Loza Mananontanona Ny Kianjan'i Tokyo Ny Lalao Olaimpika Hazakazaka Vohy Làkana

Photo of Kasai Rinkai Park by flickr user Yuichi Sakuraba

Sarin'ny Kianja Kasai Rinkai Park by Flickr user Yuichi Sakuraba (CC BY-NC 2.0)

Olona maherin'ny 13.000 no nanao sonia tao amin'ny Change.org ny fanangonan-tsonia [ja] manainga ny governoran'i Tokyo sy ny Kaomity Olaimpika Japoney tsy hanimba ampahany amin'ny kianja Kasai Rinkai mba hanorenana kianja fanaovana fifaninanana mitaingin-dàkana.

Maminavina ny hanorina kianja fanaovana fifaninanana vohy làkana ho an'ny lalao Olaimpika Tokyo 2020 eo i Tokyo sy ny Kaomity Olaimpika Japoney, na teo aza ireo 25 taona nanaovan'ny Kianja Kasai Rinkai ezaka fifanantonana hamerenana indray ny fahasamihafàn'ny zava-miaina efa very tao noho ny fandrosoana sy ny fandotoana.

Ny mpikarakara ilay fanangonan-tsonia dia mamariparitra [ja] ny hatsaràna sy ny fahasamihafàn'ny natiora hita ao amin'ilay kianja :

東京都が世界に誇る都市の中の自然公園です。公園の池や草むらや松林には、野鳥226種、昆虫140種、クモ80種、樹木91種、野草132種、絶滅危惧種に指定されているクロツラヘラサギもいます。多くの家族が憩い、自然とふれあい、サイクリングや散歩道を楽しみ、大都会の疲れを癒しています。

Kianja manana ny laharany eo amin'izao tontolo izao ny Kianja Kasai Rinkai ao Tokyo. Ao anatin'ny farihiny, ireo faritra  rakotra bozaka ary alan-kesika, karazam-borona 226, karazam-bibikely 140, hàla 80, hazo 91, ary karazan-javamaniry dia miisa 132 no mivelona ao. Afaka mahita karazana Vano mainty tava aza ianao ao, izay efa voasokajy ho isan'ny biby mety ho lany tamingana. Tonga eo hanàla ny ràrin-tsainy avy any an-drenivohitra ny fianakaviana maro, ary manao fitetezana an-tongotra na am-bisikilety mba hankafizany ny natiora.

Ny Orinasa Japoney misahana ny Fiarovana ny Voron-dia dia nametraka fangatahana [ja] tany amin'ny Governoran'ny tanànan'i Tokyo sy ny Kaomity Olaimpika Japoney tamin'ny faramparan'ny Aogositra mba hanovàn'izy ireo ny drafitra hampiasàna ny Kianja Kasai Rinkai ho an'nhy hazakazaka fitaingenan-dàkana.

Eiki Sato, mpanao gazety momba ny Fiainana an'ala sy ny biby, dia nanoratra hafatra iray ho an'i Naoki Inose, Governoran'i Tokyo, tao amin'ny bilaoginy [ja]:

葛西臨海公園は、猪瀬さんがよくご存じのように、東京都が 東京湾沿岸の汚染や埋め立てで“破壊された自然環境を再生しようと” 作った公園です。(略) 葛西臨海公園の面積の約半分は、カヌーの競技場とその施設になるという 計画なんですね。 (略) 25年もかかって取り戻した都会の中の切ない大自然。25年ですよ、 一瞬でぶっ壊して大金を使う算段なんですよ。 あの場所に、高さ9メートルの長い長いコンクリの壁でできた1万人導入の観客席の塀、似合わない事は、あなたが一番イメージできてるでしょう。

Ry Inose, Governora hajaina, araka ny mety ho efa fantatrao tsara ihany, ny Kianja Kasai Rinkai dia kianja iray naorin'ny Governemantan'ny tanànan'i Tokyo tao anatin'ny  “tanjona hamerenana manorina tontolo iainana natoraly eto Tokyo izay simban'ny fahalotoana sy ny fangatahana tany ho fanorenana”. […] Ny vinavina ho an'ny Lalao Olaimpika Tokyo 2020 dia hoe hampiasa ny antsasaky ny kianja ry zareo ho an'ny fifaninanana hazakazaka mitaingin-dàkana sy ny fotodrafitrasa mifanaraka aminy. […] Fihetsika kely monja avy amin'ny peninao manome alàlana ny famatsiam-bola an-tapitrisa, dia hanimba ny natiora izay tsy nitandroan'ny olona ny ainy ny famerenana azy nandritra ny 25 taona. Ry Governora hajaina, azoko antoka fa ho mora aminao ny haka sary an-tsaina hoe ny Kianja vinakin'ny lakandrano iray sy misy rindrina avo efa ho sivy metatra afaka handraisana mpijery 10.000 dia tsy ho sahaza ity toerana miavaka loatra ity.

Nalaky nozaraina tety amin'ny tambajotra sosialy ity lahatsoratra ity ary nahasarika sain'olona maro, nahatonga ny fivezivezeny hiakatra maheriny ny 200.000 ka 59.000 amin'izany dia avy amin'ny Facebook.

Afaka mahita ireo natiora zara raha hita ao Tokyo nalain'i Eiki Sato sary ato amin'ny bilaoginy ianao [ja].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.