hoe: 

Este centro é exemplo para o mundo. A segurança pública do país ganha em qualidade, é um legado que vai ficar para a sociedade brasileira após os grandes eventos.

Ohatra iray ho an'izao tontolo izao ity foibe ity. Mitombo ny kalitaon'ny fandriam-pahaleman'ny tanàna, lova hijanona ho an'ny fiarahamonina brezilianina aorian'ireo seho goavana io.

Azon'ny IBM ihany koa ny fifanarahana hametrahana ireo Foibe 27 Fibaikoana sy Fanaraha-maso Mandehandeha (fantatra amin'ny fanafohaizana anarana Portioge hoe CiCCM), tetikasa iray an'ny Sekretarià Manokana misahana ny Fandriam-pahalemana ho an'ny Seho Goavana (fantatra amin'ny fanafohezana anarana Portioge SESGE), miaraka amin'ny orinasa “Rontan” sy “Medidata”, hatramin'ny Cisco. Misy kamio 27 miaraka amin'ny teknolojiam-baovao, fitaovam-pifandraisana, ary fanarahamaso amin'ny alàlan'ny vidéo ny fiadiana ny amboara eran-tanin'ny baolina kitra 2014 izay hiasa tahàka toerana fibaikona sy toerana fanaraha-maso ampiasain'ireo olona mpisehatra  avy amin'ireo hery voatanisa ery ambony. Nanamafy i Rodrigo Dientsmann, filohan'ny Cisco ao Brezila, hoe:    

O centro móvel será fundamental para a gestão da segurança durante os grandes eventos ao reunir o que há de mais eficaz em tecnologia para respostas rápidas à incidentes e ameças.

Ilaina be ilay foibe mandehandeha ho fitandroana ny fandriam-pahalemana mandritra ireo seho goavana amin'ny alalan'ny fankambanana ny teknolojia tena mitondra vahaolana mba hihetsehana malaky amin'ireo loza sy fihantsiana.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny fandraisan'ireo orinasa avy any ivelany anjara amin'ny fanaraha-maso any Brezila, jereo ny vaovao any amin'ny faran'ny tantara orijinaly , amin'ny teny Portioge.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.