Kairo: “Tsy Nitsahatra Mihitsy Ny Feon'ny Poa-basy”

Mihoatra ny 100 no maty ary 1500 ny naratra nandritra ny fifandonana tao amin'ny sit-in notanterahan'ny mpanohana ny filoha ejipsiana voaongana Mohamed Morsi ao amin'ny faritry ny moskea Rabaa Al Adawiya, any Nasr, Kairo.

Araka ny gazety mivoaka isan'andro News Egypt, nanomboka mamotopototra tamin'izay nitranga tamin'ny alin'ny zoma [27 jolay] ny Fampanoavana.

Nanatrika ny toe-javatra ny bilaogera Ejipsiana Mosa'ab Elshamy ary nizara izay hitany tamin'ny alalan'ireto sioka manaraka ireto:

Nandeha tany Rabaa aho halina tamin'ny roa maraina rehefa nahare fa mety aparitaka ny sit-in. Rehefa tonga teny aho dia efa nanomboka ny tifitra.

Tsy mazava tamiko hoe iza no ‘nanomboka’ ny fanafihana. Saingy teo amin'ny fanombohan'ny lalana Tayaran, 100 metatra miala ny sit-in no nisy fifandonana.

Tsy nitsahatra mihitsy ny feon'ny poa-basy. Ny aizina midika fa famonoan-tena ny mijanona eo. Noho izany dia nankany amin'ny hopitaly mampahonena any Rabaa’ aho

Ny ankamaroan'ny hitako dia olona voatifitry ny bala tena izy eo amin'ny tongotra sy ny tratra. Ora maromaro taty aoriana dia nahaisa razana 24 tao amin'ny trano fiandrasa-paty aho.

Nahita lehilahy telo aho raha vitsy indrindra voatifitra teo amin'ny lohany. Misy ny milaza fa misy mpitifitra miafina teny amin'ny tetezan'i Oktobra, izay mety azo heverina.

Taorian'ny fiposahan'ny masoandro dia nankeny ambava ady aho. Teo akaikin'ny polisy misy sivily mitam-piadiana izay tahaka ny fifangaroan'ny mponina sy ny jiolahim-boto.

Teny amin'ny andaniny mihitsy ny mpanohana an'i Morsi tokony ho 5 ora teo ho eo aho aho nandritra ny fifandonana fa tsorina fa tsy nahita fitaovam-piadiana niaraka tamin'izy ireo.

Ny ankamaroan'ny mpanohana an'i Morsi dia mandray fiarovana, mitora-bato, afomanga sy ny famerenana kapoakan'etona mandra-pahavoatifitra an-dry zareo sy itondrana azy ireo miala teo. Dia miverina indray.

 

Tsy nahita fandraisana anjaran'ny miaramila aho. Ankoatra ireo vata-miaramila nanao tifi-danitra izay nahatonga ny andaniny sy ny ankilany samy nitsoaka elaela aloha.

Ny tsoa-kevitro, tsy isalasalàna, ny fanafihana mampihoron-koditra nataon'ny MOI sy ny ‘sivily’ niaraka tamin'ny etona mandatsa-dranomaso, bala fingotra sy bala tena izy.

Rabaa ... After the clashes. Photograph by Mosa'ab Elshamy. Used with permission.

Rabaa … After the clashes. Photograph by Mosa'ab Elshamy. Used with permission.

Ao amin'ny flickr no izarany ireto saripika avy amin'ny voina ireto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.