Praiminisitr'i Thailand Teo Aloha Voakiana Noho Ny Fosafosany Hoe “Makorelina Vendrana”

Thailand's Former Prime Minister Abhisit Vejjajiva. Image from Flickr (CC BY 2.0)

Ny Praiminisitr'i Thailand taloha Abhisit Vejjajiva. Sary avy ao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Voakiana ny Praiminisitr'i Thailandy taloha sady mpitarika ny mpanohitra, Abhisit Vejjajiva, noho ny fanaovany lahateny voalaza ho manambany ilay vehivavy sy mpifaninana aminy, ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra. Raha nandray fitenenana tanatinà hetsika nokarakarain'ny Antoko Demokratika, nanontany momba ny fanohanan'i Yingluck ny seho vaovao iray amin'ny fahitalavitra, “Smart Lady Thailand (Andriambavilanitra Marani-tsaina ao Thailand)” i Abhisit:

Mba manontany aho hoe maninona izy ireo no manao an'ity tetikasa ity, maninona no tsy maintsy mitady vehivavy marani-tsaina, maninona no manao izany ho fifaninanana? Satria raha mitady makorelina vendrana izy ireo, tsy hisy fifaninanana!

Eo ambany ny Fanohanan'ny Tahirimbolan'ny Governemanta ho Fandrisihana Ny Vehivavy Thai ity tetikasa ity. Manasongadina mpifaninana 12 ity seho ity izay mila mampiseho traikefa fahaiza-mitarika.

Nanadihady ny fandikana io lahateny io i Saksith Saiyasombut ary nahita fa nanao fanoharana an'i Yingluck ihany koa i Abhisit rehefa nanonona io fanamarihana “makorelina vendrana” io:

Koa satria niresaka momba ilay praiminisitra vehivavy i Abhisit, azo atao ny milaza fa tsy fanamarihana manambany ny fahaizany ihany no nataony, fa indrindra koa mikasika ny maha-vehivavy azy.

…raha zavatra iray ny fisehoana ho tsotra sy mahery setra, zavatra iray hafa izay tsy azo ekena ny famoahana fanamarihana manambany vehivavy. Tsy misy fisalasalana intsony izao fa tsy Atoa Tsara Fanahy intsony i Abhisit Vejjajiva.

Nandika ilay lahateny mampiady hevitra nataon'i Abihisit ho ‘vehivavy vendrana’ sy ‘andriambavilanitra vendrana’ ny ankamaroan'ireo gazety. Nefa nanindry ny Khaosod Online fa dikanteny marim-pototra kokoa ny hoe ‘makorelina vendrana':

Mba hampitàna ny endrika mahatohina raketin'ny fanamarihan'Atoa Abhisit, tsy maintsy nampiasa teny Anglisy mavesatra izahay izay tsy eritreretin'ireo olo-malaza any Andrefana havoaka manoloana ny vahoaka marobe, indrindra raha manatrika mijery ny mpanao gazety, ary manana ifandraisany amin'ny vehivavy ihany koa. Noho izany, nindramina ny teny “makorelina”.

Na dia manaja ny fepetra ampiharina eran-tany ny amin'ny tsy hamoahana fiteny tsy maoty aza izahay amin'ny ankapobeny, mahatsapa izahay fa ny fanamaivanana ny fanamarihan'Atoa Abhisit, tahaka ny nataon'ireo masoivohon'ny fanaovan-gazety hafa, dia handiso ny lalaon-teniny.

Nisy vondrom-behivavy mpanohitra nangataka an'i Abhisit hifona noho ny fanambaniany ireo vehivavy. Nefa nandà ny hifona noho ny fihetsiny i Abhisit ary nilaza fa tsy nanambany na iza na iza ny tenany. Nanona ny Google ho mampiseho sarin'i Yingluck ihany koa izy raha misy olona mikaroka ny teny hoe ‘makorelina vendrana’ ao anaty aterineto. Nefa mino ny Bangkok Pundit fa porofo miafina momba ny firesahan'i Abhisit an'i Yingluck tanatin'ny lahateniny izany:

…raha miteny i Abhisit fa milaza/mamerina ny hitany tao amin'ny google ny tenany, moa tsy mampifandray mivantana ny zavatra nolazaina tanatin'ny lahateniny amin'i Yingluck ve izy? Manao hanihany anaty izy rehefa miresaka amin'ireo Demokraty mafàna fo . Mety ho fifandrifin-javatra mahagaga (sy safidin-teny voafetra izay navelany tsy hotsaraina raha toa ka tsy nahy izany) raha tsy niresaka an'i Yingluck izy….

Diso fanantenana amin'i Abhisit i Areva:

Na dia nobeazina tany Angletera nandritra ny fahazazany manontolo aza izy, tsy vitan'i Abhisit ny nanasaraka ny politika amin'ny fankahalany lalina an'i Yingluck.

Ny vehivavy, na inona na inona ny fiaviany, dia manan-jo hiaina am-pahamendrehana. Tsy mihevitra aho fa hiantso ny reniny, ny vadiny, ny zanany sy ny anabaviny hoe “makorelina” mihitsy i Abhisit ka maninona izy no nametaka anarana tahaka izany?

Nampahatsiahy ireo mpitondra vahoaka hitandrina bebe kokoa amin'ny fifidianana ireo teny ampiasainy anatin'ireo lahateny i Veera Prateepchaikul:

Nitifi-tena i Abhisit Vejjajiva, mpitarika ao amin'ny Antoko Demokraty, rehefa namoaka fanamarihana tsy voahevitra izay tsy tokony ataonà lehilahy tahaka azy eny imasom-bahoaka.

Farafaharatsiny ho tonga anatra ho an'Atoa Abhisit sy ireo olo-malaza hafa ity tranga ity– tokony hitandrina izy ireo rehefa miresaka imasom-bahoaka, satria mety hiverina handratra azy ireo ny teniny.

Ny tanjon'i Abhisit tamin'ny voalohany dia ny hiampanga an'i Yingluck ho manao ambanin-javatra ny adidiny noho ny fandehanany any ivelany foana. Mety hitombina izany satria tany Eoropa i Yingluck tamin'ny fotoana nanoloran'i Abhisit io lahateny mampiady hevitra io. Nefa nandiso ny eritreritr'i Abhisit ilay fanamarihanam hoe  ‘makorelina vendrana’ na ‘vehivavy vendrana’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.