Lehilahy Nitoraka Baomba Ny Seranam-Piaramanidin'i Beijing: Mpampihorohoro sa Niharam-boina ?

Lehilahy iray mandeha amin'ny seza natokana ho an'ny malemy, tezitra noho ny haratsin'ny fandraisan'ny mpitandro filaminana azy, no nanapoaka baomba tao an-tseranam-piaramanidina  Iraisam-pirenena any Bejin ny harivan'ny 20 Jolay 2013 teo, tsy nisy naratra afa-tsy izy irery ihany

Nolazain'ny haino aman-jery ao an-toerana fa i Ji Zhongxing ilay lehilahy, izay nanazava fa vokatry ny kapoka nataon'ny mpitandro filaminana azy tao an-tanànan'i Dongguan ao atsimo atsinanan'i Shina tamin'ny 2005 io fahalemeny io.

Nanontanian'ny mpanao gazety iray avy amin'ny tranonkalam-baovao Nandu ny mpisolovava roa izay niaro an'i Ji tamin'ny 2006 izay nanamarina fa nokapohan'ny mpitandro filaminana fito na valo taminà tapa-by i Ji tao Houde, tanàna manodidina an'i Dongguan, satria nanao moto-taxi tsy ara-dalàna izy. Tsy azo tsaboina intsony ny hazondamosiny noho io kapoka io, nefa ny mpitandro filaminana ao an-toerana milaza fa ratra vokatry ny fianjerany tamin'ny moto io. Na dia nisy aza ny vavolombelona nanameloka ny mpitandro filaminana dia nanameloka an'i Ji ary nomba ireo mpitandro filaminana ihany ny fitsarana tao an-toerana tamin'ny 2008.

Sina Weibo user @chenshimanhua uploaded an image capturing Ji Zhongxing's despair.

@chenshimanhua, mpiserasera amin'ny Sina Weibo,  nampiakatra sary maneho ny hadisoam-panantenan'i  Ji Zhongxing.

Noterena handoa ny saram-pitsarana i Ji ka nahatonga azy hitrosa. Nandeha tany Bejing tany amin'ny Kaomisiona an-tampony momba ny politika sy ny lalàna ao amin'ny Antoko Kaominista Shinoa izy mba hangataka ny famerenana ny fitsarana azy.

Nomen'ny mpitandro filaminana tany Houde 100.000 yan (15.000 dolara amerikana) i Ji  ho takalon'ny fisintonany ny fitakiany an-tsoratra tamin'ny 2010.

Mpampihorohoro sa niharam-boina ?

Nanohana an'i Ji ny ankamaroan'ny resaka ao amin'ny haino aman-jery sosialy Shinoa, mandray azy ho niharan'ny tsy fahamarinana ara-politika sy ara-tsosialy.  Nanoratra ny zavatra niainanay tao anaty bilaogy hatramin'ny 2006 i Ji, naverin'i Feng Chingyang (@风青杨V) novakiana izany ary nofaranany hoe : 

我看了冀先生的博客,才发现起因只是因为摩的载客,结果却被打瘫痪了,全家人背债,到处上访却得不到合理赔偿。最后亲人纷纷早逝,慢慢的他的心也死了!我未必赞同冀先生对此事的处理方式,但如果我们想要这个国家不出现下一个冀先生,就必须关注他的“病根”,他开始是一个正常人,是谁让他变得不正常

Voavakiko ny bilaogin'i Ji  ary hitako tao fa voakapoka sy nanjary malemy izy noho ny nanaovany moto-taxi tsy ara-dalàna. Nidiran-trosa ny fianakaviany ary tsy nahazo onitra taona maro aty aorian'ny fangatahana. Efa maty ny ray aman-dreniny ary maty niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny momba azy. Tsy ekeko ny fomba nataon'Atoa Ji  hialàny amin'ny fahoriany. Kanefa, raha ohatra ka tsy tiantsika hisy Atoa Ji intsony eto amin'ity firenena ity, dia tokony dinihana ifotony ny olana. Olona ara-dalàna izy tany am-boalohany, inona no nahatonga azy ho malemy ?

