Ejipta : Samihafa Ny Isan'ny Lasibatra Mivoaka Amin'ny Fanaparitahana Ny Sit-in Ataon'ny Mpanohana An'i Morsi

Aparitaky ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao ny Sit-in roa ao Kairo amin'izao fotoana izao, saingy manjavozavo sy mifanipaka ny isan'ny lasibatra. Mandeha mivantana amin'ny fahitalavitra izany toe-javatra izany.

Ireo Sit-in roa ireo dia samy an'ny mpanohana ny filoha naongana Mohamed Morsi, anisan'ny loholona ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana izay notapahina ho herintaona ny fe-potoana niasany tamin'ny 3 jolay taorian'ny fihetsiketsehana goavana nitakiana ny fialàny sy ny fitakiana hanatanterahana alohan'ny fotoana ny fifidianana.

Tao anatin'ny herinandro maromaro izao ny mpanohana an'i Morsi sy ny Mpirahalahy Miozolomana no nilasy teo amin'ny kianja Rabaa Al Adawiya, ao Nasr City, sy ao amin'ny kianja Al Nahda, akaikin'ny Oniversiten'i Kairo, nitaky ny hamerenana ny “ara-drariny” na ny famerenana an'Atoa Morsi eo amin'ny toerana maha-filoha voafidin'i Ejipta azy.

Manoloana izao fanaparitahana an-kerisetra ny fibodoana izao, taorian'ny fandrahonana efa herinandro maromaro izao, dia miantso ny hampitsaharana ny ra mandriaka ny Ejipsiana.

Misioka i Eman Hashim :

Mbola darohan'ny polisy sy ny tafika hatrany ny sit-in ao #Rabaa, ozonin'ny herin'ny ratsy roa miady i Ejipta.

Araka ny filazan'ny mpitondra tenin'ny Mpirahalahy Miozolomana Gehad El-Haddad, mihoatra ny 250 ny olona maty ary mihoatra ny 5.000 ny maratra. Misioka izy :

250+ ny voamarina fa maty. Milaza ny dokotera fa ho faty ihany koa ireo maratra mafin'ny bala. Mihoatra ny 5.000 ny maratra. Ny fandripahana goavana indrindra hatramin'ny nisian'ny #coup

A screenshot from Al Jazeera Mubasher showing the action in Egypt unfolding live

Pikantsarin'ny Al Jazeera Mubasher mampiseho eo noho eo ny bemidina any Ejipta

Hafa noho izany ny isa voalaza any an-kafa :

Araka an'i Ahmed El Ansary, tale lefitry ny Sampan'ny Vonjy Taitra : 50 ny maratra ary 4 ny maty ao #Rabaa sy #Nahda

Nahamarika i Mahmoud Faisal ka nanesoeso :

Al Jazeera: 150 tapitrisa ny maty ary 2 miliara ny maratra ao Rabaa fotsiny ihany ary mbola ampian'ny “Power Rangers” sy ny “Tortues Ninja” (Sokatra Ninja) koa ny mpitandro ny filaminana avy any amin'ny Foibe hanaparitahana ireo mpanohitra ao Rabaa

Mamehy ny fahatsapan'ny maro amin'ny fisian'ny filazana isa mifanohitra tahaka izany ny bilaogera ejipsiana Mahmoud Salem :

Efa voaaisotra ny sit-in ao Nahda, an-dalana ny any Rabaa, tatitr'isa mifandàka momba ny isan'ny maty eo amin'ny roa tonta. Fifandonan'ny fitantarana. Aza mino na iza na iza.

Nanampy izany ilay mpaneho hevitra Arabist :

Hanamafy ny olana efa nisy hatramin'izay eto Ejipta ny fifandonana amin'ny Mpirahalahy Miozolomana : Tsy fisian-dalàna ao Sinaï, ny fifanavahan'ny samihafa fivavahana (indrindra ny ao Ejipta)

Misy ny fiantraikan'izany any an-kafa. Mitatitra i Mariam Kirollos fa voatafika ny Coptes, ireo kristiana any Ejipta :

Tahaka ny hoe misy manafika amin'izao fotoana izao ny Kôpta ao Delga, Minya.

Aza miala hanaraka ny vaovao fanampiny.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.