Te-hanara-maso Ireo Resadresaka Ao Amin'ny Rindrambaiko LINE I Thailandy

Manohy ny famoretany i Thailandy amin'ny fanaraha-maso ny Aterineto – tamin'ity indray mitoraka ity dia ny ridrambaiko fandefasan-kafatra “LINE” indray no nokendreny.

Nanambara ny Technology Crime Suppression Division (TCSD – Sampana Misahana ny Fanafoanana ny Asaratsy amin'ny Teknolojia) fa mikasa ny “hanara-maso” ireo resaka ao amin'ny LINE sy ireo vohikala hafa tahaka ny Facebook, YouTube, ary ny WhatsApp izy mba hamafana ireo “fandrahonana” ny fiandrianam-pirenena. Milaza ny TCSD fa:

Mila azonay antoka fa mitandro ny filaminana, ny fiarovana ary ny fitsipi-pitondrantena aty Thailandy izahay.

lineMino ny governemanta fa tsy hanitsakitsaka ny zon'ny olom-pirenena sy ny tsiambarantelony ny fanaraha-maso ireo resaka ao anaty aterineto.

Ny lahara-pahamehanay dia ny fahazoana antoka fa tsy misy olona mandika ny lalàna mifehy ny heloka ao anaty aterineto, sy ny fahazoanay alalana avy amin'ireo mpandrindra ny LINE.

Miresaka amin'ny governemanta Thai mikasika io olana io ny vondron'orinasa LINE mipetraka any Japana amin'izao. Raha mizotra ara-dalàna ny zava-drehetra (ho an'ny governemanta Thai), hisy fiantraikany any amin'ireo mpampiasa LINE 15 tapitrisa any Thailandy io fepetra io. Manantena ny TCSD fa hanaiky ho ‘lohalaharana amin'ny fanaraha-maso’ enti-manohitra ireo fihetsika fanaovana heloka be vava ny LINE:

Te-hanao ny vondron'orinasa LINE ho loha-laharana amin'ny fanaraha-maso izahay ary handefa aminay izay mety ho hetsika ‘mampiahiahy’ ao amin'ny rindrambaikony.

Toa hanaraka ny dian'ireo orinasa misahana ny Aterineto tahaka ny Google, ny Twitter sy ny Youtube ny LINE, izay nanaiky ny fangatahan'ny governemanta hamafana ny zavatra ao anaty Aterineto ka manala baraka ny fanjakana. Ny Lalàna Mikasika ny Heloka Be vava ao anaty Solo Saina natao tamin'ny 2007 dia mitana ireo olona ivelany ho tompon'andraikitra amin'ny fandikana ny lalàna ataon'ireo mpampiasa Aterineto.

Nampitroatra ny vahoaka Thai, na ny mpampiasa aterineto na tsia, ny ezaka navaozin'ny governemanta hametra ny fahalalahana ao anaty Aterineto. Namoaka fanambarana tao anaty gazety ny Thai Netizen Network, vondrona iray fisoloana vava ny Aterineto, izay manameloka ity hetsika ity ho fanitsakitsahana ny tsiambarantelon'ny tsirairay. Naneho ahiahy ny amin'ny maha-ara-dalàna ity ezaka fanaraha-maso vaovao ity ihany koa ny Filan-kevitry ny Mpisolovava ao Thailandy.

Mila manome toky ny governemanta fa tsy mandika ny lalàm-panorenana izany, izay raha azavaina dia milaza fa tsy maintsy manaja ny zon'ny olon-tsotra sy ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ireo masoivohom-panjakana.

Ao anaty Aterineto, niakatr'afo toy izany koa ny vahoaka noho ity vinavina fanaraha-mason'ny governemanta ity. Nilaza i Valentika tanatina sehatra fiadian-kevitra malaza ao anaty aterineto, Pantip, fa ahitana fandikana ny tsiambaratelo ny ezaky ny LINE na ny governemanta hiditra an-tsokosoko anatin'ny resaky ny olona.

Tamin'ny faran'ny tontoloandro, tsy samihafa amin'ny fanaraha-maso ny findain'ny olona iray ny fanaraha-maso ny resaky ny olona tsotra roa ao anatin'ny LINE. Tsy misy firenena mandroso hanaiky izany mihitsy.

Manoratra ao amin'ny sehatra fiadian-kevitra Kapook i Koh Hai Loke Sa-ngob Suk:

Miha-hafahafa isanandro ity governemanta ity. Milaza izy ireo fa governemanta demokratika nefa manao didy jadona. Tsy maintsy manohitra isika.

Nampiseho fanoherana matanjaka manoloana ny hetsika vaovaon'ny governemanta hanara-maso ny LINE ny fitsapan-kevi-bahoaka farany nataon'ny NIDA. Eo amin'ny 74 isanjaton'ireo namaly no tsy miombon-kevitra amin'izany fepetra izany, milaza fa manivana ny fahalalahana miteny ny governemanta amin'ny fanononany ny fiandrianam-pirenena.

Anivon'ireo olana noresahana hanoherana ny Praiminisitra Yingluck Shinawatra ny fifehezana ny fampahalalam-baovao sy ny fanaraha-maso ny Aterineto. Voafetra ny vokatry ny fanoheram-bahoaka ny hetsika farany nataon'ny governemanta hamerana ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao, nefa mety hitombo ny akon'izany hetsi-panoherana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.