Facepopular, Tambajotra Sosialy “Malaza” Vita Arzantina

[[Raha tsy misy fanamarihana hafa, ny rohy rehetra ato dia mankany amin'ny pejy amin'ny teny Espaniola]

Efa manana mpiserasera an'arivony sahady ny tambajotra sosialy vaovao Facepopular, noforonin'ireo mpahay sary Arzantina enina, tsy mpiserasera avy ao Arzantina ihany fa avy ao amin'ny firenen-kafa ao Amerika Latina ihany koa.

Nampahafantarina tamin'ny 9 Jolay 2013 ny habaka, ary nametraka tanjona tao amin'ny takelaka ‘momba azy’:

El objetivo es generar un canal de comunicación e interacción comunitaria sin las arbitrariedades y modelos de imposición de otras redes sociales diseñadas y operadas fuera de la región Latinoamericana por corporaciones multinacionales..

Es una red latinoamericana, para hispanoparlantes, pensada y concebida bajo nuestros propios parámetros y estándares.

Ny tanjona dia ny hampisy fantso-pifaneraserana sy fifanakalozana tsy misy an-teritery tahaka ireo tambajotra sosialy hafa, izay noforonina sy nataon'ireo orinasa maro ivelan'i Amerika Latina.

Tambajotran'i Amerika Latina ity, natao ho an'ireo miteny Espaniola, famoronana nosainina sy noforonina avy amin'ny dingana sy fenitra antsika manokana.

Tsy nosafidiana hifaninana amin'ilay tambajotra sosialy malaza “Facebook” ny anarana hoe “Facepopular”; avy amin'ny fanalavana-teny hoe “Frente alternativo contra el establishment” (Solo-Manda Anoherana Ny Rafitra Tafaraikitra) ny “face”.

Na dia izany aza, nilaza i Pablo Gutierrez ao amin'ny habaka teknolojia Fayerwayer fa “tetikady ara-barotra no somary mampitovy azy amin'ny Facebook”, tsy mitovy amin'ny Facebook, fa ahitana bokotra “Dislike (tsy tiana)” sy “sary mikasika ny kolontsaina sy politika Arzantina mampiavaka azy amin'ilay tambajotra” ny Facepopular.

Tao anatin'izany ihany, naneho hevitra taminà lahatsary nampiasaina hampiroboroboana ny Facepopular i Pablo:

En el video de difusión se reproduce la escena de Matrix en la que Morfeo hace que Neo elija entre permanecer en la matriz ficticia creada por sus opresores o liberarse y ver la realidad, pero con un diálogo en que se refieren a Facebook como la venda en los ojos para dominar a la sociedad.

Tao anatin'ny lahatsary, nalaina napetraka tao ny sombinà horonantsary tamin'ny Matrix, izay ahitana an'i Morpheus mampisafidy an'i Neo na hijanona amin'ny matrix tsy tena izy noforonin'ireo mpampijaly azy na havotsotra dia hahita ny marina, ao amin'ny resaka milaza sompirana ny Facebook – eo amin'ny toeran'ny matrix – tahaka ny fehiloha fanakonamaso handresena ny fiarahamonina.

Hoy i Pablo nanampy:

[Facepopular] pretende unir a “quienes simpaticen con la idea de una Patria Grande, sin un sesgo kirchnerista” (por el partido oficialista [argentino]), aunque tenga todos los condimentos necesarios para quedar encasillada en el segmento de cibermilitantes oficialistas que inundan las redes a diario.

Mikendry hampiray “ireo izay mankasitraka ny “Tanindrazana Lehibe” tsy misy fitongilanan'ny antoko mpanohana ny governemanta Kirchner ao Arzantina” ny Facepopular, na dia ahitana ny sehatra rehetra ilaina ahafahana miraikitra ao amin'ny kantsan'ny mpanohana ny governemanta manenika ny tambajotra isan'andro aza ao.

Miresaka momba ny votoatin'ny firehankevitra amin'ity fitaovana sosialy vaovao ity ny habaka ClickParlante:

La red social cuenta con contenidos a favor del gobierno de Cristina Fernández y agrupaciones políticas afines, y habría acumulado unos 400 usuarios. Por ello hay páginas dedicadas a funcionarios, temáticas y consignas kirchneristas.

