Fanambarana: Mpikatroka Aterineto Mitaky Ny Famotsorana Ilay Bilaogera Bahrainita Mohammed Hassan

MPIKATROKA ATERINETO MITAKY NY FAMOTSORANA ILAY BILAOGERA BAHRAINITA MOHAMMED HASSAN

Mitaky ny famotsorana an'i Mohammed Hassan (Safybh), tanora bilaogera Bahrainita sady mpiaro ny zon'Olombelona izay nogadraiana tao Bahrain nanomboka tamin'ny volana Jolay ny Global Voices Advocacy sy ny bilaogera manerantany.

Nosamborina sy nalaina tao an-tranony tao Sitra, Bahrain i Hassan ny marainan'ny 31 Jolay. Nalain'ireo mpitandro ny filaminana ny solosainy sy ireo fitaovana elektronika teny aminy. Notànana tao amin'ny Biraon'ny Famotorana momba ny Heloka Bevava ao Manama izy hatramin'ny 4 Aogositra, ary voalaza fa nafindra any amin'ny fonja Dry Dock ao an-tanànan'i Hidd avy eo.

Nosamborina tamin'ny 7 Aogositra ihany koa ny mpisolovavany, Abdulaziz Moosa, noho ny fanambarany fa niharan'ny fampijaliana tao am-ponja i Hassan.

Voampanga ho mpikambana ao amin'ny Tambajotra Media 14 Febroary i Hassan, izay manao fitakiana sy mandray anjara amin'ireo fihetsiketseham-bahoaka, mitarika fankahalana ny governemanta ary nifandray tamin'ireo mpikambana mpitsoa-ponenana avy ao amin'ny mpanohitra Bahrainita. Nitatitra ihany koa ireo loharanom-baovao maromaro fa niharan'ny vono izy tany am-ponja, ary noterena hiaiky ireo fiampangana hanenjehana azy.

Mitaky ny famotsorana an'i Hassan ny Global Voices Advocacy, tambajotra mpiaro ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra manerantany. Mavitrika amin'ny fanafainganana ny famotsorana an'i Hassan ilay mpikatroka Bahrainita sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices Ali Abdulemam, izay nitsoaka tao Bahrain rehefa niharitra fanenjehana nataon'ny manampahefana nandritra ny taona maro. Monina miaraka amin'ireo mpialokaloka politika ao Angletera izy ankehitriny, niangavy ireo fikambanana tsy miankina iraisampirenena sy ireo governemanta vahiny i Abdulemam mba hirotsaka an-tsehatra amin'ny anaran'i Hassan:

Mitaky ny famotsorana an'i Mohamed Hassan sy ireo bilaogera rehetra ary mpikatroka nogadraina noho ny ezaka nataon'izy ireo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy hahatonga ny fiarahamonintsika hisokatra bebe kokoa. Tsy tokony hatao sorona eo anatrehan'ny filaminana sy ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena ny zontsika amin'ny fahalalam-pitenenana sy ny famoriam-bahoaka.

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 2012, imbetsaka nanaovan'ireo manampahefana herisetra sy notànan'izy ireo i Hassan. Efa voaantso hatao famotorana izy tamin'ny volana Jiona 2012 noho ny lahatsoratra navoakany sy ny fandraisany anjara amin'ny fanohanana ny fanovana ao amin'ny firenena.

Efa ela i Hassan no nampiroborobo ny lanjan'ny demokrasia, ny fiarovana ny zon'Olombelona, sy ny fandriampahalemana ao Bahrain. Tamin'ny taona 2011, nandray anjara mavitrika tamin'ny dinika Bahrainita voalohany izy, izay notontosaina tao Manama. Bilaogera sady mpanoratra ao amin'ny Global Voices Online i Hassan ka matetika manoratra momba ny zon'olombelona sy ny politika ao Bahrain ao amin'ny bilaoginy, Safybh. Nitsahatra tsy nanoratra tao amin'ny bilaoginy intsony i Hassan nanomboka tamin'ny 29 Aprily 2013.

Miaro ny fahalalaham-pirenena ny Fanambarana ny Zon'olombelona sy ny Fifanekena Iraisampirenena momba ny zo sivily sy politika. Amin'ireo fehezan-dalàna roa ireo, nanaiky hiaro ny zon'ny olom-pireneny haneho hevitra an-kalalahana ny Fanjakana Bahrain. Nanipika imbetsaka ny Solontenan'ny Firenena Mikambana fa tsy maintsy hampiharina amin'ny media mahazatra sy amin'ny aterineto ireo zo ireo.

Manentana ny governemantan'i Bahrain izahay mba hamotsotra an'i Hassan ary miantso ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, ny governemanta vahiny ary ireo fikambanana matanjaka hafa mba hanohana anay amin'ny fiarovana ny fahalalahan'i Hassanand.

Raha mila fanampim-baovao na resadresaka, mifandraisa amin'i Hisham Almiraat (Talen'ny Global Voices Advocacy) na ko amin'i Ellery Biddle (Tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices Advocacy) ao amin'ny advocacy [at] globalvoicesonline [dot] org

 

FANOHANANA AN I SAFY

Manentana ireo mpamaky izahay mba hizara hanaparitaka ity vaovao ity. Ampiasao ny teny ifankafantarana #FreeSafy ka zarao amin'ny Twitter ny rohy amin'ity fanambarana ity na ilay tatitra vao haingana navoakan'ny Foiben'ny Zon'Olombelona ao Bahrain. Ampiasao ity sary fanentanana eto ambany ity mba hanasongadinana ity raharaha ity. Misaotra ny rehetra amin'ny fanohanana!

Illustration by Jafar al-Alawy

Sary avy amin'i Jafar al-Alawy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.