Navotsotr'i Sodàna atsimo Ireo Mpanao Gazety Ogandey Nosamborina

Notazonina efatra andro tao Sodàna Atsimo ny mpanao gazety roa sy ny teratany mpitari-dalana mpanao gazety [Naotin'ny mpandika: avy amin'ny teny anglisy fa tsy teny frantsay: “fixer”] niaraka tamin-dry zareo noho ny filazana fa naka sarimihetsika tao an-drenivohitra tsy nahazo alalana.

Notazonin'ny Tafi-panafahan'ny Vahoaka Sodaney (SPLA) ireo mpanao gazety Ongandey roa nitsidika ny firenena, Hillary Ayesiga sy Justin Dralaze, mbamin'ny saofera sady mpitari-dalana mpanao gazety (“fixer”) Sodaney Tatsimo niaraka tamin-dry zareo, Sunday David Tut. Navotsotra ry zareo tamin'ny 31 jolay 2013 saingy noraràna tsy hahazo hiditra ao amin'ny firenena.

Nitatitra ny Reporters Sans Frontieres (Mpanangom-Baovao tsy voasaka-tsisintany) fa nosamborina izy telo mianadahy ireo teny an-dalana mankany amin'ny serana-piaramanidina Juba tamin'ny 27 Jolay, rehefa noheverina fa naka lahatsary tsy nahazoana alalana nanerana ny lalana. Taorian'ny fisamborana an-dry zareo dia voatatitra fa nalefa tany amin'ny foiben'ny Fiarovam-Pirenena, nohosihosen-jò tao anaty fepetra mampatahotra ry zareo.

Teo am-pamitana adidy hilaza vaovao, ho an'ny fampieleza-peo tsy miankina Feature Story News (FSN) avy any Etazonia, tao Juba i Ayesiga hitatitra ny “toe-draharaha ara-politika sy ara-pilaminana taorian'ny fanapaha-kevitry ny filoha President Salva Kiir handroaka ny mpikambana rehetra ao amin'ny kabinetrany tamin'ny 23 Jolay sy nandidy ny fisian'ny tsy fahazoana mivezivezy amin'ny alina ao an-drenivohitra,” araka ny tatitra nataon'ny Reporters Sans Frontieres. Miasa ao amin'ny fampielezam-peo Sodaney Tatsimo Liberty FM koa i Tut.

Nandritra ny fotoana nitazonana ireo mpanao gazety dia nifanentana tao amin'ny Twitter nampiasa ny teny ifankafantarana #FreeUgandaJournos handefa hafatra any amin'ny filohan'i Sodàna Atsimo hamotsorana azy ireo ny mpanao gazety ogandey sy ny mpiasan'ny media.

Rosebell Kagumire (@RosebellK) niantso ny Praiminisitra Ongandey Amama Mbabazi hiresaka amin'ny filohan'i Sodàna Atsimo:

Miangavy mba hiantso ny filoha Kiir hamotsotra ireo mpanao gazety ogandey notazonina hatramin'ny asabotsy.

Qatahar Raymond (@qataharraymond), mpanao gazety Ogandey, nanao fiangaviana ny Ogandey hanohana ny “foto-kevitra” (cause):

Ry Ogandey, ny kely indrindra azonao atao dia ny mampiseho firaisan-kina amin'ny alalan'ny fametrahana ny teny ifankafantarana #FreeUgandaJournos , afa-miady amin'ny Keniana isika fa tsy afa-miady ho an'ny mpanao gazetintsika.

Miantso fanohanana bebe kokoa i Javie Ssozi (@jssozi), manampahaizana momba ny media vaovao:

Nanandratra ny feony tao amin'ny #FreeUgandaJournos ihany koa ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Sodàna atsimo – Mitaky ny hamoahana avy hatrany an'i @JZiras & Hillary

Nanoratra ny bilaogera Maureen Agena (@maureenagena):

Rehefa samborina sy alaina baraka ny mpanao gazety dia nesorina tamin'ny fiaraha-monina ny solovavany. Afaho ny mpanao gazety Ogandey @JZiras & Hillary.

Nampiany:

Mendrika ny tsara kokoa ny mpanao gazety satria ireo no alika mpiambin'ny fiaraha-monina. Mila ny fahafahany ao Sodàna atsimo i @JZiras & Hillary

Miantso fanohanana hamotsorana ireo mpanao gazety i Rosebell Kagumire (@RosebellK) :

Miangavy mba tohano ny antsonay hamotsorana ireo mpanao gazetin'i Ongadà 2 sy ny saoferany voatazona ao Sodàna Atsimo.

Nanambara ny famotsorana azy ireo i Grace Natabaalo (@Natabaalo), manampahaizana Ogandey misahana ny media:

Namotsotra ireo mpanao gazety Ogandey roa notazonina tao Jube hatramin'ny Asabotsy ihany i Sodàna Atsimo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.