‘Karamaina Ohatrinona Ianareo?’ Hoy Ireo Tanora Nizeriana Manontany Ny Mpikambana Ao Amin'ny Parlemantany

Ny 27 Septambra 2013, anjatony ireo tanora Nizeriana no nidina an-dalambe, na ny marina kokoa nankany amin'ny tranon'ny Antenimieram-Pirenena mba haneho ny tsy hafalian-dry zareo mikasika ny karama midangana sy ny tombontsoa omena ireo mpanao lalàna.

#OurNASS (Our National Assembly) dia hetsika iray an'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Nizeriana Enough is Enough (Ampy tena ampy) sy Nizeriana mpisera anaty aterineto vitsivitsy. Takian-dry zareo ny hisian'ny fisokafana bebe kokoa amin'ny resa-bola avy amin'ny sampana mpanao lalàna manjavozavo ity :

OURNASS

ANGATAHANAY

  1. ny fitsinjarana feno sy avy hatrany ny vola 150 lavitrisa Nairas natao ho azy ireo ho an'ny taona 2013.
  2. ny fanaovana tatitra momba ilay 1000 lavitrisa Nairas azo hatramin'ny 2005 mialohan'ny fialantsasatra manaraka amin'ny Desambra.
  3. Fomba fifandraisana mandeha araka ny tokony ho izy – laharana, adiresy mailaka sy adiresin-trano misy ny birao fiasan'izy ireo.
  4. Ny antontan-taratasim-pifidianana REHETRA momba ny fanitsiana REHETRA araka ny lalam-panorenana.
  5. Takianay ny hanaovana ho fanta-bahoaka ny fandraisam-pahatongavana mamonjy fivoriana isaky ny fotoam-pivoriana tsirairay.

Ny hamaritra marina ny tarehimariky ny vola azon'ny mpanao lalàna, tahaka ny ankamaroan'ireo olana izay mila angon-drakitra mitombina/azo antoka tsara ao Nizera, dia azo lazaina ho “iraka tsy ho efa”. Na izany aza anefa, i Akin Akintayo Nizeriana bilaogera sady mpikirakira vaovao dia manome tsipalotra toy izao :

Ny hiodidinana ny sakana tsy hahafahana mijery ny karaman'ireo Nizeriana mpanao lalàna dia asa sarotra tanteraka izay tsy misy na iray aza amin'ireo fikambanana manana anjara asa fanaraha-maso mahavita mandray an-tànana azy.
 
Kanefa, rehefa nabaribarin'ny “The Economist” ny karama mihoam-pampanan'ireo Loholona Nizeriana herinandro vitsy lasa izao, tahaka izay nosoratako ao amin’ity bilaogy ity, dia nanaraka avy hatrany ny fampiakaram-peo, indrindra fa tety anivon'ny media sosialy izay nidika hoe tsy ho vita ny hinia tsy mahalala ary misy zavatra tsy maintsy hatao.
 

Inona no naboraky ny “The Economist” ? Amin'ny fanoratana tao amin'ny “Nigeria Village Square”, manazava i Femi Ajayi :

Ny gazetiboky “The Economist” dia namoaka ho fantatry ny rehetra fa ireo mpanao lalàna federaly Nizeriana, miaraka amin'ny vatakaràna $189,500.00  isan-taona (N30.6m), no mpanao lalàna be karama indrindra eran'izao tontolo izao. Ny nijereny ny vatakaraman'ireo mpanao lalàna dia toa ny fampitahàna ny Harin-Karena Faobe isam-batan'olona manerana izao tontolo izao. Araka ilay tatitra, ny vatakaraman'ny Nizeriana iray mpanao lalàna (tsy tafiditra anatin'izany ireo tamby azo tsinontsinoavina) dia in-116 avo heny amin'ny Harin-Karena Faobe isam-batan'olona ao amin'ilay firenena $1,600.00.

