Fa Maninona No Manosotra Varinesy Amin'ny Hohony Ireo Lehilahy Saodiana?

Out with beautiful dad! Shared by @NadaFarahaat on Twitter

Miaraka amin'ny dada bogosy! Nozarain'i @NadaFarahaat tao amin'ny Twitter

Mandoko ny hohony ireo tovolahy Saodiana – ary mampiseho ny ranjony voloina ao amin'ny sary natao hihomezana manerana ny tontolo Arabo. Anisan'ny tazana amin'ny teny ifankahafantarana ao amin'ny Twitter izany, izay midika hoe Alaivo sary tahaka ny ataon'ny tovovavy ny tenanao.

Manao fihetsika an'eso ny fanaon'ireo tovovavy mizara ny sariny ao amin'ny media sosialy ry tovolahy isany toy ny  kiraro eny an-tongony, ny varinesy amin'ny hoho, ny kafé sotroina ary ireo fanomezana hifanakalozan'izy ireo.

Niparitaka ohatra ity sarin-dehilahy, mampideradera ny hohon-tanany mihosotra varinesy, sy mitàna kafé ity:

Saudis making fun of women taking pictures of themselves

Saodiana mamazivazy ireo vehivavy,  maka ny sariny manokana sary ho azy manokana.

Ny hafa, tahaka an'i Rakan al-Hamdan, nampiseho ny kirarony – tahaka ny fanaon'ny vehivavy:

#صور_كنك_بنت Miaraka amin'ireo tovovavy .. pic.twitter.com/IfAA9fSrq7

Ary tovolahy iray mampiseho ny “hohon-tongony voakarakara fatratra” -miaraka amin'ny zava-pisotro ankafiziny:

#صور_كنك_بنت Ny zava-pisotro tiako indrindra pic.twitter.com/J5YMV2dtQP

Niteraka hagagàna ilay hohon-tongotra misy varinesy. Ahmed nanontany tena hoe:

#صور_كنك_بنت Tsy hanontany akory aho hoe nahoana ireo lehilahy maromaro ireo no mikolokolo ny rantsan-tanany.

Aseel naneho ny tsy fankasitrahany:

Tena matotra ve? Lehilahy manosotra varinesy amin'ny hohony mba hanesoesoana ireo tovovavy fotsiny!! Tsy misy hita intsony ny fiainan-dehilahy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.