Manohitra Ilay Tetikasa Fitrandrahana Arina Ao An-drenivohitr'i Filipina Ny Mponina

Manohitra ny fananganana orinasa mpanao arina ao amin'ny tananàny ireo mponina ao an-drenivohitr'i Davao sy ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana. Davao dia ao amin'ny faritr'i Mindanao, Atsimon'i Filipina. Voalaza fa ho hahorin'ny Aboitiz Power , izay nahazo ny fahazahoan-dalana avy amin'ny gvernemanta ilay Orinasa mpanao arina , na dia teo aza ny fitsipahan'ny mponina izany.

Jean Lindo-Scandal, izay dokotera no sady mpiharo ny tontolo iainana dia nanonona antony vitsivitsy hanoheran'ireo fikambanana miharo ny tontolo iainana ao Davao ilay tetikasa :

Natomboky ny Aboitiz Power ilay tetikasa na dia tsy misy drafitra fanaraha-maso ny toeram-pitrohana arina zany.

Hampiaina angovo maloto an'ireo mponina ao Davao mandritry ny 25 taona mahery ilay orinasa mpanao arina. Ary mandrapahatonga izany fotoana izany, efa tsy hay tohinina intsony ny fahasimbana aterany.

Tandindomin-doza ny fiainan'ireo voromahery ao Filipina sy ny soka-dranomasina ao Toril noho io orinasa mpanao arina io. Any akaikin'ny fitoeran'ny pawikan [soka-dranomasina] sy fitoeran'ny vormahery no misy ilay orinasa.

Raha voarara ny fifohana sigara eny amin'ny toerana natokana ho an'ny be sy ny maro ao Davao, tokony voarara koa araka izany ny famoahan-tsetroka be avy amin'io orinasa manao arina io.

Ny 29 Jona lasa teo, nandray anjara tamin'ilay ‘Andro iraisam-pirenena ho an'ny fampitsaharana ny vanim-potoanan'ny arina’ ireo mafana fo sy mponina avy ao Davao, tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana tao amin'ny kianjan'ny demokrasia tany an-toerana.

'End Coal' rally in Davao. Image from Greenpeace

‘Fampitsaharana ny fampiasana arina ‘ hetsika tao Davao. Sary avy amin'i Greenpeace

Notsipihan'ireo mpanao hetsi-panoherana manokana ny fametrahana lalàna mandràra ny fifohana sigara izay toa mahatsikaiky satria mamela ny fananganana orinasa mpanao arina any an-toerana izany. Tamin'ny voalohandohan'ity volana ity ary i Davao dia nankasitrahan'ny Vondrona Mpanara-maso ny Zava-mahadomelina any Azia Atsimo Atsinanana ho tanan-dehibe tsy ahitana setroka mihitsy any amin'ny faritra Azia Asimo Atsinana:

…nankasitrahana ho isan'ny tanàna tsy ahitan-tsetroka indrindra ny tanàna, tsy aty Filipina ihany fa amin'ny faritra AZIA

Tanàna tsara alain-tahaka amin'ny lafin-javatra maro i Davao, indrindra amin'ny ezaka ataony amin'ny tsy fisian'ny setroka

Alyzza Junett M. Cabuenas dia maniry fampandrosoana ho an'i Davao kanefa notsipihany ihany koa ny ilàna tontolo iainana madio sy ara-pahasalamana :

Izaho, amin'ny maha mponina ara-dalàna ahy ao Davao, dia misalasala eo anatrehan'ny tombotsoa ara-toekarena sy ny fahasalaman'ny rehetra, ekeko fa tsara kokoa (ny) miaina anaty fiarahamonina tsotra sy ahitana tontolo madio mba hahaela velona ahy sy higalabona anaty harena nomen-janahary ahy, toy izay hiaina anaty rendrarendra kanefa ny tontolo iainana mampitahotra. Noho izany indrindra no nanoratako ity lahatsoratra ity, ka dia mijoro amin'ny hevitro manohitra ny fananganana orinasa mpanodina herin'aratra amin'ny arina aho.

Tsoriko fa tiako hivoatra hatrany ny tanàna, ny faritra, i Mindanao manontolo, ary ny firenena. Kanefa mila ny filaminana sy ny fahadiovan'ny tany sy ny tontolo iainako aho.

Anna Abad dia nanao fanadihadiana ireo mponina sasany izay voatery hafindra toerana noho io tetikasa fananganana orinasa mpanao arina io:

Niloa-bava i Lolo [Raim-pianakaviana] ary nilaza hoe nesorina ireo fasana maro, ary nosoloina orinasa fanodinana herin'aratra mandeha amin'ny arina, izay tsy azo idiran'ny olon-tsotra.

Tsapako toy ny varatra milatsaka ato amiko ny fahatsapana tsy fahafaha-manoatra sy fahakiviana – nahoana izany no navela hisy ?

Mampalahelo ihany ny mahita ireo mponina teo voatery hafindra toerana, ary miaraka amin'izay ny fifamantorany tamin'ny mpiaramonina sy ny toekareny teo amin'io toerana io. Kanefa ambonin'izany fanalavirana ny mponina amin'ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony izany, ny tsy fanajana ireo razana izay tena tsy mampino.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.