Tsy Hangina Intsony: ” Pakistana Hafahafa”

“Azafady mba lazao ahy, misy mpitsabo afaka ny hanampy ahy ho lasa ‘hétéro’ ve ?” Io no iray amin'ireo fanontaniana ao amin'ny sehatra ifanakalozan-dresaka amin'ilay Queer Pakistan (@QueerPK), na Pakistana Hafahafa, tranonkala nisokatra vao tsy ela mikendry ny hitondra fanohanana ho an'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBT ao Pakistana, sy hanomboka fifanakalozan-dresaka mikasika ilay lohahevitra izay norasina ho zava-pady tao anatin'ilay fiarahamonina hoe heloka ara-pinoana sy raràn'ny lalàna ny fifanambadian'olona mitovy fananahana.

Niresaka tamin'ny Global Voices momba ny tanjony, saingy tsy nitonona anarana, ny iray tamin'ireo mpanorina ilay tranonkala.

Natolotra tanatinà lahatsoratra iray antsoina hoe “Arahaba daholo! Mamelà ahy hanolotra ho anareo ny Pakistana Hafahafa”:

Mba impiry ianareo no nandre ny teny hoe pelaka Pakistane? Na Pakistane hafahafa? Mety ho mahalala kokoa ny fomba filaza fanambaniana nampiasan'ny ao an-toerana ianareo, hilazany ny vondrom-piarahamonina LGBTO ao Pakistana. … Ary mety efa tapa-tsinay tamin'izany! Efa mba nosaininareo ve hoe toy ny ahoana ny fiainan'ireo Pakistane hafahafa? Inona no sedra lalovan'izy ireny? Sa va re ianao sahirana mandà hanao hoe raharahan'ny ‘tandrefana’ izany ary tsy misy aty Pakistana? K'izao TSY IZANY INTSONY! Eto izahay! Ary tonga eto haneho ny fisianay.

Screenshot of the Queer Pakistan website.

Dikasary avy ao amin'ny tranonkalan'ny Queer Pakistan.

Lahatsoratra iray hafa no miresaka ny fisehoana masoandro ao Pakistana:

Ho anà tanora Pakistane iray ara-dalàna dia ny aterineto no loharano fototra hakàna ny karazam-pahalalàna rehetra sy izay mitranga manerana ny tany. Ny toy izany ihany koa no misy rehefa tanora Pakistane iray pelaka no manatona ny aterineto miaraka amin'ireo olana goavan'ny fiainany amin'ny maha-pelaka azy. Satria ny aterineto bahanan'ireo voatoaty avy any amin'ny firenena tandrefana, saiky ny ankabetsahan'ny tranonkala momba ny maha-pelaka no mamporisika anao ‘hivoaka ivelan'ny trano fidiovanao’ sy hiteny amin'izao tontolo izao fa hoe pelaka ianao ary sahia mijoro. Torohevitra goavana io saingy fotsiny raha toa ianao miaina ao anaty firenena malalaka izay misy lalàna sy fepetra hentitra ary tsy misy ireny adalam-pivavahana mandehandeha mampihatra ny didiny eran'ny tanàna ireny. Samihafa ny zavatra any Pakistana. Tsy hisy handray tsara antsika izany, eny fa na dia ireo olona faran'izay nahita fahalalàna aza raha toa isika mijanona ho isika eny imasom-bahoaka. Ankoatra izay, tataovan-doza mety ho voadaroka isika. Tsy olana mihitsy na lahy ianao na vavy. Mitovy foana ny loza mitatao aminao.

Mamintina toy izao ilay lahatsoratra:

Tsy manohana mihitsy ny fivoahana sy fisehoana miharihary ho pelaka izahay, ao anatinà fiarahamonina iray tahaka an'i Pakistana, kanefa tsindrianay mafy ny maha-zava-dehibe ny fivoahanao amin'ny maha-ianao anao. Faran'izay zava-manan-danja indrindra ny hoe ianao mandrafitra ny ara-pananahanao sy mahafantatra hoe iza marina moa ianao.

Niresaka tamin'ny Global Voices momba ny tanjony sy izay ifantohany, saingy tsy nitonona anarana, ny iray tamin'ireo mpanorina ilay tranonkala Queer Pakistan.

Global Voices (GV): Inona no tena tian'ny Queer Pakistan hahatongavana?

