Saodiana Mafana Fo Taitra Tamin'ny Fandraràna Tampoka Ny Diany Teny An-tseranam-piaramanidina

Nolavina ny fivoahan'ilay Saodiana mafana fo sady mpanao gazety, Iman AlQahtani, tao Arabia Saodita. Nolazainy tao aminà bitsika iray nalefany omaly alina taorian'ilay fandavana ny fivoahany ho any Torkia izany.

Sady mpanao gazety i Al-Qahtani no mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona. Nisarika ny sain'ny fitondrana ny fanehoany fa manohana tanteraka an'i Abdullah al-Hamid, Mohammad al-Qahtani sy ny fikambanany The Association for Civil and Political Rights, izy nandritra ny fitsarana azy ireo mikasika ny tokony “hanafoanana ny fanompoana ny mpitondra sy ny mpandimby azy” ary “fanaovana izay hampikatso ny fandrosoan'ny firenena”. Tamin'ny fiantombohan'ity taona ity, dia samy voampanga higadra 11 sy 10 taona an-tranomaizina avy izy ireo .

Tao amin'ny Twitter, nanambara toy izao izy [ar] :

Niainga avy ao amin'ny seranam-piaramanidina Dammam ho ao Istanbul aho kanefa dia norarana ny diako. Teo no nampahafantarina ahy fa voarara ny fivoahako, ary dia niangaviana aho hiandry tao amin'ny birao fanomezana pasipaoro.

Iman Al Qahtani. Source: @ImaQh

Iman Al Qahtani. Loharano : @ImaQh

Efa naharay fandrahonana avy amin'ny mpitandro filaminana  momba ny hetsika anaty aterineto ataony sy ny tatitra mikasika ny zon'olombelona ataony izy. Taorian'ny bitsika mivantana nataony mikasika ny fitsarana ireo mafana fo roa, dia namoaka didy fampisamborana azy ny mpitsara noho ny “famatsiany vaovao tsy marina mikasika ilay fitsarana” kanefa dia nofoanana indray ilay fisamborana avy eo.

Tao amin'ny Twitter, niresaka io fanafoanana ny dian'i Al Qahtani io ireo mpisera anaty aterineto tamin'ny alàlan'ny tenifototra #منع_ايمان_القحطاني_من_السفر izay midika hoe voarara ny fivoahan'i Iman Al Qahtani.

Maneho hevitra oty izao i Ramatoa Reem [ar] :

Fisamborana, fandraràna fivoahana, famoretana, kolikoly, tsy fisian'asa, fahantrana sy fijaliana. Ho aiza izato fireneko izato ?

Dokotera Mohamed indray dia manazava fa efa mahazatra ao Arabia Saodita ny fandraràna fivoahana :

Raha toa i Fawaz Ahmed ka manazava ireo antony hoe tsy ilàna intsony ny fandraràna toy izany :

Mbola manao jadona hatrany ny fitondrana Saodiana kanefa tsy mahomby izany politikam-pamoretana sy fanampenam-bava izany rehefa tonga ny  fotoana hampiakaran'ny olona ny feony sy ny hitakiany ny zon'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.