Mpifankatia Lesbiana Nosamborina Fa Nifanambady An-tsokosoko Tao Bangladesh

Vehivavy Miozolomana sy Hindou ao Bangladesh no nosamborina satria nifanambady, amin'ny ny fiantsoan'ny firenena izany hoe “fanambadiana voalohany eo amin'ny olon-droa mitovy fananahana na dia eo aza ny lalàna manameloka izany fiarahana izany.

Tafahoana ireto vehivavy 21 taona sy 16 taona ireto raha nampianatra ity zandriny ilay zokiny, nandositra niala tao atsimo-andrefan'i Pirojpur izy ireo vao haingana ary nankany an-drenivohitra Dhaka mba hanao mariazy ary hiara-hipetraka. Saingy nametraka fitarainana olona very ny dadan'ny iray tamin'ireto vehivavy rehefa nandositra tsy hita ny zanany vavy, fotoana fohy taorian'izany, tra-tehaky ny polisy niara-nonina taminà trano nofain'izy ireo tao Dhaka izy roa vavy.

Ao Bangladesh, tsy ara-dalàna ary azo saziana an-tranomaizina mandram-pahafaty na asa an-terivozona mandritra ny folo taona ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana, anisan'izany ny fifanambadian'izy ireo. Mateti-pitranga ny fihetsiketseha-pifankatiavana eo amin'ireo mpinamana mitovy taovam-pananahana ary tsy miteraka adi-hevitra be loatra izany, na dia izany aza, misy ny fanoherana mafy ny fiarahan-olon-droa mitovy taovam-pananahana avy amin'ny fivavahana nentin-paharazana ao amin'ny ankamaroan'ireo firenena Miozolomana. Misy ny fiarahamonina pelaka ao Bangladesh, saingy vitsy an'isa ary miafina izy ireo (jereo ny tatitra tato amin'ny Global Voices [mg]).

 

World homosexuality Laws. Click on image to see legend. courtesy Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0

Lalàna manerantany momba ny fiarahan'olon-droa mitovy fananahana. Midika sazy an-tranomaizina (na sazy mandra-pahafaty) ny loko mena ary ny mavo antitra kosa maneho sazy hatramin'ny fanamelohana ho faty. Tsindrio eo amin'ny sary raha hijery ny tantara. Courtesy Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0

Nanenika ny media sosialy ao Bangladesh ny vaovao ary niteraka adi-hevitra be teo amin'ny sasany.

Saingy maro kosa ireo nankasitraka ny fanambadiana voalohany eo amin'ny samy vehivavy ao Bangladesh. Golam Rabbani [bn] nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny:

যে দুটি মেয়ে বিয়ে করেছে তাদের জন্য শুভকামনা রইলো… জীবন সুন্দর… তাদের এ সাহসের জন্য অভিনন্দন তাদেরকে… জয় হোক জীবনের…

Mirary soa ho azy roa vavy noho ny fanambadian'izy ireo aho… mahafinaritra ny fiainana… arahabaina izy ireo noho ny herim-pony… avelao hanjaka ny fiainana…

Bilaogera diaspora Avijit Roy nanoratra fanadihadiana siantifika maro momba ny fahapelahana tao amin'ny bilaoginy. Niarahaba ny herimpo nananan'izy roa vavy izy tao amin'ny Facebook izay nolazainy fa feno fahasahiana ny iray amin'izy ireo raha nangataka tamin'ny polisy mba hanao famotorana azy ireo:

একটা ছেলে যদি একটি মেয়েকে ভালো বাসতে পারে, তবে একটা মেয়ে কেন আরেকটা মেয়েকে ভালোবাসতে পারবে না?

Raha afaka mitia vehivavy ny lehilahy, nahoana ny vehivavy no tsy afaka mitia vehivavy?

Na dia izany aza, maro ireo tsy nankasitraka ny fanambadian'izy roa vavy. Fanehoa-kevitra maromaro tsy mankasitraka no hita ao amin'ny takelaka fanehoa-kevitra amin'ireo lahatsoratra momba ity vaovao ity ao amin'ny aterineto .

