Lasa Sakafo Ny Niafaran'Ilay #SpyDuck Tao Ejipta

A White Stork - similar to Menes. Photograph from the Wikimedia Commons, used under the Creative Commons Attribution 2.0 Generic license.

Takatra fotsy mitovitovy amin'i Menes. Saripika tao amin'ny Wikimedia Commons, ampiasaina noho ny Creative Commons Attribution 2.0 Generic license.

Takatra nohelohina ho dokotra manao asam-pitsikilovana sy nosamborina tao Ejipta no niafara ho sakafo tao amin'ny ankohonana ejipsiana iray.

Nivoaka tany Ejipta ny vaovao fisamborana dokotra mpitsikilo iray tamin'ny 31 Aogositra, izay nitondra fitaovana mampiahiahy amin'ny volony. Taty aoriana dia nisongadina fa hay takatra, izay nomena anarana hoe Menes, ilay dokotra, ary nentina hanaovana fanadihadiana amin'ny fianarana ilay fitaovana fitsongoan-dia.

Tamin'ny 4 Septambra i Mostafa Hussein nanambara fa “navotsotra ilay takatra nampangaina amin'ny tsy marina”:

navotsotra ilay takatra nampangaina amin'ny tsy marina.

Fotoana fohy ihany ny fihorakoraha-pifaliana.

Mitatitra amin'izao fotoana ilay bilaogera Ejipsian Zeinobia:

I do not know if it is fate or what, but it seems that the story of Menes in the land of the Nile is extremely sad story.
After it was accused of espionage and spent a day in Egyptian detention , he was released in to a protectorate to fly free only to meet its end !! He was hunted down and eaten by an Egyptian Nubian family in the south !!!

Tsy fantatro hoe izany ve no lahatra sa ahoana, fa tena tantara mampalahelo tokoa ny tantaran'i Menes teto amin'ny tanin'i Neily.
Taorian'ny niampangana azy ho nanao fitsikilovana sy lany andro iray tany amin'ny fonja ejipsiana, dia navotsotra izy nefa nitondra azy ho any amin'ny fara-androny izany !! Voafandrika sy nohanin'ny fianakaviana Nobiana iray tany atsimon'i Ejipta izy

Nanampy teny tao amin'ny Facebook ny Fikambanana Mpitahiry ny Natiora ao Ejipta:

Sad news: Menes the White Stork has been killed.

After being safely released into the Salugah & Ghazal protected area several days ago, Menes flew off to a nearby Nile Island, where he was captured and killed, to be eaten by local villagers.

Vaovao mampalahelo : Nisy namono ilay takatra fotsy Menes.
Taorian'ny famotsorana azy tao amin'ny toerana voaaron'i Salugah & Ghazal andro vitsivitsy izao, dia nisidina nanakaiky ny nosy iray tao Neily izy, ka tao no nahasamborana azy sy nihinanan'ireo mponina tambanivohitra azy

Manazava ny lahatsoratra:

Storks have been part of the Nubian diet for thousands of years, so the actual act of eating storks is not in itself a unique practice. However, the short-lived success story of getting Menes released, was not enough to keep him safe till he exited Egypt.

Sakafo fihinanan'ny Nobiana an'arivony taona izao ny takatra, noho izany tsy hoe fomba naningana ny fihinanana takatra. Saingy, ny fahombiazana vetivety tamin'ny famotsorana an'i Menes dia tsy ampy niantohana azy ho tafavoaka mora an'i Ejipta

Ary goavana kokoa sy toe-draharaha:

Egypt has long suffered from issues of uncontrolled hunting. However, it is important to always balance the needs of local communities with the needs of nature and biodiversity conversation.

Nanana olana momba ny fihazana tsy voafehy hatry ny ela i Ejipta. Saingy zava-dehibe ny mandanjalanja ny filàn'ny fokonolona isan-toerana sy ny fiarovana ny natiora sy ny zavamiaina.

Nanao fehinteny ny lahatsoratra:

The entire region has a very long way to go, specially in the field of raising awareness on hunting and migratory birds.

Mbola lavitra ny lalana alehan'ny faritra iray manontolo, indindra eo amin'ny fanairana momba ny fihazana sy ny vorona mpifindramonina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.