An'arivony Ireo Tsy Manaiky Ny Valim-pifidianana Tany Kambodza

Thousands joined a protest against voting irregularities in Cambodia. Photo by Kimlong Meng, Copyright @Demotix (9/7/2013

An'arivony ireo nanjohy ny hetsi-panoherana ireo tsy fahatomombanan'ny fifidianana tany Kombodza. Sary an'i Kimlong Meng, Fizakà-manana @Demotix (9/7/2013)

Maherin'ny olona iray alina no nandray anjara tamin'ny fivoriana nokarakarain'ny Antoko mpanohitra, Antoko ho fanavotam-pirenena (CNRP) ao Kambodza, ho fanoherana izay voalaza ho fanodinkodinana ireo vokam-pifidianana nataon'ny Antokon'ny Vahoaka Kambodziana (PPC) eo amin'ny fitondrana.

Kely ny elanelana nandresen'ny ny antoko eo amin'ny fitondrana, taorian'ny nahazoany toerana 68 raha toerana 55 kosa ny an'ny mpanohitra. Izany no vokatra ratsy indrindra ho an'ny RPC hatramin'ny taona 1998, izay teo amin'ny fitondrana nandritra ny telopolo taona farany.

Nizara izay hitany nandritra ny fivoriana milamina natao ny 7 Septambra i Casey Nelson:

Tsara omana tokoa io hetsika io. Vonona ho an'ireo rehetra nandray anjara ny tavoahangy misy rano, mofo, faneva fehiloha misy ireo famantarana, ireo taratasy fametaka sy ireo voninkazona “lotus”. Natsangana ny toerana fitsaboana iray ary mivezivezy manaraka ny sisin'ny zaridaina ireo mpitsabo. Nanampy nandrindra sy nanara-maso ny vahoaka ireo mpikarakara. Voaara-maso avy eny amin'ny zaridaina ireo làlankely sy ireo làlana fivoahana rehetra.

Fara faharatsiny, araka ny hita tany amin'ny faritra nanaovana ny fihetsiketsehana, dia vitsy ireo mpitandro filaminana ary saika nisahana ny fifamoivoizana no nataony raharaha.

“Mpanaa-mason'ny Himans Rights” am-polony mahery, ny sasany fantatra amin'ny lobaka manga anaovany, mety avy any amin'ny Firenena Mikambana, ny Kaomitin'ny Olom-pirenena ho an'ny Zon'Olombelona sy avy any amin'ireo Fikambanana tsy miankina hafa, no mivezivezy sy mamakivaky ny vahoaka. Nahatsikaritra olona vahiny 4 na 5 koa aho teny anivon'ny vahoaka teny, nandray anjara tamin'ilay fihetsiketsehana.

Ireo mpandray anjara dia nitondra voninkazo lotus sy saina ary sora-baventy misy sary vita tànana izay mamerina tsy misy latsaka ireo fotokevitra 5 na 6, ny ankamaroany amin'ny teny Khmer sy Anglisy miaraka, isan'izany ny: “Ny vatoko, Ny Fiainako”, “Ny vatoko, ny fireneko”, “Aiza ny vatoko?”, “Izay misy ny fahamarinana, misy ny fandriampahalemana” ary “Mila kaomity mahaleotena ho an'ny fahamarinana izahay”

Rally in Phnom Penh's freedom park. Photo by @RupertBAbbott

Firotsahana an-dàlambe tany amin'ny zaridainan'ny fahafahana ao Phnom Penh. Sary an'i @RupertBAbbott

Nanatrika io fivoriana teny amin'ny zaridainan'ny fahafahana ao Phnom Penh ihany koa i OU Ritthy:

Vao avy tany amin'ny Zaridainan'ny Fahafahana aho izao. Manodidina ny 20.000 eo ho eo ny isan'ireo mpanohitra – tsy mihena, nefa tsy nitombo betsaka ihany koa miohatra amin'ny fihetsaham-bahoaka teo aloha.

TSY tena feno ny Zaridainan'ny Fahafahana, saingy maro ireo olona hafa mijoro sy mipetraka eo amin'ny zaridaina akaiky azy, miala ny toerana nomena/ vondron'olona marobe tao amin'ny Zaridainan'ny Fahafahana, angamba mety ho nafana na tsy mpanao fihetsiketsehana izy ireo fa olona tonga hijery fotsiny.

Tena fihetsiketseham-bahoaka milamina sy tsy misy herisetra mihintsy ity. Olom-banona ny vahoaka, milamina sady tompon'andraikitra.