Bilaogera sady mpisera Twitter Mehedi Akram (@mehdiakram) nahita izany ho toy ny fihanaky ny kolontsaina tandrefana:

Fanambadian'izy roa vavy! http://t.co/aX2o5V2D5R inona koa no mbola mety ho hitantsika. Fanjakazakan'ny kolontsaina tandrefana izany 😀

Lasa lavitra kosa ny fanehoan-kevitry ny sasany. Tamin'ny taon-dasa, Dr. Muhammad Yunus, mpahay toekarena sy nahazo ny loka Nobel avy ao Bangladesh, sy olona telo hafa nahazo ny loka Nobel namoaka fanambarana izay nitakian'izy ireo ny hampidirana ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana ho ao anaty lalàna. Taorian'ny fivoahan'ity vaovao fanambadian'izy roa vavy, niampanga an'ny Dr. Yunus ho mampiroborobo ny fanambadian'ny pelaka ao Bangladesh ny fikambanana ara-pivavahana miozolomana “Ulama Masayekh Sanghati Parishad” ary nitaky ny hisamborana sy ny hanasaziana azy [bn]. Nitaky ny hanilihana azy ao amin'ny fiarahamonina izy ireo ary nanambara programa hibodo ny Foibe Yunus.

Nampiseho fandeferana kosa ny hafa. Mpaneho hevitra iray antsoina hoe Notun naneho hevitra tao amin'ny lahatsoratra bilaogin'i Kanij momba ity vaovao ity ao amin'ny sehatra fibilaogina Somewhereinblog.net amin'ny teny Bangla:

সমকামিতাকে আমি ভালো মনে করি না… কিন্তু এটা তাদের ব্যক্তিগত ব্যাপার… তাই তাতে আমি নাক গলাবো না…

Tsy mankasitraka ny fahapelahana aho.. kanefa fiainan'izy ireo manokana izany… ka tsy hidirako ny olan'izy ireo.

Bilaogera mpaka sary Pranabesh Das nanoratra tao amin'ny Facebook momba ny fisamborana an'izy roa vavy sy ny laza ratsy azon'izy ireo:

Tsy manam-bitana fotsiny izy ireo teraka tao aminà firenena tsy manjary sy tamin'ny fotoana tsy mety.

Fitiavana izao. Sary avy amin'i MOKOtheCRazy. CC BY-NC-ND

Bilaogera sady mpianatra lalàna Rayhan Rashid nihevitra fa zava-dehibe ity tranga tokana tao Bagladesh ity noho ny antony efatra:

(১) যে সমাজে নারীর নিজের কোনো পছন্দ অপছন্দ থাকতে নেই, সেখানে তারা নিজেদের পছন্দকেই প্রাধান্য দিয়েছেন;
(২) তারা দু'জন ভিন্ন ধর্মের, একজন তো আবার সংখ্যালঘু ধর্মের। কিন্ত তাদের সম্পর্কের কাছে সে দেয়াল দাঁড়াতে পারেনি;
(৩) ধর্মীয় গোঁড়ামীর দেশে সম-লিঙ্গের সম্পর্কের সাহস দেখিয়ে নিজের মতো করে ঘর বেঁধেছেন;
(৪) দেশের আইনে ফৌজদারী অপরাধ জেনেও নিজেদের বিবেক, পছন্দ এবং সম্পর্কের সাথে কোনো ধরনের আপোষ করেননি দু'জন।

  1. Ao aminà fiarahamonina anjakazakan'ny lehilahy, tsy misy dikany ny fitakian'ireo vehivavy, latsa-danja ny fikasan'izy ireo.
  2. Samihafa fivavahana izy roa, ny iray avy aminà vondrona vitsy an'isa. Saingy tsy mampisy olana ny fiarahan'izy ireo izany.
  3. Aminà fiarahamonina mpandala ny fivavahana nentin-drazana, nampiseho herim-po lehibe indrindra amin'ny fanambadian'ny olon-droa mitovy taovam-pananahana sy ny safidiny izy ireo.
  4. Tsy nampisy olana tamin'ny fiarahany na ny fahatsiarovan-tenany izy roa vavy na dia fantany aza fa voaheloka ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana ao amin'ny fireneny.

