SARY: Tatitra momban'ny Tondra-drano Avo Any Amin'ny Renivohitr'i Filipina

Niteraka tondra-drano avo tany Metro Manila sy ireo faritany akaiky any Filipina ny rivomahery tropikaly narahin-korana Maring (mitondra ny anarana iraisam-pirenena Trami) izay nahafaty olona 8, maratra 41, ary 4 tsy hita.

Araka ny tatitry ny governemanta, fianakaviana 125.348 (olona 602.442) no tratran'io rivomahery narahin-korana io. Ny harivan'ny 20 Aogositra, 40.837 ireo olona mbola nomena fialofana any amin'ireo tobin'ny tra-boina miisa 198. Arabe lehibe 65 no tsy azo aleha noho io tondra-drano io. Manodidina ny faritra 415 any amin'ireo fivondronana/tanàna 68 no nahitana tondra-drano. Fisidinana am-piaramanidina 162 (59 iraisam-pirenena ary 103 ao an-toerana) no najanona noho io rivomahery io.

Nampiasa ny tenifototra #maringPH sy #floodPH ireo Filipiana hanaraha-maso io trangana tondra-drano ao Manila sy any amin'ireo faitra akaiky azy io. Ireto ambany ireto ny sary vitsivitsy ao amin'ny Twitter sy Facebook izay mampiseho ny fihitaran'io tondra-drano io.

Image from World Vision

Sary avy ao amin'ny World Vision

A flooded village south of Manila. Photo from @erwinlouis

Vohitr'i Manila tratran'ny tondra-drano. Sary an'i @erwinlouis

Flood in Marikina, east of Manila. Photo from Facebook page of Prospero De Vera

Tondra-drano tany Marikina, atsinanan'i Manila. Sar avy ao amin'ny pejy Facebook an'ny Prospero De Vera

Photo by YouScooper Jefferson Levie, from Facebook page of GMA News

Sary an'i YouScooper Jefferson Levie, avy a amin'ny pejy Facebook an'ny GMA News

A flooded university in Manila. Photo by Salina Teo, from the Facebook page of TomasinoWeb!

Anjerimanontolo tratran'ny tondra-drano tany Manila. Sary an'i Salina Teo, avy ao amin'ny pejy Facebook an'ny TomasinoWeb!

Knee-deep flood in Manila. Photo by Jam Sisante

Tondra-drano manafotra lohalika any Manila. Sary an'i Jam Sisante

Flood near the country's main business district. Photo by @siao88

Tondra-drano any akaikin'ny faritry ny raharaham-barotry ny firenena goavana indrindra. Sary an'i @siao88

Flood near Manila City Hall. Photo by Manila Bulletin

Tondra-drano any akaikin”ny lapan'ny tanànan'i Manila. Sary an'i Manila Bulletin

Flood in Guagua, north of Manila. Photo from Facebook page of The College Mirror

Tondra-drano any Guagua, avaratr'i Manila. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook an'ny The College Mirror

Flood in the old downtown of Manila. Photo by Philippine Star

Tondra-drano any amin'ny afovoa-tanàna tranainin'i Manila. Sary an'i Philippine Star

Flood in Makati, the country's central business district. Photo by Ryan Chua

Tondra-drano any Makati, faritra ivon'ny raharaham-barotry ny firenena. Sary an'i Ryan Chua

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.