GV Face: Fahatakarana Ny #RussiaVotes 2013 Iarahana amin'i Kevin Rothrock Sy i Andrey Tselikov

Rosiana an-tapitrisany no nilahatra hifidy nandritra ny fifidianam-paritra sy monisipaly nanerana ny firenena tamin'ny 8 Septambra 2013. Toeram-pitantanana mpanatanteraka sy solombavambahoaka ampolony no nifaninanana, ka ao anatin'izany ny toeran'ny Ben'ny Tanànan'i Moskoa sy Yekaterinburg, izay hiaikan'ny bilaogeran'ny mpanohitra malaza Alexey Navalny sy Evgeny Roizman ny tsi-fiovàna ao anatin'ny hazakaza-pifaninanana.

Nanao Google Hangout mivantana ny tonian'ny [akon'ny] RuNet [Echo] avy ato aminay Kevin Rothrock sy Andrey Tselikov hiresadresaka mivantana momba ny tohin'ny #RussiaVotes tamin'ny 13 Septambra 2013 ary nilazalaza ihany koa ny fahitàny ny tontolon'ny media rosianina tia mihantsy sy mampihomehy matetika.

Ireto ny fanontaniana novalian-dry zareo:

  1. Nanova ny fizotry ny fandrotsaham-bato sy ny fihetseham-po nandritra ny fanisam-bato ve ny fampiasana ny tambajotra sosialy sy ny fitantaran'olo-tsotra?
  2. Roa ny mpikambana ao amin'ny fanoherana rosianina malaza nirotsaka ho Ben'ny tanàna ka i Alexey Navalny tao Moskoa ary Evgeny Roizman tao Yekaterinburg. Bilaogera fanta-daza ihany koa ireo lehilahy voatonona ireo, samy nampiasa ny fisiany teo amin'ny tambajotra sosialy hanaovany fampielezan-kevitra? Ahoana ny fomba ametrahana ireo kandidà ireo ho “bilaogera” tsy misy fitongilanana? Inona no tratran'ilay marika ary inona kosa no very aminy?
  3. Amin'ny ankapobeny, nampafana ny fampielezan-kevitra ve (fa tsy ny fandrotsaham-bato ihany) ny fampiasana ny tambajotra sosialy sy ny fitantaran'olo-tsotra? Raha ao anatin'izany ihany, inona no niova hatramin'ny 2011 sy 2012 raha samy efa teo avokoa ireo fitaovana ireo? Na nisy fiantraikany teny an-kianja ve ny fahombiazan'ny fampielezan-kevitra?
  4. Nanao ahoana ny fiantraikan'ny fandisoam-baovao an-tserasera tao amin'ny fampielezan-kevitra politika maoderina? Nanao ahoana ny fiantraikan'ny fifanaratsiana tao amin'ny tontolo mifanohi-kevitry ny tontolon'ny RuNet manokana?
  5. Taorian'ny fanentanan'i Navalny hanoherany ny voka-pifidianana Ben'ny tanàna tao Moskoa, inona ny teny nironana  nalaza an-tserasera ho setrin'ny fitarainan'i Navalny ary inona ny fandresen-dahatra nataon'i Navalny hanoherany ny voka-pifidianana ofisialy?
  6. Inona ny sasantsasany tamin'ny paika na fitaovana nampiasaina hitazonana/hanoherana ny voka-pifidianana nataon'ny olona ankoatra ny fanentanana? Nahomby ve ireny paika ireny?

Misiaha amin'i @globalvoices miaraka amin'ny #RussiaVotes na mamelà hevitra etsy ambany ilazanao ny hevitrao amin'ireo lohahevitra ireo. Mamakia maromaro kokoa ao amin'ny pejy manokana mitantara ny Fandrotsaham-baton'i Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.