Allende Sy Pinochet, Fampitahàna Mampizara Ny Shiliana

Andro mafy ho an'ny Shiliana ny  11 Septambra  isan-taona– Fa tena nampiady hevitra ity faha-40 taonan'ny  coup d'état (fanonganam-panjakana) izay nampianjera an'i Salvador Allende ity. Manamarika ny fisalasalàna ny amin'ny fitantànan'i Sebastián Piñera, ilay filoham-pirenena voalohany avy amin'ny hery ankavanana taorian'ny fiverenana amin'ny demokrasia tamin'ny taona 80 ity datim-pahatsiarovana eo anivon'ny taom-pifidianana ity. Ny fampielezan-kevitra  sy ireo fahatsiarovana tsy miova no niteraka indray ny adihevitra momba ny fitondran'i  Salvador Allende sy ny fandovàna ny jadon'i  Augusto Pinochet, manasongadina fa mbola iainana mandraka ankehitriny ny fizarazaràna eo amin'ny samy Shiliana.

Amin'ny ankapobeny, dia mitovy dika amin'ny hoe fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny anaran'ilay Jeneraly, na ato anatiny izany na any ivelan'ny firenena. Na dia eo aza ireo mpomba an'i Pinochet sasany izay manameloka ireo vonoan'olona nandritra ny 17 taona nitondrany ( olona 40.018 no voahitsakitsaka zo nandritra ny fitondrana facto ary 3.065 no novonoina na tsy hita araka ny isa ôfisialy ) dia mbola manana ireo mpanara-dia azy ao amin'ny hery ankavanana ihany i Pinochet izay manao azy ho mahery fo sy mikitika indray ny fahavitàna ara-toe-karena izay nahatonga an'i Shily hanana toe-karena miroborobo.

Tahaka izao no nilazan'i Pablo, injeniera ara-barotra, izay manora-tena ho hery farany havanana izany ao amin'ny Twitter :

Aoka izay ny teniteny foana, i Allende no iray nanapaka ny demokrasia sy tsy nanaja ny rafitra. Ny Jeneraly Pinochet no nanavotra antsika tsy ho tahaka an'i Kiobà !

Izao no namalian'i  Patriota Chileno, mpitana bokim-bola, ilay olona iray nitsikera an'i  Pinochet:

@hectortitolopez Isaorana i Pinochet afaka mihinana ianao, miaina, ary manao zavatra an-kalalahana fa tsy voatery hilahatra sakafo….. afaka hatramin'ny mibitsika ihany koa aza ianao

Mandritra izany fotoana izany dia milaza i JS Gumucio, mpisolovava :

Maneho ny halalin'ny hasosorako amin'i Pinochet sy ireo tafika izay nandray anjara tamin'ireny heloka ireny aho.

Amin'ny lafiny iray misy endrika manintona ahafantarana an'i Salvador Allende, izay ahitan'ny olona azy ho toy ny mpanao politika mahay, niharan'ny firaisana tsikombakomba notohanan'i Etazonia hanakanana ny sosialisma tsy hivelatra mandritra ny Ady Mangatsiaka– ary ny sasany kosa mahita azy ho toy ny mpitantana tsy mendrika.

Nanao fanamarihana momba an'i  Allende i Pedro Cayuqueo, mpanao gazety sy i Angela, mpibitsika :

Ho ahy, dia Samurai farany amin'ny politika Shiliana i Allende. Ny karazany farany indrindra. Maty amim-boninahitra izy.

Ry Kamarady Allende, isaky ny mamaky sy mihaino ny kabarinao aho dia mampientana sy manetsika ahy ireny. Tena lehilahy manan-kaja azo alain-tahaka tsara, tena mahay miteny ianao !

Izao no nolazain'i  Herman Bravo mpitandro filaminana taloha :

Allende, olona nampalahelo teo amin'ny tantarantsika, tsy afa-niatrika ny zava-nisy ary te-hanery hametraka ny jadon'ny mpiasa madinika

Nametra-panontaniana i José Navarro, mpitoraka bilaogy sady mpandraharaha :

Raha ohatra ka tahaka ny rehetra izay nahalala fa hisy loza ho avy i Allende, nahoana no tsy nametra-pialàna izy mba hialàna amin'izany ?

Nampahatsiahivin'i Nataly Ruiz R. fa herinandro vitsy mialoha ilay fanonganana tamin'ny 23 Aogositra 1973 dia notendren'i Allende ho Mpifehy Ambony tao amin'ny Tafika Shiliana i Pinochet :

Tena iray volana nialoha ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika no nanendren'ny tena #Allende an'i  #Pinochet ho lohan'ny FFAA

#sadbuttrue

Amin'ny lohateny nataony  “Allende sy Pinochet” [es], i Emilio Antileff, poety dia nitantara ny fifandraisana mifanohitra – sy mifameno- amin'ny tendron'ireo endrika roa eo amin'ny tantaran'i Shilia ireo ary raha alefa lavidavitra kokoa dia ny fampitahàna azy roa ireo :

No cabe duda, históricamente hablando, que Salvador Allende fue uno de los hombres más carismáticos que hayan llegado a La Moneda.[…]

Sin embargo, los resultados de la revolución con empanadas del “compañero presidente” describen una administración en que el derroche y la debilidad en el liderazgo, contradecían el magnetismo personal del presidente de la UP [Unidad Popular, coalición de izquierda con la que Allende llegó al gobierno]. La cantidad de sueños y talentos desperdiciados bajo batuta allendista fue terreno fértil para cualquier conspiración, como la que arrasó contra una administración plena en ideología, pero con una capacidad de gestión, con resultados no proporcionales al encanto del Señor Allende.