Na dia izany aza, inoan'ny sasany fa ny filaminam-bahoaka no laharam-pahamehana. Toy ny nosoratan'i Yin Zhe (@凝哲同学), mpiasan'ny haino aman-jery iray :

中国的舆论场真是奇怪到近乎扭曲。有影响力的意见领袖们,不但不谴责在公共场合实施暴力袭击的人,反而因为暴徒未能伤害到更多的人而赞其为侠肝义胆。媒体不关注公众安全问题,反而开始用孤证为暴徒伸冤叫屈。这个世界究竟怎么了…波士顿爆炸案时候那同仇敌忾的劲儿都上哪儿去了?!

Mifangaro be ihany ny fomba fijerin'ny Shinoa. Tsy manameloka ireo izay misetrasetra imasom-bahoaka ireo mpitari-kevitra be mpihaino. Ankalazain'izy ireo ho toy ny mahery fo aza ilay jiolahimboto satria tsy nandratra ny hafa. Tsy miraharaha ny filaminam-bahoaka ny haino aman-jery satria variana manangona ireo karazana porofo mba hamadihana ireo jiolahimboto ho toy ny niharam-boina. Fa inona no manjo ny fiaraha-monina misy antsika ?…  Nahoana no hafa mihitsy ny fihetsiny nandritra ilay fanafihana taminà baomba tany Boston ?

Fa tsy dia naresaka loatra tao amin'ny aterineto ny momba ny  fandriam-pahalemana satria nasain'i Ji  nihataka daholo ny manodidina azy mialohan'ny nanapoahany ilay baomba. Narovan'i  [zh] Zhao Xiao (@赵晓), mpampianatra ao amin'ny Oniversite momba ny Teknolojia any Beijing i Ji:

冀中星引爆前用了十分钟疏散民众,所以只伤了他自己。多么善良的百姓,这个国家谁敢站出来说:我比他更有义!

Nandany fotoana 10 minitra nanamarinana ny manodidina azy i Ji Zhongxing talohan'ny nanapoahany ilay baomba, izany no antony namparatra azy irery. Olona tsotra be izy. Iza amin'ity firenena ity no sahy hijoro sy hiteny hoe:  marina kokoa noho izy aho ?

@Badiucao's political cartoon. Ji: when justice is deprived, I seek my own.

Sary politikan'i @Badiucao. Ji: rehefa tsy misy ny fahamarinana, tadiaviko ny ahy.

Naverin'i @xiangrenli [zh] mpanoratra tantara filalao ao amin'ny TV :

冀中星给了我们法治社会大量的机会,但是我们所追求的法治社会没有给冀中星一丁点的机会,大量中国人只喜欢做围观者、做看客,看侩子手杀革命党,最后有人买人血馒头,没人去思考这个问题,冀中星绝不是最后一个。

Nomen'i Ji Zhongxing  sehatra ny raharaha mikasika ny lalàna eto amintsika , saingy tsy nomen'ny fitsarana rariny izy. Tia mijery sy mankafy ilay mpamono olona mamono mpikatsaka fiovàna ny ankamaroan'ny Shinoa. Misy aza dia mividy mofo misy piti-drà [ sariohatra ao amin'ny bokin'i Lu Xun, Fitsaboana  izay hinoan'ny olona fa manasitrana ny aretin'ny havokavoka io mofo io ] Tsy misy misaina izany olana izany ary tsy i Ji Zhongxing no ho farany [ mamono tena aminà baomba]

Zarain'i [zh] @yourwisdom ny fomba fijeriny mitovy amin'izany :

用生命换取了一次关注。体制源源不断的产生系统性恶果,分散在多少视线看不到的地方生根发芽?维稳又能压抑多久?

Nataon'i [Ji] takalon'ny tombontsoam-bahoaka ny ainy. Tsy mitsahatra ny manao ratsy sy mampitsiry ny ratsy ny rafitra ara-politika. Mandra-pahoviana no ho ao ambany fifehezana ny filaminam-bahoaka ?

“South of the sea” (@海之南) dia nino [zh] fa mbola be ny baomba hanaraka :

每一个受不公正对待的公民,都是一颗不定时炸弹!不改变单纯维稳思路,积怨太多,就来不及拆除这些炸弹引信了!

Izay rehetra niatrika io tsy fahamarinana io dia baomba misoko mangina avokoa! Mba tsy hampipoaka ireny baomba ireny dia tokony hotadiavina sy holazaina ny hadisoana. Làlana tsy mitondra mankaiza  ny fifehezana fandriam-pahalemana amin'ny ara-politika sy ny famoretana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.