India : Taranaka Indizena Mihafongana ao Kerala

Kavita,Vao herintaona sy tapany monja, maty noho ny tsy fanjarian-tsakafo herinandro lasa izay, ankoatra ny antotanisa mampahonena amin'ny fahafatesan'ireo ankizy ao amin'ny foko Attappady, foko monina manodidina ny faritr'i Kerala, India ahitana mponina indizena maro dia maro.

Hatramin'ny fanombohan'ny taona 2013, efa 35 ny zanaky ny foko matin'ny tsy fanjarian-tsakafo tao Attappady. Maro ny gazety lehibe manerana ny firenena sy ireo haino aman-jery hafa nitatitra ity loza mahazo ireto ampaha-mponina anisan'ny mora andaira-pahavoazana indrindra ao India ity.

Mila kianina ny fahasalamana tsizarizary noho ny tsy fisian'ny toera-pitsaboana ao Attappady indrindra fa ireo vehivavy bevohoka, reny sy ny zaza, izay mitarika ny fahafatesan-jaza, hoy ny tatitry ny UNICEF.

Antony hafa mahatonga ity toe-javatra maharikoriko ity ihany koa ny tsy fahatongavan-tsaina ara-pandrosoana amin'ny fanimbana ny ala, ny fanesorana ireo vazimba teratany amin'ny faritra efa nahazatra azy sy ahazoany aina. Nitarika fanadihadiana momba ity tranga ity ny Dr. P K Sasidharan, Filohan'ny Departemantam-Pahasalamana Kolejy Medikaly ao Kozhikode, izay nilaza fa ny fandringanana ny ala (rohy pdf), ny fitomboan'ny fiaraha-monim-panjifana sy ny tsy fisian'ny fanentanana no tena antony nanimba ny fahasalamana tao Attappady.

A graphical representation of infant deaths y Noushad GD. https://plus.google.com/u/0/102420304124240855327/posts/cctcavf78cE

Fanehoana an-tsary ny fahafatesan'ny zaza. Avy amin'i Noushad

Rajendra Prasad, tonian'ny gazety-boky Gothrabhumi, gazety-boky miompana amin'ny resaka ara-poko, nilaza tao amin'ny Gazety Haindò fa raha mitohy izao maodelim-pivoarana izao, dia hihena isa haingana be mihitsy eo amin'ny taranaka roa na telo eo ny Attappady. Ny fikambanam-behivavy mpiray foko ao Attappady, ‘Thai Kula Sangham’ dia milaza fa mihoatra lavitra noho ny lazain'ny governemanta ny tena isan'ny ankizy maty noho ny tsy fanjarian-tsakafo.

Photo by Sivaram V in Attappady https://www.facebook.com/sivaramphotography

Sivaram naka sary tao Atapady. Nahazona alalana mampiasa azy.Photo by Sivaram V in Attappady. Used with permission

Na dia ny 50 isan-jato ny ankizy latsaky ny telo taona any India aza no tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo raha jerena ny antontanisan'ny UNICEF, dia mahalana izany tantaran'ankizy tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo izany ao amin'ny faritr'i Kerala noho ny fananany maodelim-pandrosona sy ny tobim-pahasalamana maro ao amin'ny fanjakana. Ny fanjakana [ao] no iray amin'ny taha-ambany indrindra amin'ny isan'ny zaza maty eo amin'ny firenena, izay tsy mena-mitaha amin'ny an'ny firenena mandroso: ny salanisa ankapoben'ny zaza maty any India dia 44 amin'ny 1000, fa ny ireharehan'i Kerala dia ny fananany salanisa ambany hatramin'ny 16 amin'ny 1000. Izany no manaitra ny maro any Kerala raha misy ny voina tahaka izany noho ny tsy firaharahian'ny governemanta mifandimby amin'ny ankapobeny.

