Mpifindra-monina: Ambony Lavitra Noho Ny Isa

Ity lahatsoratra ity, izay nivoaka ny 26 jolay tao amin'ny GV amin'ny teny anglisy, dia ao anatin'ny andiany mikasika an'i Amerika latina : Dian'ny mpifindra monina, miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ny kongresin'i amerika-andrefana mikasika an'i Amerika latina(NACLA). Betsaka ireo lahatsoratra sy ireo podcats mbola ho avy…

Indro ny tafatafa andiany voalohany nataonay tamin'i Eileen Truax, meksikana mpanao gazety .

Vao haingana ilay meksikana mpanao gazety, Eileen Truax [espagnol], izay manoratra manokana hoan'ny pejy Voces ao amin'ny  Huffington Post no namoaka boky mitondra ny lohateny hoe Dreamers: Ny adin'ny andian-taranaka iray mba hahazoany ny nofinofy amerikana.Nihaona taminy ny Migrant Journeys [angl] : mizara amintsika ireo fomba fijeriny mikasika ny drafitra fanavaozana ny fifindra-monina izay vao avy nankatoavin'ny Loholona amerikana izy ary manazava amintsika hoe nahoana ireo “DREAMers” [angl], izay ahitàna tanora maherin'ny 65 000, tonga mbola zaza tany Etazonia niaraka tamin'ireo ray amandreniny mpifindra-monina ary noraisin'ny fitondrana ho toy ireo “tsy manana taratasy ara-dalàna”, no manome endrika mazava tsara mikasika ireo vokatra miabo entin'ireo mpifindra-monina ho any Etazonia.

Robert Valencia: Lazao anay ny mikasika ny bokinao Dreamers. Inona no antony nanosika anao hanoratra io boky io?

Photo courtesy of Editorial Océano

Loharanon-tsary: Editorial Océano

Eileen Truax: Satria izaho koa mba mpifindra-monina. Teraka tany Mexico aho ary efa sivy taona no monina any Los Angeles. Niasa tamin'ny La Opinión aho tany, ilay gazety amin'ny teny espaniôla be mpamaky indrindra any Etazonia. Rehefa nanoratra ho azy zareo aho mikasika ireo olana mifamatotra amin'ny fifindra-monina, betsaka ny tantara mahaliana sy mampihetsi-po notantaraina tamiko, ny sasany miresaka fahalavorariana, ireo hafa sasany indray tena mahazandana marina mihitsy. Tahaka izany no nanombohako nitrandraka io lohahevitra io, indrindra fa ny fisian'ireo zanaky ny mpifindra-monina, ireo izay nomena anarana hoe  DREAMers. Nandritra izany fotoana izany, tsy nahaliana mihintsy ireo media ny amin-dry zareo, nefa dia nisy foana izy ireo. Hitako fa ilaina ny mihaino amin'ny antsipirihany ireo tantara mampiavaka ireo tanora ireo, samihafa amin'ny lafiny maro noho ireo mpifindra-monina sisa. Amiko, io no fomba hanomanana fepetra manaja kokoa ny maha-olombelona mikasika ny fifindra-monina . Amerikana izy ireo, saingy ny tsy ampy amin'izy ireo fotsiny dia ny taratasy fanamarinana izany.

RV: Matetika ireo media dia fantsona mampita ny tsangan-kevitra manohitra ny fifindra-monina. Inona no anton'io araka ny hevitrao?

