Miara-miasa Amin'ny InfoAmazonia ny Global Voices

Efa hita amin'ny endriny sarintany ao amin'ny vohikala InfoAmazonia.org ny endrika iray vaovao fanehoana ireo tantaran'ny Global Voices momba ny Ala mando Amazoniana. Amin'ny alalan'io fiaraha-miasa amin'ny fanomezam-baovao io, havaozina avy amin'ny alalan'ireo tantaran'ny mediam-bahoaka farany omen'ny Global Voices momba ny Amazonia amin'ny teny Anglisy, Portiogey sy Espaniola ny sarintany manokana sy azo tetezina an'ny Info Amazonia.


Io sehatra io, izay tetikasa nataon'ny Internews sy ny vohikala Breziliana misahana ny tontolo iainana O Eco [pt], dia natomboka tamin'ny Jona 2012 nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana mikasika ny Fivoarana Maharitra Rio+20. Izany dia mikendry ny “hanampy amin'ny fahatakarana ny fiantraikany manerantany aterak'ity faritra lehibe eto an-tany ity” amin'ny alalan'ny famoriana lahatsoratra sy rakitra momba ny fiovan'ny tontolo iainana any amin'ny ala mando Amazoniana:

InfoAmazonia logo. Follow them on Twitter for updates: @InfoAmazonia.

Araho ao amin'ny Twitter ny InfoAmazonia ho an'ireo vaovao farany: @InfoAmazonia.

Manome vaovao ara-potoana sy tatitra momba ireo faritra tandidonin-doza any Amazonia ny InfoAmazonia. Manome ireo vaovao farany avy any amin'ireo firenena sivy ao anatin'io ala mando io ny tambajotra iray ahitana fikambanana sy mpanao gazety. Afaka sintonina maimaim-poana hatrany ny rakitra nampiasaina ary havaozina matetika. Ny fampitahàna ireo tantara sy rakitra dia natao hampivoarana ny fomba fijerin'ny vahoaka ireo olana any amin'ny faritr'i Amazonia.

Iray amin'ireo faritra mirakitra zava-manan'aina marobe indrindra erak'izao tontolo izao ny faritra Amazoniana, misoroka ny fiovaovan'ny toetrandro amin'ny alalan'ny fitrohany ny CO2. Araka izay lanjany izay anefa, nizaka olana ara-tontolo iainana goavana io faritra io.

Araka ny voatatitry ny Global Voices tao amin'ny pejy fandrakofana manokana Forest Focus: Amazon noforonina ho an'ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ireo Ala (2011) an'ny Firenena Mikambana :

Any amin'io faritry ny ala mando Amazoniana io, miantefa any amin'ny vahoaka manodidina ny 30 tapitrisa sy vondrom-poko 350 ny fiantraikan'ny fanjavonan'ny ala. Nefa ny ala Amazoniana, sy ireo hafa tahaka azy, dia lasa iharan'ny olana ara-sivilizasiona vetivety teo raha mitombo ny rahona ateraky ny fitomboan'ireo vahoaka eo amin'ireo toerana midadasika lehibe ireo.

Sehatra iray hanompo ny vondrom-piarahamonina

“Ampiasao ho fitaovana izahay”, niteny tamin'ny ekipan'ny Global Voices ny Mpandrindra ny Tetikasa sady Mpiara-miasa ao amin'ny Knight International Journalism Gustavo Faleiros rehefa nanome soso-kevitra ny hanompo ny vondrom-piarahamonin'ny mediam-bahoaka eo amin'ny resaka sarintany sy ny fijerena ny rakitra any Amazonia:

Te-ho mpanohana anareo amin'ny sarintany sy fampisehoana fahalalana izahay.

Nanaiky io fanamby io izahay ary nanasa ny InfoAmazonia hanao sarintany ho anay miaraka amin'ny fetran'ny sisintanin'i Amazonia Ara-dalàna izahay ho anà tantaran'ny Global Voices nivoaka ny Jolay lasa teo momba ny faneken-dalàna tany Brezila izay nanokatra ny làlana ho an'ny fambolena fary voalohany indrindra any amin'izany faritra izany, izay ahitana ireo faritra ara-jeografikan'ny ala mando Amazoniana, ny hivoka tropikalin'i Cerrado, ary ny faritra mandon'i Pantanal.

Tantara dimy hafa avy amin'ny Global Voices no efa nasiana sarintany ao amin'ny sehatry ny InfoAmazonia hatramin'ny Jona, maneho dingana iray miroso izany ho an'ny vondrom-piarahamonintsika mpanao gazety mpanangonan-drakitra avy any Amerika Latina.

Manasa ny rehetra ny InfoAmazonia handray anjara amin'ny fizarana rakitra, tantara ary fangitra ara-jeografika ao amin'ny fitaovana fanoloran-kevitra ao amin'ilay vohikala. Afaka ampidirana anatin'ireo pejy hafa ihany koa ireo sarintany efa misy, nalamin'ny mpamoaka na ireo sokajy tahaka ny faritra voaaro sy tanin-janatany, fanjavonan'ny ala, solika fandrehitra & entona, anivon'ireo hafa, amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana fizaràna.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.