Hazreen Shaik Daud: Voalohany Amin'ireo Nanova Taovam-Pananahana Manao Politika Any Malezia

Hazreen Shaik Daud, mpiasa taloha tao amin'ny ONG iray no voalohany amin'ireo nanova taovam-pananahana mpanao politika any Malezia, rehefa voatendry ho sekretera ara-politikan'i Teh Yee Cheu, solombavambahoakan'ny fanjakàn'i Tanjung Bingah ao amin'ny Antokon'ny Hetsika Demokratika (Democratic Action Party) (DAP)

Vondrona iray misy ireo nanova taovam-pananahana (transsexuels) no neken'ny Fanjakan'i Penang mba hanazava ny hiresaka ny olan'ireo transsexuels:

Hiforona ato anatin'ny roa volana ny vondrona transsexuels ary mikendry ny hanangona raki-tahiry sy hanalefaka ny fanavakavahana ataon'ny fiaraha-monina amin'ny vondrona transsexuel. Ny sasany amin'ireo hetsika hataony dia hahitàna famoriam-bahoaka mba hanentanana momba izany olana izany.

Amin'ny voalohany dia hiasa ao anatin'ilay kaomity i Hazreen, saingy ho tompon'andraikitr'ireo sehatra hafa tahaka ny politika, toe-karena, kolotsaina, fanabeazana, fahasalamana, ary zon'olombelona ihany koa izy

KiniTV, vavahady iray ety amin'ny aterineto Maleziana, dia nanaiky fa i Hazreen no transsexuel voalohany manao politika any Malezia.

Niteraka fanehoan-kevitra mizarazara tany Malezia ny fanendrena an'i Hazreen , firenena iray izay silamo ny ankamaroany. Tao amin'ny YouTube, niarahaba ny fanapahan-kevitra sahisahy handray an'i Hazreen i W Chinner:

Mahafaly ahy ny mahafantatra fa maro ireo Maleziana izay mankasitraka an'i Hazreen. Mirary soa ho anao ry Hazreen. Ho an'i Teh Yee Cheu avy ao amin'ny DAP, solombavambahoakan'ny fanjakàn'i Tanjung Bungah, mitehaka ny fahasahianareo aho amin'ny maha-fitaratra ny fitantananareo.

Ary ireo anti-belona namoaka hevitra miharo fankahalana, mila mitady sy mamorona tontolo kely ho anareo any an-kabone ianareo.

Fanavaozana sy fanazavana bebe kokoa: ny resa-pananahana ho an'ny olona iray dia tsy voafaritra ara-bakiteny amin'ny maha-lahy na vavy azy na dia matetika aza no afangaro ireo zavatra roa ireo en anatin'ny resaka andavanandro eny.

Ahetrin'i Kelvin Mah ambany ny fanavakavahana mifototra amin'ny ara-pananahana:

tokony hiova izany, tokony ho afaka haneho ny fahaizany izy, tsy olona tokony ho avakavahana na ho ankahalaina noho ny fananahany.

Mampita hevitra mitovy amin'izany i crossmirage

Afaka akombon'ireo Transphobes” ve ny vavany mikasika ny fiaraha-monina miharava sy fiafaràn'izao tontolo izao? Tafita tamin'ny “peste noire” ny olombelona, tsy hankarary anao ny olona nifidy ny fananahana tiany. Koa raha tsy zazakely.

Saingy mampiahiahy an'i baem mahmud ny ‘fifangaroana karazana’:

Andriamanitra o… ampio izahay fa nanota. Arovy amin'ny fifangaroana karazana i Malezia. Avoty daholo izahay ary adinoy ny heloka vitanay.

Mino i Sofie Hafiz Ngoo fa hiteraka olana amin'ny hoavy ny fanendrena an'i Hazreen :

Tsy ny fametrahana ny zavatra amin'ny toerana tsy azy no hampandeha an'ity tany ity. Noho ianao manohana ny fihoaram-pefy dia isika rehetra no tsy maintsy hiatrika olana maro amin'ny hoavy.

Mihevitra i Abdul Aziz Maaruf fa sahiran-tsaina i Hazreen

Tsy mitombina ny sain'io lehilahy io, tahaka ireo olona nanaraka azy ihany.

Niarahaba ny DAP i Americk Sidhu:

Mitovy firazanana daholo isika… firazanan'olombelona, ary tsy tokony holeferina fotsiny ny fahasamihafantsika fa hankalazaina mihitsy. Arahabaina ny DAP. Loharanon-kevitra ianareo. Enga anie hanondrika ny lohany noho ny henatra mandrakizay ireo mpanindrahindra tery saina ireo.

Amin'ny Malaysiakini, tranonkalam-baovao hafa, nanaiky ny fanapahan-kevitra sahisahin'ny governemantan'ny Fanjakan'i Penang koa i My4HOPE.

Ity aloha hatreto no fanapahan-kevitra sahisahy, ara-drariny ary toavina indrindra avy amin'ny governemantam-panjakan'i Penang taorian'ny GE13 [Fifidianana Solombavam-bahoaka]. Tazony izany fomba izany, mba hamerenana indray ny làlan'ny Maleziana araka ny maha-olombelona sy fanajana ny maha-izy azy.

Nampahatsiahy ireo mpitondra maleziana i Adsertor mba hanaja ny lanjan'ireo mpifidy azy:

Green YB, ianao ve solombavam-bahoaka ho an'ny transsexuel sa ho an'ny mpifidy anao? Tokony haneho ny lanjan'ny fari-piadidianao ianao fa tsy miaro ny fandaharanasanao manokana.

Mizarazara ny hevitr'i Lynn momba izany olana izany:

Raha jerena araka ny fivavahana sy ny fomba fijeriko manokana, tsy afaka hanohana ny fanapahan-kevitry ny olona iray mba hanao ny transsexuel ho fomba fiaina aho, safidiny irery izany ary azy no mizaka ny vokany. Nefa amin'ity toe-draharaha ity raha manana traikefa ilay olona sady afaka miasa tsara, koa inona moa ny olana…

Nitanisa olana vitsivitsy miantraika any amin'ny vondrom-piarahamonina “transsexuel” i Carolyn Khor:

Tsy ny fananahana no olana raha ny marina – ny fanavahana ny fananahana no mahatonga azy ho olana. Mandraka vao tsy ela izay, nosokajiana mazava tsara ho lehilahy sy vehivavy ny fananahana tanatin'ny fiarahamonintsika, ary na dia nitady lalàna hanekena azy ireo sy ny maha izy azy aza ny vondrom-piarahamonina “transsexuel”, tsy asa vita mora ny ady amin'ireo lamina efa ela nihetezana.

Anivon'ireo fandaharan'asa lohalaharan'ny kaomity fiarovana ireo “transsexuel” ny fikarohana fahafahana tsara kokoa ho an'ireo olona “transsexuel” eo amin'ny lafiny filàna fototra tahaka ny fahazoana fitsaboana, asa ary ny fanomezana fandraisana mitovy ho an'ireo olona tsy mitovy hevitra ara-pananahana eny amin'ireny toeram-bahoaka ireny, toy ny sekoly, ny toeram-pitsaboana ary ireo toeram-pihazonana.

Na dia mbola tena mankahala ny fiarahan'olona mitovy sy miahotra ny hiresaka momba ireo olana momba ny “transsexuel” sy ny LGBT aza i Malezia, ny zavatra hita dia misy ireo olona ireo ary tokony homena zo sahaza sy mitovy

Manodidina ny iray alina ka hatramin'ny dimy arivo sy iray alina ireo olona “transsexuel” any Malezia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.