Zotram-piaramanidina Thailandey Nanakona Ny Fangony Taorian'ny Loza

An Airbus Thai Airways plane. Image from Flickr user Aero Icarus, (CC BY-SA 2.0)

 Voromby Airbus Thailandey. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, Aero Icarus, (CC BY-SA 2.0)

Voromby Thailandey Airways no nibolisatra tao amin'ny araben'ny seranam-piaramanidin'i Suvarnabhumi ao Bangkok tamin'ny Alahady rehefa nisy tsy fetezana teo amin'ny kodiarana. Nitondra mpandeha 288 sy mpikambana ao amin'ny fanamoriana 14 ilay voromby niainga tao Guangzhou, Shina. Araka ny filazan'ny orinasa, mpandeha 14 no naratra kely.

Niharan-doza ny voromby Thailandey iray raha niantsona tao amin'ny seranam-piaramanidina Suvarnabhumi. Mpandeha 14 no naratra kely ary nalefa tany amin'ny hopitaly

Saingy fanapaha-kevitry ny orinasa ny hanakona ny fangon'ny voromby tamin'ny loko mainty ho fiarovana ny lazany izay nivoaka tamin'ny lohatenim-baovao manerantany. Nilaza ity orinasam-pitaterana an'habakabaka ity fa fenitra amin'ny “fitsipiky ny fifandraisana mandritra ny krizy” izany. Na dia izany aza, nolavin'ny tambajotra an'habakabaka manerantany Star Alliance ny filazana fa misy ny politika fanakonana ny fangon'ny voromby mandritra ny loza miseho:

Mikasika ny loko eo amin'ny fangon'ny voromby @ThaiAirways 679. Tsy mifanaraka amin'ny krizy @StarAlliance (1/2)

toro-lalana. Angamba diso ny vaovao azon'ireo tompon'andraikitra voalaza

Nohamafisin'i ny zotra an'habakabaka Thai Airways izany avy eo.

Fanambaran'ny Zotra an'habakabaka Thailandey: “…Nanazava ihany koa ny Orinasa fa TSY politikan'ny Star Alliance na fepetra tsy hamantarana ilay zotra an'habakabaka izany.”

Covering the Thai Airways logo with a black paint. Image from @RichardBarrow

Manakona ny fangon'ny zotram-piaramanidina Thailandey tamin'ny loko mainty. Sary avy amin'i @RichardBarrow

Nalaina taorian'ny loza teo am-piantsonana ity lahatsary ity:

Ireto ambany ireto fanehoan-kevitra sasany tao amin'ny Twitter

Sahy manao fanamby aho fa manenina tamin'ny nandokoana ny fangony ny @ ThaiAirways amin'izao fotoana izao. Amin'izao fotoana izao rehefa miaraka amin'ny media sosialy, tsy afa-midify amin'izany intsony ny orinasam-pitaterana an'habakabaka.

@RichardBarrow @ThaiAirways teknika tsara, niasa foana ho ahy, aza hazera ny vorombinao. Amin'izany mitsitsy loko mainty ianao.

Tsy dia manampy loatra ireo mpandeha izay iharan'ny fanemorana ao amin'ny seranam-piaramanidina hatramin'ny Alarobia ny fanakonana ny fangon'ny zotram-piaramanidina. http://t.co/Wa8tKsw35t

@StarAlliance Fa nahoana no diso fandray hafatra ry zareo? Angamba toro-lalana talohan'ny nisian'ny alliance? Tsy milaza aho fa diso ny nataon'izy ireo, fa hafahafa fotsiny

Nisy tamin'ireo mpandeha no nitaraina fa zara raha nahazo fanampiana avy amin'ireo mpiasan'ny zotram-piaramanidina taorian'ny loza. Saingy nolavin'ny tompon'andraikitry ny orinasa izany fiampangana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.