ET:  Nandritra ny fotoana ela no niheverako izany ho noho ny tsy fahampian'ny fahatsapàna ara-pihetsem-po.  Saingy vao haingana, nahita aho fa vokatry ny tsy fisian'ny fijerena azy izany. Manana fahazarana foana ny olona hiresaka ny fifindra-monina amin'ny ankapobeny ho toy ny angona nalain-tàhaka ary nanjary lasa toa tsy azo tsapain-tànana tampoka teo: olona 11 tapitrisa. Saingy inona no mampiavaka io isa io? Inona no lafiny maha-olona azy? Tsy azo omena fanahy ny vatana iray tsy azo tsapain-tanana akory. Izay no antony hananantsika adidy hitantara farafaharatsiny ny tantaranà mpifindra-monina iray. Tsy maintsy adinoina io isa 11 tapitrisa io, saingy resahana kosa io olona io izay niditra tao Etazonia tsy nisy taratasy, tsy nahay niteny anglisy. Ahoana no fomba niainany tany amboalohany raha tsy nahalala olona izy, raha tsy nanana izay nasiana ny lohany sady tsy manana fahazoan-dalana miasa? Raha fianakaviana no resahana, ahoana no ataon'ireo ankizy, izay tsy miteny anglisy, raha mankany an-tsekoly? Avy amin'izany no nahitàna ireo andianà tantara maro sy ireo fanamby izay tsy maintsy navoitran'ireo olona ireo ary koa ny ezak'izy ireo mba handinganana ny “petits Everests” isanandro. Ny fanomezana fahafahana ireo olona mba hahatsapa ny loza iainan'ireo mpifindra-monina, dia fanomezan-toky ny fientanam-pony ho afaka hiteny. Izany dia mba tsy hanadinoina amin'ny farany fa olombolona ireo resahana ireo, olona izay hahazo tombontsoa amin'ny fanavaozana ny fifindra-monina.

RV: Niala tamin'ny asa maha-sekreteran'ny Fiarovana Anatiny i Janet Napolitano. Nandritra ny fotoam-piasàny, fepetra maro mavesa-danja manome tombony ny DREAMers no noraisina, toy ny fampiatoana ireo fandroahana mandritra ny roa taona azo havaozina, vokatr'io dia afaka maka fahazoan-dalana miasa izy ireo. Hatraiza ny ho fiantraikan'ny fialany amin'nyhetsika atao hanohanana ireo mpifindra-monina?

ET:  Misy teboka roa ilaina jerena. Voalohany indrindra, ny lanjan'io fanovàna io dia hiankina amin'izay hisolo an'i Janet Napolitano sy ny fitohizany – na ny fanovàna ny tanjona – izay hapetraka amin'ny politikan'ity fitantanana ity. Hiankina ihany koa amin'ireo fomba fijeren'ny tarika vaovao. Ny fanamarihako faharoa dia mikasika ny isan'ireo naterina teny amin'ny sisintany: na dia vitan'i Janet Napolitano aza ny nanao izay hihainoana azy tamin'ny lohahevitra sasantsany, hitantsika tato anatin'ny taona maro faramparany teo ny fisian'ireo fepetra maro miaro fisintahana teo amin'ny tantaran'i Etazonia ary tsy azo lazaina ho isa azo tsinontsinoavina ireo olona miisa 400 000 isan-taona naterina teny an-tsisintany. Manana toetra miovaova ny governemanta. Nandray andraikitra ho fiarovana ireo DREAMers sy ny hetsik'ireo mpifindra-monina amin'ny ankapobeny i Barack Obama, saingy etsy andaniny anefa dia mpitarika rafitra iray izay nandrindra ireny fandroahana goavana ireny izy. Tsy maintsy andrasana araka izany ny hoe iza no handray ny toerana ary koa raha toa hitondra ho amin'ny fanovàna miohatra amin'ireo politika ankehitriny izany.

RV: Ann Coulter, endrika fahita amin'ny fampahalalam-baovao, avy amin'ny hetsika amerikana mpandàla ny nentin-drazana, dia nanambara fa loza mitatao ho an'ny hoavin'ny antoko repoblikana ny fanomezana taratasy an'ireo  olona 11 tapitrisa, mitarika koa ireo izay mahazo tombontsoa amin'izany hanome ny vatony ho an'ny demokraty mba ho mariky ny fisaorana, noho ny nandaniana ilay lalàna. Mino ve ianareo fa fahamalinana ny hanasokajy ny vondrom-piarahamonina latino tahaka izany nefa izy aza tsy mbola voavondrona ho vondrona iray akory raha resaka fironana politika?  Ahoana no hevitrao momba izany?

