SARIPIKA: Mametraka an-tSarintany ny Zavakanto An-Tanandehibe ao Buenos Aires sy ny Ankoatra Azy

Izay noheverina tamin'ny voalohany ho aingam-panahy mandalo na fandanian'andro no lasa fanehoana ara-javakanto zary lasa fahita eny amin'ny lalambe sy ny rindrin'ny tanandehibe amin'izao fotoana izao.

Manasa antsika hijery, hizara, hizaha ary hanangana amin'ny alalan'ny bilaogin'izy ireo antsoina hoe Escritosenlacalle [es] [Soratsoratra eny an-dalambe] ireo Arzantiniana Alejandro Güerri, Fernando Aíta ary Tomy Lucadamo:

Mirar la ciudad con otros ojos, pensar y charlar sobre lo que nos dicen las paredes.
Compartir fotos de graffiti, ubicarlos en un mapa, trazar relaciones.
Recorrer el paisaje urbano prestando atención a lo que las personas
escriben y pintan en los espacios comunes.
Construir un archivo visual, lingüístico, de tipografías, de las ideas y
sentimientos que se expresan en la calle.

Jereo amin'ny fijery hafa ny tanàna, eritrereto sy resaho izay lazain'ny rindrina amintsika.
Zarao ny sarin'ny graffiti, apetraho anaty sarintany, soritsorito ny fifandraisany.
Zahao ny tontolo manodidina ao an-tanàna amin'ny itodihana any amin'izay soratana sy lokoin'ny olona eny amin'ireny toerana iraisam-bahoaka ireny.
Manangàna tahirin-kevitra hita maso sy ara-pitenenana, miaraka amin'ny endri-tsoratra, hevitra sy fahatsapana mipoitra eny an-dalambe.

Ny tetikasa GraFiTi no mamela ny artita – na ny olo-tsotra – handefa ny saripikan'ny graffiti sy mametraka azy ireny an-tsarintany [es] hanondroana ny toerana misy ny graffiti.

Niainga tamin'ny fanangonana graffiti avy ao Buenos Aires ny tetikasa tamin'ny voalohany, saingy efa ahitanao sary avy amin'ny tanàna hafa ao Argentine izany, tahaka ny ao Neuquén, Córdoba na Rosario. Ahitanao saripikan'ny graffiti avy amin'ny firenena hafa tahaka an'i  Santiago (Chile), Santa Cruz (Bolivia), ary Montevideo (Uruguay) aza ao.

Manoratra ny tetikasa ao amin'ny Yoroboku [es] i Alejandra Inzunza:

En 2010, tres colegas argentinos (Alejandro Güerri, Fernando Aíta y Tomy Lucadamo) montaron una página web para registrar todos los grafitis interesantes que había en las paredes. Empezaron por fotografiarlos y publicarlos en Escritosenlacalle para construir un archivo visual y lingüístico de tipografías, ideas y sentimientos expresados en la calle.

Desde entonces, el proyecto no para de crecer. Los lectores envían por mail escritos que se encuentran en los muros y dejan su dirección exacta para construir un mapa digital del grafiti y la poesía que se esconde en él.

Tamin'ny 2010 ny mpiara-miasa telo avy ao Argentina (Alejandro Güerri, Fernando Aíta ary Tomy Lucadamo) no nanangana tranonkala hanangonana ny graffiti mahaliana rehetra eny amin'ny tamboho [manerana ny tanàna]. Nanomboka tamin'ny fanapihana an-tsary ireo graffiti ry zareo ka namoaka izany tao amin'ny Escritosenlacalle mba hananganana tahirin-kevitra hita maso sy ara-pitenenana, miaraka amin'ny endri-tsoratra, hevitra sy fahatsapana mipoitra eny an-dalambe.

Hatramin'io fotoana io dia tsy nitsaha-nivelatra ny tetikasa. Nandefa imailaka ireo soratsoratra an-drindrina miaraka amin'ny adiresy marina ahitana izany ny mpamaky mba hananganana sarintany nomerikan'ny graffiti sy ny aingam-panahy [poezia] ao ambadiny.

Navahan'ny blaogy [es] ho ara-tsokajy ny saripikan'ny mpiserasera

Ao amin'ny sokajy “Delirios” [es] (rediredy) no ahitantsika sary tahaka izao:

imagen de Alejandro Guerri, fotografiada en el barrio de Chacarita, Buenos Aires

Chacarita, Buenos Aires, Argentina. Sary nalefan'i  Alejandro Guerri.

Ity indray graffiti ao amin'ny sokajy “Preguntas” [es] (fanontaniana):

Graffit en Venezuela 2000, San Cristóbal, Buenos Aires Imagen de Fernando Aita

“Nahoana?” Graffiti ao Venezuela 2000, San Cristóbal, Buenos Aires, Argentina.
Saripika nalefan'i Fernando Aita

Araka izay mety ho eritreretinao avy amina blaogy ao Argentina azy, dia misy ihany koa ny sokajy antsoina hoe fútbol [es] (football):

Graffiti en Av. Belgrano 1550, Avellaneda, Buenos Aires Imagen de Fernando Aita

Graffiti ao amin'ny Av. Belgrano 1550, Avellaneda, Buenos Aires, Argentina.
Saripika nalefan'i Fernando Aita

Balvanera 300, Vieja Terminal, Ciudad de Salta, Salta, Argentina

Balvanera 300, Gara taloha, Salta, Argentina. Sary nalefan'olona tsy nitonona anarana.

Nahazo fanohanana avy amin'ny fikambanana isan-karazany ny tetikasa, tahaka ny ‘Vatsim-pirenena ho an'ny tetikasam-bondrona 2009′ avy amin'ny Famatsiam-bola Nasionaly ny zavakanto ao Argentina, sy ‘Fanampiana ho an'ny mpamorona ara-literatiora sy ara-kevitra’ avy amin'ny Famatsiambola Metropolitana ho an'ny Kolontsaina, Zavakanto ary ny Siansa ao amin'ny tanànan'i Buenos Aires.

Av. Montes de Oca 6, Barracas Mandado por: GRaFiTi

Av. Montes de Oca 6, Barracas, Buenos Aires, Argentina. saripika nozarain'i GRaFiTi

Dorrego 1800, Colegiales, Ciudad Autonoma de Buenos Aires, Buenos Aires, Argentina Mandado por: Leandro Giovinazzi

Dorrego 1800, Colegiales, Buenos Aires, Argentina. Saripika nalefan'i Leandro Giovinazzi

Sargento Cabral 300, Rosario, Santa Fe Mandado por: GRaFiTi

Sargento Cabral 300, Rosario, Santa Fe, Argentina.
Saripika nozarain'i GRaFiTi

Azonao atao ny mandefa ny sarin-javalanto an-tanandehibe any aminao amin'ny alalan'ny fanindriana (fitendrena) ny ‘Mandar graffiti‘ [es] (alefaso ny graffiti).

Azonao atao ihany koa ny manaraka ny tetikasa amin'ny alalan'ny Facebook [es] Twitter [es], ary Flickr [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.