Mbola manampy trotraka ihany koa ny ataon'ny minisitra maro amin'izao fotoana avy amin'ny Mandatehezana Demokratika Miray, tarihin'ny Antokon'ny Kongresy ao India, amin'ny famoahana fanambarana manafintohina mibedy ny reny ho mpidoroka toaka sy ny ankizy ho tsy mihinana araka ny tokony ho izy. Nahatonga fifandirana ny tenin'ny Minisitry ny kolontsaina K C Joseph nilaza fa ny fisotroana toaka “arrack” ataon'ireo reny mitondra vohoka no isany antony lehibe mahatonga fahafatesan-jaza any amin'ny faritra adivasi manodidina an'i Attappady.

Nitsipaka marindrano izany fihanaky ny fisotroan-taoka izany i Prabhu Das, Lehiben'ny fitsaboana tao amin'ny fiadidiam-panjakan'i Kottathara teo aloha tao amin'ny Hopitaly manokana hitsaboana ireo avy amin'ny foko sady lefitry ny manampahefana ara-pahasalamana ao amin'ny distrikan'i Palakkad amin'izao fotoana izao, izay namoaka zaza mahatratra 3000 ihany koa tao amin'ny ankohonan'ny foko tao Attappady nihoatra ny 15 taona lasa izay, fa tsy mba nahita reny na iray aza izy ka nisotro zava-pisotro misy alikaola.

Photo by Sivaram V in Attappady https://www.facebook.com/sivaramphotography

Sarin'i Sivaram V tao Attappady. Nahazoana alalana.

Na dia miezaka mampiranty ny zava-misy aza ireo mpitati-baovao sy haino aman-jery maro, dia manohy ny fomba mamohehatra hatrany ny governemanta. Nampitroatra ireo mpiray tanindrazana tao amin'ny tambajotra zany.

tUskEr kOmbAns, blaogera iray sy mpiondana Google Plus, nanoratra mikasika ny fahasalamana amin'ny ankapobeny ao Attappady:

#ATTAPPADY ഇക്കഴിഞ്ഞ ഒന്നര വര്ഷം കൊണ്ട് മരിച്ചു വീണത് 52 കുഞ്ഞുങ്ങള്. കഴിഞ്ഞ ബുധനാഴ്ച മാത്രം രണ്ടു ശിശു മരണങ്ങള്. മതിയായ ഡോക്ടര്മാര് ഇല്ലാത്തത് കാരണം രോഗികളെ കോഴിക്കോട്ട് ഗവ. മെഡിക്കല് കോളെജിലേയ്ക്ക് കൊണ്ടുപോകേണ്ടി വരുന്ന ഇവിടുന്ന് അവശരായ രോഗികളെ കൊണ്ടുപോകുന്ന വഴിയില് ആംബുലന്സ് പണി മുടക്കി വഴിയില് കിടന്ന് പലരും മരിയ്ക്കുന്നതും നിത്യ സംഭവം. സ്പെഷലിസ്റ്റ് ഡോക്ടര് ആയി ഇവിടെ ആകെ ഒരു ഗൈനക്കോളജിസ്റ്റ് മാത്രമേ ഉള്ളൂ. ഇവിടുത്തെ നിരക്ഷര-ദരിദ്ര നിത്യപട്ടിണിക്കാരുടെ പ്രധാന ആശ്രയമായ കോട്ടത്തറ ഗവ. ട്രൈബല് ആശുപത്രിയില് ഉപയോഗിയ്ക്കുന്നത് ഭവാനിപ്പുഴയില് നിന്ന് നേരിട്ട് പമ്പ് ചെയ്ത് എടുക്കുന്ന കലക്ക വെള്ളമാണ്. ആശുപത്രിയ്ക്ക് വേണ്ടി ശുദ്ധജലം ലഭ്യമാക്കാന് മുറവിളി തുടങ്ങിയിട്ട് കാലം ഏറെയായെങ്കിലും നാളിതുവരെയായി ജലം ശുദ്ധീകരിയ്ക്കാനോ, പാക്ക് ചെയ്ത ശുദ്ധജലം ലഭ്യമാക്കാനോ വേണ്ട യാതൊരു നടപടികളും സര്ക്കാറിന്റെ പക്ഷത്ത് നിന്ന് ഉണ്ടായിട്ടുമില്ല.