Eileen Truax, photo courtesy of René Miranda

Eileen Truax, sary an'i REné Miranda

ET: Tsy azo afantoka amin'ireo antoko politika ny fijery raha toa ka hiresaka fanovàna mikasika ny fifindra-monina. Izay tsy maintsy mazava ao antsaina dia ny filàna fanavaozana ny fifindra-monina izay marina, araka ny fomba fijery mandray ho anaty kajikajy ny zon'olombelona sy ny lalàna famaizana, ary tsy fitondrana azy ho toy ny entana babon'ny antoko na fandresena lehibe ho an'ny antoko iray manokana. Tsy afaka ny ho marina isika raha tsy manova ny fijerintsika. Ny lohahevitry ny fifindra-monina dia tsy maintsy manana ny fanajana ireo zon'olombelona ho toy ny fototra. Raha ampiasaina ho toy ny valisoa politika ireo olona miisa 11 tapitrisa ireo, misy zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny eto amin'ny firenentsika, eto amin'ny fiaraha-monintsika, ary tsy mahafeno araka ny tokoy ho izy ny andraikiny ireo izay manao ny lalàna. Tokony hanana tanjona hanome karazana fiarovana ara-politika ho an'ireo mpifindra-monina 11 tapitrisa izay efa eo ary anisan'ny mpiara-monina amintsika ilay fanavaozana ny fifindra-monina; sady, amin'ny maha-fiaraha-monina azy, manana andraikitra ny hiaro ny mpikambana ao anatiny isika. Ny fanehoankevitra tahaka ireny no mampihataka antsika hanalavitra ny tanjon'ny fanavaozana. Fanampin'izany, fanahiana lasa aloha loatra sy fanararaotana io : vantany vao ekena ny lalàna, mila 13 taona ny olona iray voakasika vao afaka mahazo ny maha teratany azy.

RV: Nahatazanana karazana fanoherana an'io fanavaoazana io tao anivon'ny Tranoben'ireo Solontena, tarihan'i John Boehner (Ohio), repoblikana. Afaka ny hanantena vokatra tsara ve nefa mety ho hatelin'ity rantsana ity ilay fanavaozana?

ET:  Amin'izao fotoana izao aloha tsy mbola misy tena azo antoka: na dia ireo mpikambana ao amin'ny Kongresy aza dia tsy mahalala marina izay hiandry ilay fanavaozana sy ny fomba hivoarany ato anatin'ny volana vitsy ho avy. Mieritreritra aho fa aorian'ny fialantsasatry ny parlemanta ny volana Aogositra dia ho fantatra mazava ny toerana misy ny tsirairay, rehefa miverina any amin'ireo faritra iandraiketany avy ireo mpanao lalàna. Manantena aho fa, etsy andaniny, hampahatsiahivin'ireo mpifidy azy ireny ny antony hisoloan'izy ireo tena azy ao amin'ny Capitole, ary etsy ankilany kosa, ny zon'izy ireo hamaritra ny toerana raisiny manoloana ilay olana. Laviko ny hiresahana fiandrandràna vokatra tsara satria tsy mazava ireo fomba fijery. Kanefa, mino aho fa eo aminà kihondalana iray isika ka samy manana ny andraikiny ny rehetra. Na eo aza ireo teboka mikasika ity fanavaozana ity, izay tsy tiantsika sy ireo toetrany manokana, ny fanànana tetkasa iray miresaka fanovana ny fifindra-monina aloha dia efa vintana iray tsy azon'ny tsiraira lalovam-potsiny. Ireo mpikatroka sy ireo fikambanana dia manana adidy hivondrona ho mandatehezana iray mitambatra, raha tsy maintsy hijery ireo lafy madinika samihafa mikasika ilay raharaha kosa ireo mpanao gazety, mba hampatsiahivana ireo mpanao politika sy ny fiaraha-monina hoe tsy resaka fiarovana ara-miaramila ny sisintany fotsiny io. Aza adinointsika ireo izay hahazo tombontsoa amin'izany ary ireo toetra mampiavaka ireo vondrona samihafa ireo: ny sasantsasany amin'ilay lalàna dia miompana amin'ireo mpamboly, ny sasany amin'ireo DREAMers, sy ny sisa, ary mitoetra ny mety hanadinoana ireo tranga ireo. Misy ireo teboka manokana ao anatin'io drafitra mihoatra ny 1.000 pejy io, tsy azo aompana manokana amin'ny fiarovana ny sisintany fotsiny araka izany ny adihevitra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.