Mibilaogy Ho An'ny Fahafahana Amin'ny Fetim-pirenen'i Arabia Saodita

Nanamarika ny fetim-pireneny i Arabia Saodia tamin'ny 23 Septambra. Na dia andro fankalazan'ny vahoaka kokoa ny fitondrampanjaka aza izany fa tsy ny firenena, tsy tahaka izany kosa ireo fetim-pirenena roa andro lasa. Afaka naneho hevitra maimai-poana ireo Saodiana tamin'ny alalan'ny fampiasana tambajotra sosialy sy bilaogy, nibilaogy ny fanantenanan'izy ireo hanana firenena manaja sy mifankatia amin'ny vahoaka mbamin'ny fanirian'izy ireo.

Mpanoratra sady Dokotera, Bader Al-Ibrahim nanoratra hoe:

Tsy ampy ny fankalazana manao karnavaly mba hanamafisana ny fahatsapana fiombonam-pirenena raha tsy misy fahatsiarovam-bahoaka, fahatsapana iraisana ary ny fanohanana ny maha-olo-pirenena.

Jordaniana mpandala ny zon'olombelona, Fadi Al-Qadi, nisioka hoe:

Mankalaza ny fetim-pirenena Saodiana any am-ponja i Abdullah Al-Hamed sy ireo namany ao amin'ny ACPRA. Iray amin'ireo fiampangana azy ireo ny “fanohintohinana ny fampandrosoana” raha toa kosa ka “fanohintohinana ny maha-olona» no fiampangana ara-pitondra-tena.

Mpanoratra Abdullah Al-Malki nisioka hoe:

Amin'ny fetim-pirenenay, mahatsiaro ireo mpikamban'ny ACPRA izahay, Al-Hamed, Al-Qahtani, Al-Bjadi, Tawfeeq Al-Amer, Al-Mnasif ary ireo reformista ao Djeddah sy izay rehetra nitolona ho an'ity firenena ity ho amin'ny fanovana sy ny firoboroboana.

Eman Al-Qaffas kosa nanamarika hoe:

Olona tsy tia tanindrazana izay mihevitra fa mila fitiavana ny governemantany ny fitiavana ny fireneny.

Rehab Al-Hamdan nanampy hoe:

Mahatsapa tena kokoa ny vahoaka ankehitriny. Tsy hamitaka azy ireo intsony ny teny tsy misy dikany.

Bilaogera maro nizara ny heviny mikasika ny fetim-pirenena amin'ny fomba fijery samihafa.

Sultan Al-Amer, mpanoratra sady bilaogera, nanoratra avy amin'ny fijerinà nasionalista Arabo.

إن تاريخنا “القومي” كعرب ليس محصورا بحدود الدولة السعودية وتاريخها.
إن تاريخنا القومي هو تاريخ الشعوب الممتدة من الخليج إلى المحيط وليس تاريخ الأنظمة فقط.
وإن معنى “الوطن” لا يمكن الاحتفال به قبل تجسيده كحقوق سياسية وحريات.
وإن الأنظمة الحاكمة تستطيع بسهولة أن تبني شرعية متينة إذا تحولت إلى أنظمة مدافعة ومنحازة لقضايا أمتها ومستجيبة لآمالها وتطلعاتها.

Tsy voafaritry ny sisintany sy ny tantaran'ny Arabia Saodita ny tantaram-pirenena amin'ny maha-Arabo antsika. Ny tantaram-pirenentsika dia ireo olona monina eo anelanelan'ny helodrano sy ny ranomasimbe [Atlantika] fa tsy ny tantaran'ny fitondrana ihany. Tsy mety ankalazaina ny dikan'ny hoe “firenena” raha tsy hita mivaingana ny zo politika sy ny fahalalahana. Afaka mametraka mora foana ny maha ara-dalàna azy ny fitondrana raha manomboka miaro sy manohana ny fitakian'ny vahoaka ary manome fahafaham-po ny hetahefa sy ny fanantenan'izy ireo.

Mpanao gazety sady mpanoratra nasionalista, Abdullah Al-Duhailan kosa namoaka lahatsoratra bilaogy mitsikera karazan'olona roa. Ireo avara-pianarana tsy manaiky hankalaza izany fety ny iray mandra-pisian'ny valiny mahafa-po amin'ireo fitakiana ara-politika sy ara-sivily. Ny iray hafa kosa dia ny ankamaroan'ny vahoaka izay mamaly ny fampielezan-kevitry ny media ka mankalaza olona sasantsasany fa tsy ny firenena loatra.

Nanararaotra ity andro ity hanentanana momba ny zava-mahazo azy ny fianakavian'ireo gadra. Vondrona mpiaro tsy mitonona anarana antsoina hoe @e3teqal [sambotra] sy @almonaseron [mpanohana] niantso hanaovana fihetsiketsehana madinika maromaro indrindra fa ao Buraiydah.

From the women's protest in Buraydah

Vehivavy mpanao fihetsiketsehana ao Buraiydah

Nisy ny kodiarana may teny amin'ireo faritra tsy misy mipetraka, ahitana afisy eo akaikin'izany mitaky ny famotsorana ireo gadra. Nisy famoriam-bahoaka koa natao tao Byraiydah izay nihaonan'ireo fianakavian'ny gadra sy niresahan'izy ireo izay fomba azo atao hanohanana ireo gadra. Anisan'ireo fianakaviana vitsy manana trano voahodidin'ny fiaran'ny polisy noho ny fanantonana ny sarin'ireo havany gadra Ny fianakavian'i Abdulkarim Al-Khuder, gadra mpikambana ao amin'ny ACPRA.

Mahdi Al-Zahir, mpikatroka avy ao Qatif, nisioka hoe:

 Te-hankalaza ny fetim-pirenena aho. Saingy any am-ponja ireo rahalahiko, any am-ponja ny rahalahiko tsy iray tampo (cousin), any am-ponja ny namako, eny fa na dia ny mpifanolo-bodirindrina amiko aza any am-ponja.

Namoaka fanambarana [ar] mitaky ny famotsorana ireo gadra rehetra noho ny fanehoa-kevitra sy mitaky ny hanaovana fihaonambem-pirenena eo amin'ny governemanta sy ireo solontena voafidim-bahoaka ny  Fikambanana zo politika sy sivily Saodiana.

وإن هذا الشعب كباقي الشعوب فيه من هو مستعد للنضال السلمي للوصول للحقوق المشروعة والسجون لن تكفي فكلما سجن فوج جاء فوج آخر … فأما الحكومات وأحيانا الدول تتغير وتبقى الشعوب.

Misy olona ao amin'ity firenena ity, tahaka ny hafa rehetra, izay vonona hanohy ny tolona milamina mandra-pivalian'ny fitakian'izy ireo. Tsy ho ampy intsony ny fonja. Isaky ny misy vondrona ampidirina am-ponja, misy ny vondrona hafa mivoaka….Miova ny governemanta ary indraindray ny firenena, fa ny olona kosa mijanona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.