Bilaogera Vaskor Abedin kosa nahita fa ny feon-dehilahy no tena nanjaka tamin'ity adihevitra ity:

[…] গতকাল দুই নারীর সমকামী সম্পর্কের খবর নিয়া নিউজ পোর্টাল আর সোশ্যাল নেটওয়ার্কিং সাইটগুলিতে যেমন প্রতিক্রিয়া হইলো তাতে পুরুষালি জাজমেন্টের সেক্সিস্ট উত্তাপটা বেশ টের পাইলাম […]

[…] Nahita ny fanjakazakan'ny feon-dehilahy aho omaly nandritra ny adihevitra mikasika ny fanambadian'olon-droa mitovy taovam-pananahana tao amin'ny media mahazatra sy ny media sosialy . […]

Andro vitsy taty aoriana, nampitaha ny vehivavy amin'ny tetul, na voamadilo ny mpitondra Islamista, taminà fananarana fa mandròra ny lehilahy rehefa mijery azy ireo ary nilaza ireo vehivavy mba hijanona any an-trano. Mpanatontosa horonan-tsarimihetsika malaza Mostofa Sarwar Faruki nilaza toy izao tao amin'ny Facebook:

Raha tena marina ny vaovao, isika no manana mpifankatia lesbiana ofisialy voalohany hita eto Bangladesh. Ao aminà firenena izay hilazan'ny mr. Tetul Hujur [mpitondra fivavahana] amin'ireo vehivavy mba tsy hifangaro amin'ny lehilahy, ahoana ny fijery ny vehivavy – mifangaro amin'ny – vehivavy ankehitriny? Te-hahafantatra ny tohin'ny manaraka!

Maro ireo nanome tsiny ny media noho ny famoahany ny mombamomba sy ny sarin'ireto vehivavy ireto, matahotra sao mety hampidi-doza ny fiainan'izy roa vavy izany na mety hiharan'ny fanilihan'ny fiarahamonina izy ireo. Shaugat Ali Sagor nanoratra hoe:

যারা নাগরিকের ‘প্রাইভেসি’ ‘প্রাইভেসি’ বলে গলা ফাটান, তারা কি … [সমকামী তরুণী] আর … [সমকামী তরুণী] এর ‘প্রাইভেসি'কেও সম্মান দিতে প্রস্তুত। নাগরিক হিসেবে তাদেরও তো ‘প্রাইভেসি’ আছে। নাকি?

Ireo izay mitabataba momba ny “fiainan'olona manokana” isan'andro vaky izao.. vonona hanaja ny fiainana manokan'ireo [mpifankatia] ve izy ireo? Manana ny fiainany manokana izy ireo tahaka ny olom-pirenena rehetra ao amin'ny firenena. Mazava?

Mpanao gazety sady mpanoratra Anisul Haque naneho ny fahatezerany manoloana ny famoahana ny mombamomba sy ny adiresin'izy roa vavy taminà fanehoan-kevitra tao amin’ ny lahatsoratry Mostofa Sarwar Faruki:

[…] Matahotra aho fa mihoatra ny fefy isika, manitsakitsaka ny zo momba ny fiainana manokan'izy ireo isika noho ny famoahana ny sary, anarana sy ny adiresin'izy ireo. Afaka hiaina soa aman-tsara eo anivon'ny fiarahamonina ve izy ireo aorian'ny vaovao? Manan-jo hamono olom-pirenena ve ny mpanao gazety?

Boys of Bangladesh, fikambanana LGBT, nanome vaovao farany momban'izy roa vavy tao amin'ny pejy Facebook-ny:

VAOVAO FARANY momba [an'izy roa vavy] : Araka ny efa fantatrareo, mbola notànana [ilay vehivavy 21 taona] ary nalefa niverina eny anivon'ny fianakaviany [ilay vehivavy iray 16 taona]. Nosamborina ilay vehivavy [ 21 taona] noho ny fitoriana azy fa naka an-keriny sy nanao an-keriny. [..] Ny zava-dehibe voalohany dia ny fiarovana ireto vehivavy vao herotrerony ireto. Ny faharoa dia ny fametrahana ny fitoriana eo anivon'ny Filan-kevitry ny Asan-gazety noho ny famoahana imasom-bahoaka ny mombamomba azy ireo na dia ilay tsy ampy taona fotsiny aza. Miezaka ihany koa izahay mba hampiantso fihaonana maika hanomezam-bahaolana hamahana ity raharaha ity ary koa hangataka ny fankatòavana ny fikasan'olon-droa mitovy taovam-pananahana sy ny fiarahan'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.