Feno votoaty manohana ny governemantan'ny [filoha] Cristina Fernandez Kirchner sy ny antoko politikany ity tambajotra sosialy ity, izay mpiserasera eo amin'ny 400 eo. Misy ny pejy natokana ho an'ny mpiasam-panjakana sy ny lohahevitra ary ny teny filamatry ny antokon'ny fitondrana Kirchner.

Naneho hevitra tamin'ny alalan'ny bilaoginy mikasika ny fifandraisana miaraka amin'ireo vondrona mpanohana hafa ny vondrona Néstor Kirchner:

estamos interactuando con todas las organizaciones que están con fuerte presencia en la Red, como el caso de RED NACIONAL DE MILITANTES DE TODO EL PAÍS, CIBERS K ADHONOREM, UNIDOS ORGANIZADOS Y CONECTADOS y otros grupos. En el caso del PARTIDO JUSTICIALISTA DIGITAL ARGENTINA, vemos positivo el trabajo en conjunto entre nuestras agrupaciones.

Mifampiresaka amin'ireo fikambanana manjaka ao amin'ny tambajotra izahay, tahaka ny TAMBAJOTRAN NY MPIKATROKA AO AMIN NY FIRENENA, MPISERASERA MANAJA, FIRAISAN'NY-FIKAMBANANA-MISERASERA- sy ny sisa hafa. Momba ny ANTOKO NOMERIKAN NY RARINY ARZANTINA, mahita ny fiarahana sy ny asa ao amin'ny vondrotsika ho zavatra tsara izahay.

Mifototra amin'ny rindrambaiko Amerikana Phpfox [en] ny rindrambaiko nampiasaina tamin'ity tambajotra vaovao ity, izay novidiana tamin'ny dolara Amerikana. Nanasongadina izany ny gazety Tribuna tamin'ny fahafantarana fa voarara amin'ny fampiasana, fananana ary fividianan-javatra amin'ny vola vahiny sy fahazoana entana na fikarakarana amin'ny devizy [vahiny] ny Arzantina:

Si bien sus creadores aseguran que el portal tiene servidores alojados en la Argentina, el soft es norteamericano, y se paga en dólares.

Na dia manome antoka aza ireo mpamorona ny tambajotra fa miorina ao Arzantina ny vavahadin-tseraserany, dia Amerikana tavaratra novidiana tamin'ny vola dolara ny rindrambaiko

Niresaka momba ity tambajotra sosialy vaovao ity tao amin'ny Twitter ihany koa ny mpiserasera. Nampiroborobo ny Facepopular tao Venezoela i Eve Silva (@LaComandanta1), ka efa mihoatra ny isan'ireo firenena Amerika Latina hafa ny ny isan'ireo mpiserasera ao Venezoela:

Misorata anarana izao, fepetra ilaina mba ho revolisionera! // http://t.co/77Vpe17gmL ary afaka manaraka anay ihany koa ianao ao @facepopularok

Mpiserasera Tere, avy ao La Habana, Kiobà, (@TsabinaMoreno) nanoratra hoe::

Safidy tsara ny #Facepopular izay noforonin'i #Argentina ho an'ireo #Latinoamericana [#AmerikaLatina] ary manohitra ny fitsikilovana yankee [Etazonia] #Cuba #Tropa [#troop]

Na dia izany aza, Anonymous Argentina (@Anons_Argentina) nampitandrina hoe:

AVY ANY AMIN NY @venomcorp: AZA MIDITRA #FACEPOPULAR TAMBAJOTRA SOSIALY VAOVAO AVY AO #DELIA, AFA-MAMAKY NY ADIRESY IP ANAO IZY IREO ARY MAHAFANTATRA NY MISY IANAO AVY HATRANY. ADIKAO ITY HAFATRA ITY

Mba hahafahana miditra ao amin'ity tambajotra sosialy vaovao ity, sy hanaovanao ny fehinkevitrao, dia misoratra anarana ao amin'ny habaka fotsiny ianao. Amin'ny fotoana amoahana ny lahatsoratra, mamoaka hafatra ny Facepopular fa “afaka andro vitsivitsy, afa-misoratra anarana ny mpiserasera vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.