Mpikatroka Saodiana Navotsotra Rehefa Nigadra Roa Taona

Notazonina am-ponja hatramin'ny volana marsa 2011 tao aorian'ny fandraisany anjara tamin'ny fihetsiketseha-panoherana ao amin'ilay fitondra-panjaka tsy mizara fahefana ilay mpikatroky ny zon'olombelona mavitrika Mohammed al-Bjadi. Androany 6 aogositra vao maraimbe, niantso ny fianakaviany izy ilazàny fa nisy didim-pamoahana azy hivoaka ny fonja.Ora vitsivitsy taorian'izany dia navotsotra ihany izy. Mpiara-manorina sy mpikambana ao amin'ny fikambanana mahaleo tena mpikatroky ny zon'olombelona ao amin'ny firenena antsoina hoe Fikambanana Saodiana ho Amin'ny Zo Sivily sy Politika (ACPRA) i al-Bjadi,.

Tamin'ny 20 Marsa 2011, nanday anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanoloana ny Minisiteran'ny Atitaty tao an-drenivohitra Saodiana Riyadh i al-Bjadi. Notsaraina miafina teo anoloan'ny fitsarana misahana ny fiarovana izy ary nodidiana higadra efa-taona noho ny vesatra ahitana ny fananganana fikambanana tsy nahazo alalana, fitazonana boky tsy ara-dalàna. Nandritra ny roa taona sy tapany i al-Bjadi no notazonina tany am-ponjan'i Riyadh sy Jeddah ary nanao fitokonana tsy hihinan-kanina maro ho fitakian-drariny.

Heni-pifaliana ny tontolon'ny Twitter Saodiana tamin'ny fandrenesana izany vaovao izany. Nitombo haingana dia haingana tao anatin'ny ora vitsy avy amin'ny 4000 ho any amin'ny manodidina ny 22000 ny mpanaraka azy [tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra].

Namaky lay tamin'ny famoahana ny vaovao tamin'ny dimy ora sy enina minitra maraina ny rahalahiny Medad al-Bjadi raha nisioka hoe [ar]:

#محمد البجادي. خبر عاجل تم الافراج عنه الحمدللله انا الان متوجه للتوقيع

@t3aun: Mohamad al-Bjadi..vaovao mafana navotsotra izy, isaorana Andriamanitra. Eto aho hanao ny sonia.

Nanazava ny mpikambana ao amin'ny ACPRA Abdullah al-Saidi:

اتصل #محمد_البجادي وأفاد بخروجه غداً بإذن الله تعالى وطلب من أشقائه الذهاب الى سجن الطرفية للتوقيع المصدر ابن عمه

@abdulllah1406: Niantso sy nampahafantatra [tamin'ny fianakaviany] i Mohammad al-Bjadi fa havotsotra izy rahampitso. Niangavy ny rahalahiny izy ho any amin'ny fonjan'i Terfiya hanao sy sonia. Loharanom-baovao: ny rahalahiny (zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-dreniny].

Tamin'ny 8:36 maraina no nisioka ny rahalahiny Medad:

تم خروجه النهائي الان الف مبروك للجميع

@t3aun: Tafavoaka ihany izy. Arahabaina ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.