Mitaky ny fananganana ny kaomity tsy miankina ny mpanohitra mba hanadihady ireo fifidianana ny Antenimieram-pirenena ny 28 jolay:

Izahay mpandray anjara tamin'ity hetsika tsy misy herisetra natao androany ity dia manana tanjona ny mba hampisy fahamarinana amin'ny safidinay, hangataka ny fametrahana kaomity iray tsy miankina ahitana ireo masoivohom-pirenena sy ny Fikambanan'ny Firenena Mikambana mba hamaha ireo tsy fitovian-kevitra manoloana ireo tsy fahatomombanan'ny fifidianana natao ny 28 Jolay 2013. Tsy maintsy manadihady amin'ny fomba tsy miandany mikasika ireo hosoka io komity io, mba hahazoana antoka ny fanajana ny tena safidin'ny vahoaka Khmer.

Manohana tanteraka ireo fitsipiky ny tsy fisiana herisetra anatin'ny hetsikay, ny feonay, ary ny fonay izahay; tsy mandray ny khmer ho fahavalo izahay na iza izy na iza; mila ny fahamarinana sy ny fihavanam-pirenena maharitra izahay.

Tao amin'ny Khmer Bird, nanadihady an'i Bun Bunnat, mpikambana iray ao amin'ny mpanohitra, i Thomas Mclean:

Tianay hipetraka ho lesona ho an'ny taranakay ireo fihetsiketsehana ireo, hoe takian'i Kambodza ny hisian'ny fiaraha-monina malalaka sy vondrom-piarahamonina ara-demokratika. Tiana hibanjina ireo faniratsirana ny zon'olombelona misy aty Kambodza ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Khmer izahay, ary mila manana ny feonay manokana.

Indreto fijery vitsivitsy tao anaty Twitter:

Voaomana tsara ny antoko manoloana ny media iraisam-pirenena. Amin'ny teny roa ny ankamaroan'ireo sora-baventy ary nasaina hanofahofana izany isaky ny mandalo ny mpaka sary.

— Abby Seiff (@instupor) 7 Septambra 2013 

Raha ny fijeriko manokana, tsy mihevitra aho fa hanova na inona na inona io fihetsiketsehana rahampitso io. Toa famindran-jaza amiko, ny ora 3 ho fandinihana amim-pilaminana hangatahana fanovàna. #electionsKH

— Ate Hoekstra (@HoekstraAte) 6 Septambra 2013

Fivoriana ara-politika tsy nisy tomika tany Phnom Penh any #Cambodia tamin'ny faran'ny herinandro. Na izany aza, mbola misy fidinana an-dàlambe hafa kasaina hatao amin'ny faran'ny herinandro ambony.

— Hanuman Travel (@hanumantravel) 9 Septambra 2013

Na teo aza io hetsi-panoherana io, niroso nanambara ireo valim-pifidianana ofisialy nanamafy ny fandresen'ny antoko eo amin'ny fitondrana ny ekipa mpikarakara fifidianana ao Kambodza. Nolavin'ny mpanohitra ireo valim-pifidianana sady nivoady ny hanatontosa fidinana an-dàlambe hafa izy ireo ny herinandro ho avy. Nieritreritra ny hampikatso ny fotoam-panokafana ny Parlemanta ihany koa ry zareo.

Mihevitra i Sam Sotha fa tokony handroso amin'ny alàlan'ny fifidianana ny Herin'ny Vahoaka fa tsy amin'ny fidinana an-dàlambe:

Tsy mila “Lohataona Kambodziana” ny vahoaka. Tsy mila ny “Herin'ny Vahoaka” hihetsika an-dàlambe i Kambodza, fa kosa mila ny “Herin'ny Vahoaka” haneho hevitra amin'ny fandatsaham-bato!

Meanwhile, various human rights groups are urging the leaders of the two major political parties to organize a political  to address the election controversy:

Nandritra izay fotoana izay, nangataka ny mpitarika ireo antoko politika roa lehibe ireo ny vondrona samihafa mpiaro ny zon'olombelona mba hiatrika fihaonambe ara-politika hiresahana mikasika io resabe momba ny fifidianana io:

Hitondra ohatra ara-tantara faka tàhaka ho an'ny taranaka hoavin'i Kambodza ny fihaonamben'ny mpitarika ireo antoko roa lehibe ireo sy ny vahaolana raitra sy nokarohina tanatin'ny fandriam-pahalemana ka mamaly ny hetahetan'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.