Nahafaty Olona Sivy Ny Tondra-drano Tany Romania, An'Arivony Nafindra Toerana

Olona sivy ny fantatra fa namoy ny ainy tamin'ny tondra-drano niserana vetivety nanenika ny manodidina ny seranan'i Danube tao Galati izay any atsinanan'i Romania. Nahatratra toerana 21 ny fihoaran'ny rano ary naharava tanimboly an-jatony hekitara, voakisaka ihany koa ny lalamby ka niteraka fivoahan'ny fiaran-dalamby tsy misy olona tamin'ny lalany.

Nahatery ny olona an'anarivony handao ny tranony any atsinanan'i Romania tao anatin'ny efatra andro farany ihany koa ny tondra-drano. Niteraka fiakaran'ny rano haingana dia haingana tamin'ny alakamisy 12 septambra 2013 lasa teo ny oram-batravatra. Anisan'ny namoy ny ainy ny zazavavy kely valo taona voafoaka tamin'ny tanan'ny rainy.

Rescuers and locals push through the floodwater in Eastern Romania; photo courtesy of Balkan Inside, used under Creative Commons license.

Mpamonjy voina sy ny tompontany manavatsava ny rano nihoatra tany atsinanan'i Romania; sary nozaraina noho ny fahatsaram-pon'ny Balkan Inside, nampiasaina noho ny fahazoan-dalana Creative Commons.

Niteny i Eugen Chirita, mpitondratenin'ny sampana mpamonjy voina ao amin'ny faritra Galati: “Ny antotanisa hatramin'ny alakamisy teo dia manome sivy maty, 6.900 nafindra toerana ary 1.735 ny trano difotry ny rano.”

Kaomiseran'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Fifandaisana Iraisampirenena, Fanampiana mahaolona ary famaliana ny krizy Kristalina Georgieva no nisioka:

Tondradrano Romania 9 niharam-boina sy fahapotehana betsaka. Nampihetsika mpiasa arivo ny manampahefana.  Noho ny fahamaroan'ny orana mety mbola ho avy dia efa mijoro izahay raha ilaina ny fanampiana

Manontany tena ny mpisera Twitter iray, @FauziPewarisPG, raha vokatry ny fikorontanan'ny toetrandro izao:

Miakatra ny fahatetehana sy ny herin'ny tondradrano eto Eoropa. Mariky ny fikorontanan'ny toetr'andro daholo izany

Jim Bedient, mpijery ny toetrandro sady astronoma (mpandinika ny kintana), nisioka avy any Ukraine:

Tondra-drano – Galati, Romania : TONDRA-DRANO

Mandritra izany fotoana izany, mpamonjy voina, miaramila ary polisy an'arivony no miasa, raha lazaina ho manangom-baovao momba ny toe-draharaha eny an-kianja ny Praiminisitra Romaniana Victor Ponta. Ny lahatsary eto ambany no mampiseho ny habetsaky ny fahapotehana sy ny fiakatry ny rano, raha eo am-pamonjena ny biby fiompy ny mpamonjy voina sy ny mponina ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.