Mpanao Gazety Iray Hafa Nosamborina tao Zambia

Wilson Pondamali, the third journalist to be arrested in government agents' pursuit of people suspected to be linked to the Zambian Watchdog.

Wilson Pondamali. Sary avy amin'ny Zambia Reports.

Nosamborina tamin'ny 17 jolay lasa teo ny mpanao gazety Zambiana Wilson Pondamali ary nampangaina ho “mitazom-baovao voarara.” Araka ny AFP, nisava ny tranon'i Pondamali ny polisy ary nahita antonta-taratasy milaza fa “tsy mendrika ny hitondra firenena” ny filoha Zambiana Michael Sata.” Nanambara ihany koa ny Polisy fa nahita porofo mampifandray an'i Pondamali amin'ilay tranokalam-baovao malaza Zambian Watchdog.

Pondamali no mpanao gazety fahatelo notazonin'ny polisy taorian'ireo manampahaizana manokana momba ny fampitam-baovao Clayson Hamasaka sy Thomas Zgambo, mpitati-baovao taloha tao amin'ny Zambia Daily Mail izay noraofina tamin'ny herinandro. Voampanga ho mampikomy i Zgambo hatreo. Tsy nisy vesatra niampangana an'i Hamasaka kosa saingy tsy maintsy mandalo any amin'ny polisy matetika izy.

Tamin'ny andro nisamborana an'i Pondamali, tsy azon'ireo mpisera manerana izao tontolo izao nidirana mihitsy ny Zambian Watchdog. Nitatitra ny Watchdog fa voasakana tamin'ny tambajotram-pinday rehetra tao Zambia ny tranonkala. Nisedra karazan-tsakana ara-teknika sy fandrahonana ankolaka avy amin'ny manampahefana ao amin'ny fitondrana hatrany ny habaka tao anatin'ny volana vitsivitsy izay.

Tsy afa-niditra tamin'ny tranonkala amin'ny alalan'ny fitety maro ny mpamaky ivelan'i Zambia. Nanoratra ny mpamaky iray, Ku Masangalatoni:

Safari cannot open the page because too many redirects occurred!

Tsy afa-nanokatra takelaka ny Safari fa maro loatra ny fiovaovan-dalana!

Nitatitra ny The Zambian Watchdog :

 […] [T]he Zambian government on Tuesday blocked the Zambian Watchdog on all [national ISP] networks including MTN that had earlier rejected the suppression of the most popular news website in Zambia.

Nosakanan'ny fitondrana Zambiana ny tamin'ny FAI rehetra tao an-toerana ahitana ny MTN izay nitsipaka ny fanafoanana ny tranonkala malaza indrindra ao Zambia.

Nilaza ny mpisera tamin'ny fiandohan'ity volana ity fa tahaka ny voasakana ny tranonkala afa-tsy tamin'ny FAI iray tao an-toerana ihany, dia tamin'ny MTN izany. Namaly tamin'ny alalan'ny fiovana vala vaovao ny Watchdog. Nifindra indray ny habaka taorian'izany, nankao amin'ny http://zwd.cums.in. Nandrisika ny mpamakiny hitsidika ny vala vaovao ny mpitantana ny habaka, na ho ao amin'ny Pejy Facebook.

Nanoro hevitra ny mpankasitraka iray nilaza ny tenany ho blacknigga:

[…] My advice to ZWD is to stop migrating the site every time red brick [the Intelligence Service, named after the color of the bricks of its headquarters] has a squeeze on you. It is going to be costly that way and that is exactly what the red brick want you to do. You will lose your readers.

I am in Zambia and I can still access the ZWD behind a proxy server. The technology that red brick is using, deep packet inspection, dpi, to block not only ZWD but the other online publications has its own limitations.

It is time that ZWD capitalised on these limitations of dpis and exploit them to your advantage. My advice is for ZWD to invest in educating its readership on how to use free proxy servers. How many of these free online proxy servers is red brick going to close? There are numerous out there.

[…]

Don’t sweat and run. Where there is a will, a way will always be found. Free Online Access will prevail.

