Manome Famatsiam-bola Ho An'ny Hetsi-panentanana Hikarohana Ny ‘Nofinofy Shinoa’ i Shina

Nasandratr'ireo mediam-panjakana sy ny governemanta ny “Nofinofy Shinoa” an'ny Filoha Xi Jinping, fampielezan-kevitra manamafy fa ny Antoko Kaomionista no làlana mankany amin'ny fiandrianan'ny toekarena sy ny fiadanana, satria dia nanonona izany i Xi nandritra ny fandraisany ny fahefana tamin'ny Novambra 2012.

Dia lasa fotokevitry ny fikarohana io hetsi-panentanana nanovàna ilay antsoina hoe Nofinofy Amerikana (American Dream) io, izay nomena  famatsiam-bola mitentina 200.000 yuan (32.403 dollars amerikana) avy  amin'ny Anjerimanontolon'i Xiamen any amin'ny faritanin'i Fujian, Shina.

Ny 8 jolay 2013, nanambara ny vohikalan'ny anjerimanontolon'i Xiamen fa nahazo vola avy amin'ny Fianarana ambaratonga ambony misahana ny Siansa Sosialy ny “tetikasa fikarohana fampitahàna ny endriky ny rafitra sy ireo ambaratonga azo ampiasain'ilay Nofinofy Shinoa (Chinese Dream)” ary hotarihan'ilay mpampianatra mpikaroka Hong Yongmiao, zokiolon'ny Fianarana Toekarena ao Xiamen. Raisina ho ezaka fanomezana fanohanana akademika ny fahatokisan-tena eo amin'ny rafitra Sinoa io tetikasa io.

The news on the website

Ireo vaovao momba ilay tetikasa fikarohana ny Nofinofy Shinoa ao amin'ny vohikalan'ny Anjerimanontolon'i Xiamen

Niteraka tsikera io vavao io tao amin'ny vohikala fitoraham-bilaogy bitika malaza indrindra ao Shina, Sina Weibo. Maro no mihevitra fa fandaniam-bola izany ary nangataka ny governemanta hiverina handinika ny zava-misy marina.

Nanoratra [zh] tam-panesoana ilay olo-malaza eo amin'ny media tranainy, Yang Jinlin :

佛洛依德精神分析法,足以解梦!

Ampy hanalana hidy ilay nofinofy ny fandinihana ny “psyho Freudienne”.

Nangataka ny governemanta hijery ny zava-misy i “Sanzhang Liukuan”[zh]:

中国梦不是拿理论来忽悠屁民,而是要给公民一条活路.

Ny Nofinofy Shinoa dia tsy ny fampiasana ny teôrian'ny fisainana toy ny zaza, fa ny hanomezana ny olom-pirenena fitaovana hiainany.

Nitsikera [zh] ny Fianarana Ambaratonga Ambonin'i Shina misahana ny Siansa Sosialy i Cai Chengping avy ao amin'ny Sina Caijing :

中国科研费投入不少却做不出东西来的原因在此。

Nanome famatsiam-bola goavana ny fikarohana siantifika i Shina, nefa tsy nisy vokany tena nisongadina akory. Izany no antony.

Nanonona ny fanalahidy hanatanterahana ilay nofinofy Shinoa i “Jiefu”, mpampianatra mpikaroka avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Kalifôrnia :

教授博士生们速速投入中国梦论题,以自己的研究阐释:实现真正美好和可持续的中国梦的唯一正路是宪法赋予公民的权利落实,人权和自由为目标的的民主法治!

Manantena aho fa hijoro ireo mpampianatra mpikaroka, ary hampiasa ny teôrian'ny fikarohany hanamarinana fa mba hanatanterahana ny nofinofy Shinoa tena meva sy maharitra io, iray ihany ny fomba dia ny fametrahana ireo zon'ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny firenena tàn-dalàna sy ny lalàm-panorenana ary ny fananganana fiarahamonina malalaka sy demôkratika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.