Queer Pakistan (QP): Queer Pakistan dia mikendry hanomboka hanangana fifanakalozan-dresaka mivelatra mikasika ireo olana izay noheverina ho toy ny tsy hay tenenina. Manan-kevitra ny hampiasa ny herin'ny media sosialy izahay hananganana ilay vondrom-piarahamonina satria amin'izao fotoana izao tsy misy fanohanana azo raisina ho an'ny maro amin'ireo vahoaka LGBT ao amin'ny firenena. Ankoatry ny fanolorana fitaovana mifototra amin'ny fampahatsiarovan-tena sy ny fanabeazana ho an'ilay vondrom-piarahamonina, manan-kevitra ny hanomboka fisoloana vava ireo LGBT sy fanoherana ihany koa izahay, miara-dàlana amin'ilay antsoinay hoe “fanohanana virtoaly” an'ilay vondrom-piarahamonina. Feno kazarana fanenjehana an'ireo vondrom-piarahamonina LGBTQIA any anatin'ireo fampielezam-baovao mahazatra ary zara raha misy miaro izy ireo ka dia heverinay fa fotoana izao handraisana an-tanana ny raharaha sy farafaharatsiny hanombohana miresaka.

GV: Misy tranonkala hafa ve mifantoka manokana amin'ny vondrom-piarahamonin'ny LGBTQ Pakistane?

QP: Misy roa raha ny fahalalako azy ireo. Misy ihany koa vondrona miafina vitsivitsy ao amin'ny Facebook miresaka mikasika ireo olana ireo saingy manana fomba hafa itondrana ny raharaha sy zareo dia ny hanatratra sy hanohana mangingina ilay vondrom-piarahamonina. Raha  laniko ny ezaka ataon-dry zareo, heveriko fa tsy ampy satria misy vondrom-piarahamonina lehibe izay tsy mifandrohy akory, na dia amin'ireo tohana aty anaty aterineto aza, ary ny hany vahaolan-dry zareo dia ny mikaroka loharano(n-kevitra) ety anaty aterineto. Miezaka ny ho izay loharano(n-kevitra) izay izahay.

GV: Ahoana no fiasan'izay loharano(n-kevitra) izay?

QP: Manome habaka iray izahay ho an'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny alàlan'ny rantsana bilaogy, pejy fanohanana ary pejy Facebook, toerana ahafahan'ny olona manomboka na mandray anjara amin'ireo fifanakalozan-dresaka. Ny rantsana bilaogy dia mandray an-tanan-droa ireo lahatsoratry ny mpitsidika no sady nametraka sehatra ho an'ny fanehoan-kevitra amin'ireo faritra rehetra ahafahana maneho hevitra, raha toa izany tsy mbola tonga hatrany amin'ny filàm-baniny sy ny fihantsiana herisetra. Ao amin'ny pejy ho fanohanana, ny tsirairay dia afaka mandefa ny fanontaniany aminay, tsy mitonona anarana, ary valian'ny ekipa iray ahitàna mpitsabo roa mbola am-perinasa miaraka amin'ireo olona izay niaina ny karazan-javatra rehetra azon'ny fiarahamonina nitorahana azy ireo. Ity sehatra ity dia manampahaizana psikology iray manohana ireo “hafahafa” no manara-maso azy mba hiantohana ny mampety ny torohevitra aroso.

GV: Voalohany indrindra dia amin'ny teny Anglisy ny tranonkalanareo; mametraka fetra ve izany hoe olona iza no  hotratrariny?

QP: Miezaka ny haha-sehatra ahitàna fiteny roa azy izahay. Raha fiteny ampiasaina sy takatry ny ankamaroan'ireo Pakistane mpisera amin'ny aterineto ny Anglisy, fantatray tsara fa misy vahoaka betsaka manana olana amin'ny fahatakarana azy io. Ary izany no antony nametrahanay ny votoaty izay tena manana lanja mavesatra ho amin'ny teny Urdu. Ny vavahadinay fizaràna lahatsary anaty aterineto  dia miasa miaraka amin'ireo mpanolotra votoaty vahiny mba hamokatra lahatsary ahitàna soratra mandady amin'ny fiteny Urdu. Amin'ny hoavy dia te-hanao izay hahafahana mahazo ny votoaty rehetra avoakanay amin'ireo fiteny roa  ireo izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.