Ny torohevitro amin'ny ZWD dia ny hampitsahatra ny fifindra-toeran'ny habaka isaky ny maneritery anareo ny rindrina mena [ananrana iantsoana ny sampam-pitsikilovana, anarana azo avy amin'ny lokom-birikin'ny foibeny]. Ho lasa lafo dia lafo ny masonkarena raha manao toy izany ary izay indrindra no kendren'ny biriky mena ataonareo. Tsy hahazo ny mpamakinareo intsony ianareo raha izany.

Eto Zambia aho ary afa-miditra amin'ny ZWD ihany rehefa mampiasa lohamilina proxy. Manana ny fetrany ihany ny teknolojia ampiasain'ny biriky mena, misava fonosan'entana lalina, dpi, izay tsy manakana ny ZWD ihany fa ny famoaham-baovao an-tserasera hafa.

Fotoana izao ho an'i ZWD hanararaotra ny fetran'ny dpi ka mitrandraka izany ho amin'ny tombontsoanareo. Ny torohevitro ho anny ZWD dia ny miditra amin'ny fampianarana ny mpamaky hahay hampiasa lohamilina proxy maimaipoana. Firy amin'ireo lohamilina proxy maimaipoana an-tserasera ireo no hakaton'ny biriky mena? Maro dia maro izy ireo.

[…]

Aza tsemboka mihazakazaka. Rehefa misy ny fahavononana dia mahita lalana lahtrany. Hanjaka ny Fidirana an-tserasera malalaka.

Ary indrindra, tsy ho tapitra mihitsy ny fanenjika raha mifindra vala vaovao isak'izay voasakana. Namoaka lahatsoratra ny habaka omaly, “Ahoana ny idirana Watchdog eto Zambia amin'ny fampiasana proxies,” izay mampiroborobo ny lohamilina proxy sy fitaovam-piseraserana tsy ahafantarana anao tahaka ny tetikasa Tor. Nandrisika ny mpamaky handika sy handefa mailaka ny lahatsoratr'i Watchdog ihany koa ny habaka. Namaly tamin'ny alalan'ny fananganana fitaratry ny habaka ho an'ny Watchdog ny Mpitati-Baovao Tsy Voasakan-Tsisintany (RSF).

Ao amin'ny Brutal Journal ny bilaogera Nyalubinge Ngwende no nanoratra ny faharatsiam-ifandraisan'ny fitondrana amin'ny ambian Watchdog:

The online publication has been stoic even to a point of calling President Sata an ailing dictator—a deliberate choice of the words to provoke the Zambian leader who has chosen to become a recluse, hardly seen and heard in public on many issues affecting the nation and showing high levels of intolerance to the opposition.

It is for the first time since Zambia returned to multiparty politics 22 years ago that a publication has faced incessant government attack to the point of complete closure and random detention of all journalists suspected to be associated with it.

Tsy nihontsina ny famoaham-baovao an-tserasera ka nahavita nanondro ny filoha Sata ho mpanao didy jadona – safidin-teny natao handrangitana ny mpitarika Zambiana izay lasa nitoka-monina, zara raha hita sy re manoloana ny olana maro mihatra amin'ny firenena ary mampiseho tsy fahazakana tanteraka ny mpanohitra.

Sambany hatramin'ny nidiran'i Zambia tamin'ny politikan'ny antoko maro, 22 taona lasa izay, no misy famoaham-baovao iharan'ny daroka avy amin'ny fitondrana hatrany ka tonga hatrany amin'ny fanakatonana tanteraka sy ny fisamborana ny mpanao gazety ahiahiana ho misy ifandraisana amin'ilay famoaham-baovao.

Eny tokoa, hatramin'ny andro voalohany nidirany teo amin'ny fitondrana tamin'ny 2011 no nitadiavan'i Michael Sata “hametraka lalàna” momba ny tranokalam-baovao rehefa nibaiko ny Lehiben'ny Fampanoavana vao notinendry, Mumba Malila, handrafitra lalàna mifandraika amin'izany izy. Hatreo, noho ny tsy fivahan'ny olona momba ny Watchdog, tonga hatramin'ny fisamborana an'i Pondamali, Hamasaka ary Zgambo, hita fa miha-tsy mahazaka fantsom-baovao mahaleo tena sy mitsikera ao amin'ny firenena ny fitondrana Zambiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.