52 ny ankizy maty nandritra izay heritaona sy tapany lasa izay. Noho ny tsy fahampian'ny mpitsabo, dia voatery mandeha any amin'ireo hopitalin'ny Kolejim-Pitsaboana ao Kozhikode ny hotsaboina. Nefa noho ny fitohanan'ny fifamoivozana, maro ny marary maty an-dalana. Iray monja no mpitsabo spesialista ao amin'ny faritra Attappady, izay mpitsabo misahana ny vohoky ny vehivavy. Maro amin'ireo mponina mahantra voretra monina amin'iny faritra iny no manovo rano eo amin'ny reniranon'i Bavani izay tena maloto tokoa. Eny fa na ny hopitaly aza dia mahazo io rano io koa. Tsy nisy nataon'ny governemanta hanatsarana izany toe-draharaha izany

Sreekanth Nair, izay mpampiasa ny Google Plus koa, dia menatra noho ny zava-misy ary mandrabiraby ilay mpilatron'i Kerala ankalazaina indrindra:

ചർച്ചകൾ ഇങ്ങനെ നീണ്ടു പോകാൻ തന്നെയാണ് സാധ്യത , വിദേശ രാജ്യങ്ങൾക്ക് ഒപ്പം ആരോഗ്യ രംഗത്ത് മികവു കാട്ടിയ കേരളത്തിൽ 36 കുട്ടികൾ പോഷക കുറവ് മൂലം മരിക്കുകയോ ?. ആയിരക്കണക്കിന് ഡോക്ടർമാർ ഉള്ള സംസ്ഥാനത്ത് ജോലി ചെയ്യാൻ ആളെ കിട്ടാതെ വരികയോ ?. കോടികൾ ഒഴുക്കുന്ന എമെർജിംഗ് കേരള ഉള്ള നാട്ടിൽ പട്ടിണിയോ ?. നാലാൾ അറിഞ്ഞാൽ കേരളത്തിന്റെ അന്തസ്സ് എവിടെ പോകും ?. ജീവന് വിലയില്ലാത്ത മുപ്പത്തിയാറ് കുട്ടികളെ ഓർത്ത് നാണം കൊണ്ട് തല താഴ്ന്നു പോകുന്നു എന്നതാണ് സത്യം.

Matoky aho fa tsy hisy tsoa-kevitra ny ady hevitra. Mihevitra ny miara-mijoro amin'ny firenena mandroso isika nefa ankehitriny dia misy zaza 36 maty noho ny tsy fanjarian-tsakafo eto amintsika. Anarivony ireo mpitsabo eto amin'ny fiadidiam-paritra nefa tsy misy mba misy iray miasa ao amin'ny faritra Attappady. An-tapitrisa ny ropia indiana no lany amin'ny programam-pampandrosoana amin'ilay Kerala mihamisongadina fa misy hanoanana mitsilotsilo any amin'ny ankohonana samihafa any? Menatra ny tenako aho ary na ireo zaza velona ary moa toa tsy misy vidiny amin'ity fiadidiam-paritra ity.

Kunjaali Kk namaly bontana tamin'ny lahatsoratra mitovitovy aminy, izay nalahelo mafy amin'ny krizy ao Attappady:

കേരളത്തിൽ അട്ടപ്പാടിയിൽ മരിക്കുന്നതിന്റെ അൻപതിരട്ടി ആളുകൾ വാഹനാപകടങ്ങളിൽ ഓരോ വർഷവും മരിക്കുന്നു, ആശുപത്രികളിൽ സൌകര്യങ്ങൾ ഇല്ലാത്തതിന്റെ പേരിൽ ശരിയായ ചികിത്സ കിട്ടാതെ മരിക്കുന്നു, കൊട്ടേഷൻ ടീമുകൾ ഒരു തെളിവും ബാക്കി വെക്കാതെ ആളുകളെ കൊല്ലുന്നു. ഇതിനെക്കുറിച്ചൊന്നും പറയാത്തതെന്തേ? ഒരു മനുഷ്യന്റെയും ജീവൻ മറ്റൊരാളുടെതിനേക്കാൾ മെച്ചമല്ല, മോശവുമല്ല. അതോ ഇതൊന്നും സർക്കാരിന്റെ ഉത്തരവാദിത്വം അല്ലേ?