Anaty tatitra iray hafa, ireo 469 mpanao lalàna federaly (loholona 109 ary 360 mpikambana ao amin'ny antsoina hoe Chambre des Représentants) dia andoavan'i Nizeria maherin'ny 76 lavitrisa Nairas karama isan-taona, tamby sy vola fandray isan-telovolana. Ny mpikambana tsirairay amin'ireo kaomisiona 54 mijoro ao anatin'ny Antenimieran-doholona dia mandray vola isam-bolana eo anelanelan'ny 648 tapitrisa Nairas sy 972 tapitrisa Nairas isan-taona, raha ho an'ny mpikambana ao amin'ny Chambre des Représentants kosa 35 tapitrisa Nairas hatramin'ny 140 tapitrisa nairas ny tambin-karama isan-telovolana na isan-taona; izay midika fa vinavinaina ho eo amin'ny 25 isan-jaton'ny fandaniana ankapobeny amin'ny tetibolan'ny firenena no lasa mankany amin'ny Antenimieram-Pirenena (NASS).

 
Ameh Ejekwonyilo ao anatin'ny matoan-dahatsoratry ny Rise Networks (orinasa sosialy Nizeriana iray manome vàhana ny tanora sy ny TIC) dia mampahatsiahy fa :
[…] ho takatry ny tsirairay ny antony nitakian'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny hanaisorana an'i Lamido Sanusi Lamido, Governoran'ny Banky Foibe, izay niteny indray andro izay hoe 50 isan-jato amin'ny tetibolam-panjakana no lasan'ireo mpanao lalàna federaly. Raha ampivadianao ny tarehimarika tery ambony amin'ny tetibolantsika amin'izao fotoana izao, hohitanao mazava fa ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena no tena vesatra ho an'i Nizeria; satria ry zareo no mandidy amin'ny volam-bahoaka, ary maka ny volam-bahoka ho azy ireo manokana, manao tantely afa-drakotra mangalatra amin'ireo vahoaka jamba.
 
Ny valinkafatr'ireo mpampiasa Twitter mikasika ny hetsiky ny #OurNASS dia mazava ho azy fa miovaova be. Kolawole Osafehinti (@kolaosafehinti), injeniera fakan-kevitra, dia nanontany tena hoe :

Ahoana eto ambonin'ity tany ity no hahafahana manamarina karama 300 tapitrisa/taona ho an'olona 360 ka hamelàna vahoaka 120 tapitrisa ho anaty fahantrana? Ahoana? #OurNASS

— Kolawole Osafehinti (@kolaosafehinti) 22 Septambra 2013

Royal Amebo (@RoyalAmebo) nanamarika hoe :

Nakarina ho 27 tapitrisa Nairas ny tamby fanome isan-telovolana ho an'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny Chambre des Représentants tamin'ny Martsa 2012. dia mbola hitazana hatrany ny #OurNASS ve isika?

— Ask#OurNASS•26/09/13 (@RoyalAmebo) 21Septambra 2013

Nnamdi Anekwe-Chive (@nnamdianekwe), manampahaizana manokana amin'ny resaka fiarovana, dia te-hahafantatra hoe mba nahavita inona moa ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta :

Samy tsy fahombiazana tambabe daholo ry zalahy mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena ao. Inona no mba zava-bitany hatramin'ny 1999 afa-tsy ny mifampizara vola an-davitrisa?

— Nnamdi Anekwe-Chive (@nnamdianekwe) 18 Septambra 2013

Zainab Usman (@MssZeeUsman), mpanoratra sady bialogera, nanoratra hoe :

Mitaky mangarahara sy fandraisana andraikitra avy amin'ny Antenimieram-pirenena ireo tanora Nizeriana #ournass pic.twitter.com/8egSN9buUH

— Zainab Usman (@MssZeeUsman) 26 Septembra 2013

Emerie Udechukwu (@emerieconqueror) nizara rohy mankany aminà lahatsary iray avy amin'ilay hetsi-panoherana :

Taratasy fandraisan-karama efa lany andro taloha elabe no natolotr'ireo Loholona ho an'ireo mpanao hetsi-panoherana avy amin'ny #ournass http://t.co/dpKkdnUCIK

— Emerie Uduchukwu (@emerieconqueror) 27 Septambra 2013

 

Nanohana ilay hetsi-panoherana i Nuhu Ribadu(@NuhuRibadu), filoha teo aloha tao amin'ny masoivoho Nizeriana miady amin'ny kolikoly :

Eny, ilaintsika ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra amin'ny sehatra rehetra. Tohanako tanteraka ny fanaovana ampamoaka #OurNASS

— Nuhu Ribadu (@NuhuRibadu) 26 Septambra 2013

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.