LAHATSARY: Fitroarana am-binaingitr'i Brezila voarakitra an-dahatsary mahaleotena mitondra ny lohateny hoe ‘Fandrobana’ [‘Com Vandalismo’]

Ao anatin'ny fitantarana manokana momba ny Fitroarana am-binaingitra ao Brezila ity lahatsoratra ity

[Ny rohy rehetra dia mankany amin'ny pejy miteny portiogey, ankoatra izay marihana manokana.] 

Tao anatin'ny olona nanao diabe teny an-dalan'i Fortaleza, Brezila ho fanoherana ny governemanta vao haingana, nisy mpanao gazety efatra anaty vondrona iray, avy amin'ny Coletivo Nigéria nitondra fakantsary an-tanana vonona handrakitra ny zava-drehetra. Ny vokatr'izany dia lasa sarimihetsika mahaleotena antsoina hoe [“Fandrobana”] “Com Vandalismo”.

Nampisy fiovana tamin'ny fomba fitantarana ny krizim-pitokisana ny gazety breziliana mahazatra manoloana ny mpanao fihetsiketsehana, izay nahatery ny gazety be mpanaraka hanokatra sehatra ho an'ny “lanjan'ny fitaovam-pampitam-baovao” [“mass of medias”] nipongatra avy eny an-dalambe. Niaraka tamin'ny fampitana mivantana nataon'ny Midia Ninja, vondrona mpanao gazety tsy miankina [en], ny lahatsary noraketina nandritra ny fihetsiketsehana no lasa fiteny ofisialin'ny fihetsiketsehana, hatrany avaratra ka hatrany atsimon'ny firenena. Na vitsy amin'izy ireo aza no afa-namintina ny tsiron'ny fitroarana nasionaly tahaka izay vitan'ny [“Fandrobana”].

Tamin'ny alalan'ny sary zara raha namboarina sy lavalava ihany no itsikeran'ny lahatsary ny fomba famoahan'ny fampitam-baovao nentin-drazana ho fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpandroba sy namoahany ny lafiny hafa amin'ny fihetsiketseha-panoherana, miresaka momba ny antony mialoha ny fiantraikany. Ny fanambin'ny mpanao sarimihetsika hatramin'ny sehatra voalohany dia ny: “Inona ny antony manetsika ny tsy fankatoavan-tsivily [-mbahoaka?]?”

Cartaz do documentário Com Vandalismo na página de Facebook do Coletivo Nigéria.

Afisin'ny sarimihetsika “Com Vandalismo”, ao amin'ny pejin'ny Coletivo Nigeria ao amin'ny Facebook.

Na dia nampiseho ny zava-nitranga tao Fortaleza, Ceara nandritra ny volana jona sy jolay 2013 monja aza no nataon'ilay lahatsary, dia azo anaovana topimaso ankapobeny ny zava-nitranga nanerana ny firenena izany. Nanaraka ny fizotry ny fihetsiketsehana tany amin'ilay tanàna any avaratra atsinanan'ny firenena ny fanadihadiana, hatramin'ny niandohany raha nidina an-dalambe hanohitra ny fanemorana ny famoahana ny karatra maha-mpianatra azy ireo ny mpianatra, dia nitohy izany rehefa nivadika ho lehibebe kokoa ny fitakiana, tahaka ny fahasalamam-bahoaka, ny fampianarana ary ny politika. Koa satria moa nitranga tany amin'ny fanjakana hafa izany toe-javatra izany dia arakaraky ny fitomboan'isan'ny mpanao fihetsiketsehana no nahamaro ny karazam-pitakiana sy ny antony nanetsika azy ireo hany ka nampisarasaraka sy nampanjavozavo ny hevitra tao amin'izy ireo.

Amin'ny tabataban'ny gazety sy ny polisy izay manameloka ireo “mpandroba”, ny asehon'ny mpanatontosa sarimihetsika kosa ny andanin'izay tabatabain'ny mpanao fihetsiketsehana hoe: “Ny fanjakana no mpandroba”. Izany toe-javatra hita ao amin'ny sarimihetsika izany no ahafahana manaitra amin'ny lohahevitra tahaka ny fanesorana ny olona amin'ny taniny mba hanaovana foto-drafitrasa amin'ny Mondialy sy ny herisetra ataon'ny polisy miaramila ankoatra ireo izay tsy voatanisa.

Nanome isa [ny heviny] ny filma tahaka izao ny Agencia Publica, izay sampan-draharaham-panaovan-gazetim-panadihadiana mahaleo tena [en] niaraka niasa tamin'ny Nigeria:

Um relato/reflexão realizado no calor da hora, em que a cronologia dos fatos, a variedade de ângulos e de entrevistados, e a sobriedade dos jornalistas, contribuem para criar um panorama completo das manifestações em Fortaleza, revelador para os que buscam compreender quem é e o que deseja essa juventude que está nas ruas das capitais brasileiras.

Eritreritra/tatitra vokatra avy ao amin'ny vainafon'ny fotoana ka ny fizotry ny zavanisy, ny zoro isan-karazany, ny tafatafa nifanaovana tamin'ny olona, ary ny fanetre-tenan'ny mpanao gazety ho ahafahana mijery ankapobeny ny fihetsiketseha-panoherana ao Fortaleza, mampiseho amin'ireo te-hahazo an-tsaina ny faniriana sy ny tadiavin'ireo  tanora nibodo ny arabe tany amin'ny tanàndehiben'i Brezila.

Jereo eto ny “Com Vandalismo” miaraka amin'ny dika an-tsoratra amin'ny teny anglisy:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.