അപ്പൊ നമ്മൾ ദീനാനുകമ്പൻ ആകണം എങ്കിൽ അട്ടപ്പാടിയെയും ആദിവാസിയെയും പറ്റി പറഞ്ഞു കരയണം, അതാണ്. വേറെ എന്തൊക്കെ വിഷയങ്ങൾ ഉണ്ടായാലും പുട്ടിന് പീര ഇടുന്ന പോലെ ഇടയ്ക്കിടെ അട്ടപ്പാടി, ആദിവാസി എന്നൊക്കെ പറഞ്ഞു കൊണ്ടേ ഇരിക്കണം.

Mbola misy maro hafa koa, efa ho in-50 avo heny mihitsy, no maty amin'ny fomba na loza samihafa nandritra ny taona, izay tena mbola ratsy lavitra noho ny ao Attappady. Misy ireo marary maty noho ny tandrevaka tao amin'ny hopitaly,misy koa ireo mafia manomo olona noho ny antoka nanaovana findramam-bola. Nahoana moa no tsy misy na iray aza mahatsiaro ho tohina manoloana izao fahafatesana izao? Tsy misy fahafatesana tsara na ratsy kokoa noho ny an'ny hafa. Moa ve tsy andraikitry ny governemanta izany rehetra izany? Noho izany, mba hahazoana fitia, mila ranomasom-boay ho an'ireo olon'ny foko sy ny Attappady izahay. Na dia maro aza ny zavatra hafa mitranga, dia ity ihany no lohahevitra tian'ny rehetra vazovazoina.

Manahy ny maoralin'ny olona i Ramachandran Vettikkat ka nanoratra:

അട്ടപ്പാടിയിലെ മരിച്ച് വീണ കുഞ്ഞുളെ അപഹസിച്ച് കൊണ്ട് ഒരു ഭരണാധികാരി നടത്തിയ പരാമർശം ഒന്ന് മതിയായിരുന്നു തെരുവുകൾ കത്തിയമരാൻ. അവനവന്റെ ജാതിയിലും മതത്തിലും രാഷ്ട്രീയത്തിലും സവർണ്ണത നടിക്കുന്ന ഒരു ജനതയിൽ നിന്ന് ദളിതരുടേയും ആദിവാസികളുടേയും പ്രശ്നങ്ങളിൽ അങ്ങനൊന്ന് പ്രതീക്ഷിക്കാനാവില്ല തന്നെ.

Ny hany mba teny nandrenesana ny minisitra dia fanamasohana ireo ankizy tao Attapady izay mihoatra noho ny fanalam-baraka ankapobeny an'i Kerala. Nefa ny mponiny dia miahy momba ny sarangany, fiainany andavanandro, finoany ary ny antoko politikany monja.Tsy misy miraharaha izany resaka foko izany.

Sajith N, izay mpiantoka trano, mba mametram-panotaniana mampieritreritra ny rehetra:

Lohalaharana eo amin'ny fivelaran'ny mahaolona ao India i Kerala .. saingy mbola mitoetra ho sakana ho an'ny foko ny tsy fahampia-tsakafo sy ny fahafatesana

Mpanao gazety Biju Govind nilaza ny fihetsiky ny governemanta:

Nanararaotra nanambaka ireo foko mahantra na Attappady izany na Wayanad ny fitondrana mifandimby tao Kerala notarihan'ny Antokon'ny Kongresy sy ny CPM mbamin'ireo mpiara-dia aminy avy

Mila fandrosoana sy foto-drafitrasa ny firenena. Kanefa raha manadino ny ny fandrosoana ara-tsosialy kely indrindra mitodika any amin'ny reny sy ny zaza, ary manaisotra ny ankamaroan'ny mponina indizena, dia ahoana no hanonerany izao taranaka very izao?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.