El general Pinochet, con cero elegancia, tenía la claridad y celeridad en el camino a ejecutar su objetivo, que su antecesor no alcanzó jamás. Pinochet es en nuestra historia, del lado por donde lo miren, un eficaz martillo. Es decir, algo semejante a una herramienta que saca un clavo de la manera más violenta y desgarradora, para instalar otro, con precisión ingenieril. Sus clavos instalados son parte de las estructuras  que sostienen al Chile de hoy, capeando crisis mundiales y catástrofes. […]

La debilidad de Allende, fortaleció la irrupción de un Pinochet. El atractivo personal del socialista fue la carencia del militar. El fracaso de uno fue el éxito de otro. El cariño que inspiraba el “salvador” llevó al miedo que provocaba el general  “Augusto”.

Tsy isalasalàna, raha ara-tantara, fa i Salvador Allende no iray amin'ireo lehilahy manintona indrindra tonga teo amin'ny La Moneda [Lapam-panjakana fiasan'ny Filoha Shiliana ]. […]

Na dia izany aza, ny vokatry ny fikomiana miaraka amin'ny fitenenana hoe: ” Ny kamarady (namana) Filoha” dia milaza fitantanana iray izay ahitàna ireo tsy fitontaliana sy halemen-tsaina amin'ny fitarihana mifanohitra amin'ny fanintonan'ny filohan'ny UP  [Unidad Popular, ny fiaraha-mitantana amin'ny hery ankavia izay nahatonga an'i Allende ho ao anatin'ny governemanta]. Ny hamaroan'ireo nofinofy voazimbazimba sy ireo talenta teo ambany fifehezan'i Allende no tany nahavokatra ho an'ny firaisana tsikombakomba, toy ny nanafoanana ny fitantànana difotry ny  foto-kevitra, nefa miaraka amin'ny fahafahana mitantana ahitam-bokatra izay tsy mifanaraka amin'ny hevitr'Atoa Allende.

Ny Jeneraly Pinochet, tsy mahay miaina, dia mazava sady haingana amin'ny fanatanterahana ny tanjony, izay tsy mba nananan'ny olona teo alohany. Eo amin'ny tantarantsika, amin'ny fomba rehetra ijerena azy dia maritoa mahavita azy i Pinochet. Izany hoe, fitaovana iray izay manala fantsika amin-kerisetra sy mahavaky fo mba hametrahana iray hafa miaraka amin'ny fitandremana fatratra omen'ny injeniera. Ireo fantsika napetrany dia isan'ireo rafitra izay iainan'i Shily amin'izao fotoana izao, andron'ny krizy sy ny zava-doza maneran-tany. […]

Ny fahalemen'i Allende no nampahatanjaka ny fidiran'i Pinochet. Tsy ampy tao amin'ilay miaramila ny antso manokan'ny sosialista. Ny fahavoazan'ny sasany no fahombiazan'ny hafa. Ny fitiavana izay nanosika “ilay mpanavotra” no nitarika ho amin'ny tahotra ka nampihetsika ny jeneraly “Augusto”.

Amin'ny fanandramana hanoritsortra io vanim-potoana io, betsaka ny fanontaniana apetraky ny maro momba ny tantara izay ezahan'ny andaniny sy ny ankilany hosoratana, tahaka an'i Omar Audicio, mpampianatra:

Ho ahy, jadona sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny fitondran'i  Pinochet. Saingy heveriko fa ilay andaniny koa nanao izany ary mbola hanao izany.

Nanao antso ireo hafa toa an'i Matías Benfeld mba tsy hiverenan'ny zavatra tahàka izao intsony, na iza na iza mpanatanteraka :

Antenaina fa hiteny hoe : ‘ tsy hisy intsony’, na avy amin'ny ankilany na avy amin'ny andaniny, ny fanimbàna ny demokrasia sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny Trano Firaketana ny Tsiahy.

Nandritra ny resadresaka tao amin'ny fandaharana  Zero Tolerance ( Tsy misy fandeferana)-n'ny fahitalavitra tamin'ny Alahady 9 Septambra teo, nanao fanambarana maro sy jery todika momba izany fotoana izany i Alberto Cardemil [es], Sekretera lefitry ny Atitany tamin'ny fitondran'i Pinochet. Nanao tsilian-tsofina momba izany i Profitador, mpibitsika sady mpandalina fiaraha-monina (sosiology) :

Ny zava-drehetra tamin'ny 1973 dia nilaza fa nandroso nankany amin'ny fitondrana jadona i Shily, araka izany dia ananvotra an'i Shily tamin'ny fametrahana fitondrana jadona isika  #LógicaCardemil (Cardemil logic)

Misy ihany koa ireo mitsikera ny fiziriziriana amin'ny fampiasàna ny lasa amin'ny adihevitra politika ankehitriny. Ny filohan'ny hery ankavia taloha sady mpilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena amin'izao fotoana izao Michelle Bachelet no nambaran'i Angel Rodriguez sy Pato Cuevas amin'izany :

Tsy manan-kambara firy na tsy misy ho lazaina mihitsy i  Bachelet rehefa tsy momba an'i Allende na i Pinochet no resahany.

Tsy i Bachelet na i  Piñera: lahateny anakiroa mifanipaka izay samy mikendry ny hiaro toerana politika. Tsy hahavaha mihitsy ny olana ara-pitsarana izy ireo.

Na dia izany aza, ireto misy vitsivitsy izay  mitaky ny hanakatonana io tantara io ary hijerena ny ho avy.

Mila mpitarika vaovao izay mitsinjo ny ho avy sy miala amin'ny lasan'i  Allende sy i Pinochet isika amin'izao fotoana izao

Mbola mitohy ny adihevitra ary ny fotoana no hany hilaza hoe firy no tsy maintsy mbola hitranga mba hanasitranana ireo fery nisokatra 40 taona lasa izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.