An'arivony Ireo Nanao Diabe Tao Shina Nanohitra Ilay Tetikasa Fametrahana Fitaovana Fandoroana Fako Ao Guangzhou

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Olana Ara-tontolo Iainana Ao Shina.

An'arivony ireo mponina avy ao amin'ny tanàna iray ao Guangzhou, faritany iray ao Atsimon'i Shina, no nidina an-dalambe ny 15 Jolay 2013 hanao hetsi-panoherana hanohitra ny fametrahana fitaovana fandoroana fako ao an-tampon-tanàna.

Nanao diabe nitanjozotra ny lalambe mitondra any amin'ny tanànan'i Shiling ireo mponina tao an-toerana, nilanja saina kely maro sy sorabaventy manakiana ilay tetikasa fametrahana fitaovana fandoroana fako. Maro ny olona nanatevina laharana tamin'ny fandehanan'ireo mpanao hetsi-panoherana nizotra tany amin'ny biraon'ny governemanta tao an-toerana. Naharitra adiny efatra teo ilay hetsika.

Tamin'ny herinandro lasa teo, nilaza ny tetiandron'ny fametrahana ilay fitaovana fandoroana fako ireo manam-pahefana tao an-toerana, niaraka tamin'ny drafitra hanombohana ny fananganana ny volana Jona 2014.

Milaza ireo mpanao hetsi-panoherana fa manahy ny fandotoana mety haterak'io fitaovana io sy ny fiantraikan'izany amin'ny fahasalaman'izy ireo ary indrindra ny tsy fisian'ny fangaraharana amin'ny drafitra hanorenana io tetikasa fametrahana fitaovana fandoroana fako io. Mpanao hetsi-panoherana iray antsoina hoe Xie no nilaza tao amin'ny Takungpao News [zh] fa nanao izay fomba rehetra hihaonana tamin'ny governemanta ao Guangzhou ny mponina tao an-toerana, kanefa mbola tsy nahazo valinteny mihitsy.

Mba hampitoniana ireo mpanao hetsi-panoherana, nanome toky ny fitondrana ao an-toerana fa afaka telo andro dia hanome valinteny ho an'ireo mponina .

Image from Sina Weibo

Sary avy amin'ny Sina Weibo

Ny volana Jona 2012, ny mponina ao Qingyuan, tanàna akaikin'i Guangzhou,  dia nidina an-dalambe hanao hetsi-panoherana hanoherana ny tetikasa iray fananganana fandoroana fako teny amin'ny tanàna manodidina azy ireo.

Toy ny mahazatra, voasivana avokoa ireo torohay rehetra mikasika iny hetsi-panoherana iny tao amin'ilay vohikala fanta-daza Sina Weibo tao Shina, kanefa nisy lahatsoratra vitsivitsy tamin'ireo nakarina tao no afaka niala tamin'ilay sivana. Mpisera iray anaty aterineto i “Yuban 10249” no nanoratra hoe [zh] :

游行被各大媒体封杀了,打电话电视台要求报到,电视台居然还说等待上级的通知才可以报道!清远人民反对的时候,媒体也一概不受理,政府还说我们对建焚烧厂的方案很满意。万能的微博求帮转,为了我们的健康。让政府听到我们人民的声音。

Nosivanin'ireo filazam-baovao lehibe ilay hetsika, manao izay hanairana ny sain'ireo Televisiona izahay hitakiana ny hamoahana ny tatitra, kanefa nilaza ireo mpiasan'ny televiziona ireo fa mbola miandry ny fanomezan-dalana avy amin'ny lehibeny izay vao afaka mandefa izany ! Rehefa nitaky izany ireo mponina avy ao Qingyuan, dia tsy navoakan'ny filazam-baovao akory, nilaza ny governemanta fa ankasitrahanay ny fisian'io tetikasa fananganana fitaovana fandoroana fako io. Iangaviana ianao hamerina hizara ito lahatsoratra ito ho amin'ny tombontsoan'ny fahasalamantsika. Aleo mba ho henoin'ny governemanta ny hevitry ny mponina.

Mpisera iray hafa ety anaty aterineto, “Wei” no nanoratra hoe [zh] :

所有反对信息都被屏蔽了,各大媒体没一敢播出。高层都是外地人不住在这里当然说没污染。狮岭几十万人口健康不是儿戏,是全国皮具重镇,人口密度极高。去你的高层拿了钱财,让我们来受罪坚决反对到底!!

Voasakana avokoa ny torohay rehetra, tsy misy filazam-baovao lehibe sahy mamoaka io raharaha io. Tsy misy tompon'andraiki-panjakana ambony monina aty, koa mazava ho azy fa hilaza izy ireo fa tsy mandoto tontolo iainana io. Tsy sangisangiana toa izany ny fahasalaman'ireo olona an'arivony maro be monina ao Shiling. Malaza be amin'ny fanodinana hoditra ny tanànan'i Shiling, ambony be ny salan'isan'ny mponina ao.[ Ny manampahefana] nanatona ny tompon'andraikitra tao aminay haka vola ary avy eo namela anay hijaly ! Tsipahanay an-kitsirano hatramin'ny farany izany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.