Zimbaboe: Mbola Te-Ho Filoha Fanimpitony Ny Filoha Mugabe

Nanatanteraka fifidianana manan-danja ny Zimbaboeana androany (31/07/2013) hahafantarana izay ho filoha handimby eo, na i Robert Mugabe izay efa naharitra teo amin'ny fitondrana io firenena Afrikana io, na ho ny iray amin'ireo mpifaninana efatra, isan'izany ny mpiraiminisitra Morgan Tsvangirai.

Fifidianana voalohany indrindra natao am-pilaminana hatramin'ny nitsanganan'ny governemanta iaraha-mitantana teo amin'ny antokon'i Mugabe Zanu PF sy ny antokon'i Tsvangirai “The Movement for Democratic Change (Hetsika ho fanovana ny Demokrasia)”. Niforona taorian'ny fifidianana nifanolànana sy feno rà nandriaka tamin'ny 2008 io fiaraha-mitantana io.

Mugabe, 89 taona ary efa teo amin'ny fitondràna nandritra ny 33 taona, dia nanome toky fa hiala ey amin'ny fahefana raha resy eo. Tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny 1980 , izy no hany filohan'io firenena io hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin'i Angletera.

President Robert Mugabe is the second oldest presidential candidate in Africa. Photo released to the public domain by the U.S. federal government.

Ny Filoha  Robert Mugabe no mpitondra naharitra ela indrindra tao Afrika. Sary nataon'ny governemanta U.S ho azon'ny rehetra jerena.

Tsy niraharaha ny tsy fankasitrahan'ireo  mpiara-miasa aminy sy ny vahoaka Zimbaboeana i Mugabe rehefa nanambara samy irery ny 31 jolay 2013 ho daty hanaovana ny fifidianana. Nandidy an'i Robert Mugabe hanao ny fifidianana mialoha ny 31 Jolay ny Fitsarana avon'ny Lalàm-panorenana araka ny fangatahana izay neken'i Jealousy Mawarire, Talen'ny Ivon-toerana ho an'ny Fifidianana sy ny ny Demokrasia any Atsimon'i Afrika (CEDSA).

Resa-be ao amin'ny Twitter amin'ny alàlan'ny tenifototra #ZimElections, #ZimbabweDecides, #ZimDecides ary #ZimbabweElections ny tatitra momba ny fifidianana any Zimbaboe.

Namafisin'ny mpandraharaha ara-tsosialy Sir Nigel (@SirNige) ny maha-zava-dehibe ny haino aman-jery mahazatra mandritra ny fifidianana :

Izao no nosoratan'i Realist Diva (@Da4RealDiva) any  Bulawayo :

Nosoratan'i Bonny K'ochieng (@orengbony) fa ny fifidianana malalaka sy mangarahara no zava-dehibe indrindra :

Toy izao no tatitra nataon'ny gazety Southern Eye (@SoutherneyeZim) ao an-toerana  :

Crisis Coalition, fitambaranà vondrom-piaraha-monim-pirenena maherin'ny 350 any Zimbabwe, nangataka ireo mpifidy mba hanilika ny foto-pisainana hoe tsy misy dikany ny fifidianana :

Nizara tantaranà mpifidy iray mahatohina i Idriss Ali Nassah (@mynassah) :

Gideon S.F. Moyo (@Giddo90), mpianatra iray, dia nahatsikaritra fa ny olona vonona hhifidy dia efa niomana ny hilahatra na ho toy inona na ho toy inona halavany :

Na dia izany aza, dia notantarain'i Mike Madoda (@mikemadoda) ity zava-misy manaraka ity tao amin'ny biraom-pifidianana iray any an-drenivohitra, Harare:

African Election (@Africanelection), tetikasa iray mandrisika ny mpanao gazety sy ireo olon-tsotra manana ireo fitaovana vaovao fampitàm-baovao mba handrakofana ireo toeram-pifidianana sy hanaraha-maso, dia matahotra fa ho sorena ireo mpifidy any amin'ny faritra sasany noho ny tsy fahampian'ny biraom-pifidianana :

Nitaraina mikasika ny Firaisan'ny Onjam-peo Zimbaboeana (ZBC) tantanan'ny fanjakana i Hopewell C (@hopewellc) :

Zweli on the Cusp (@Zwellibanzy) dia nanazava ny tahotra nahazo ny mpifidy sasany nanosika azy ireo hikasa hampiasa ny peniny manokana :

Manoro hevitra ireo mpifidy i Joseph Madondo (@jmad263) :

Notsikerain'i Jessie Dendere (@jessiedendere), mpanao gazety Zimbaboeana , ny MDCT antokon'i Tsvangirai :

Ho fampahafantarana bebe kokoa, jereo ny Vote Watch 263, ary ny sehatry ny olon-tsotra ao amin'ny  Ushahidi momba ny olom-pifidianana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.