MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina

MERCOSUR building in Montevideo by Vince Alongi under a Creative Commons Attribution License

Tranoben'ny MERCOSUR any Montevideo avy amin'i Vince Alongi. (CC BY 2.0)

Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony ary Fikambanana tsy miankina avy ao Amerika Latina nanoratra taratasy misokatra [es] ho an'ny MERCOSUR, manasa ireo mpitondra haka ny hevitry ny fiarahamonina sivily mba hananganana politika miaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra. Nanolotra fomba fijery iaraha-miasa amin'ny fananganana ny politikan'ny Aterineto io taratasy io:

Te-hampijoro an'i Amerika Latina ho modely isika, na amin'ny lafiny lalàna, na amin'ireo fampiharana manome alalana antsika hampihatra ny zontsika hatramin'ny fara-tampony izahay. Fanararaotra ho antsika ny…olana mikasika ny fitsikilovana iainantsika amin'izao fotoana. Raha miara-miasa isika, ireo governemanta sy ny fiarahamonina sivily, afaka mamolavola politikam-paritra manome alalana antsika hampivoatra ho feno ireo otrikarenan'ireo teknolojia vaovao sady miaro ny olom-pirenentsika.

Namporisihan'ireo vondon-piarahamonina sivily ireo governemanta hanokatra ireo dingana fandraisana anjara amin'ny fanamboarana politika sy hamela ireo olom-pirenena hiara-hiasa amin'ny famolavolana ny fomba fiasa isam-paritra ho an'ny Aterineto, tafiditra anatin'izany ireo fepetran'ny fahalalahana miteny, ny fidirana aterineto, ny fisokafany, ny tsiambaratelo sy ny fiparitahana malalaky ny torohay/vaovao.

Tanatin'ny fanambaran'izy ireo [es], nandà ny fipaingorana ny fifandraisana ireo mpitarika ao amin'ny MERCOSUR, manoritra izany ho fandikana ny zon'olombelona, ny zo hanana tsiambaratelo, ary ny zo hahazo vaovao (jereo ny teboka faha-8″). Tsapan'izy ireo ny lanjan'ny ICT ho amin'ny fivoarana sy ny filana maika ny foto-drafitrasa mafy orina any amin'ny faritra, indrindra ny fidirana amin'ny “broadband”, (large bande hoy ny teny frantsay) (jereo ireo teboka faha-45, 46).

Resahan'izy ireo ihany koa ny rindrambaiko maimaimpoana:

Manohana ny fivoaran'ny rindrambaiko maimaimpoana izahay, satria hanome fahafahana anay handrafitra ny vahaolan'ny ICT isam-paritra izany, ary dia ho tratrantsika ny tena fitompoana sy fampiroboroboana ny fahalalana maimaimpoana ary famindrana teknolojia, hampihena ny fianteherantsika amin'ireo vahaolana avy amin'ireo orinasa maro rantsana iraisam-pirenena izay tsy te-hanaja ireo orinasantsika manomboka misondrotra. Amafisinay ny fahalinanay amin'ny fanandratana ny rindrambaiko maimaim-poana anatin'ireo tetikasam-pirenena rehetra misy ifandraisany amin'ny dizitaly.

Nanindry ireo fepetran'ny rindrambaiko maimaim-poana momba ny fampiasana raitra, ny fampidirana, ny fikarohana ary ny famindrana teknolojia io fanambarana io, ary nametraka ho laharam-pahamehana ny fandrafetana politikam-bahoaka isam-paritra mba hanatràrana ireo tanjona ireo.

Raha vitan'ireo mpitarika ao amin'ny MERCOSUR ny mihetsika manoloana ireo tanjona voalazany ireo, ny miara-miasa amin'ireo firenena hafa sy ireo vondrom-piarahamonina sivily any amin'ny faritra ary manavao ny lalàna eo amin'ny sehatra nasionaly mba hahatratrarana ireo lamina napetrak'izy ireo tamin'ny herinandro, dia mety hanome ohatra iray matanjaka ho an'ny faritra Atsimo eran-tany io faritra io, izay lasa toerana azo antoka hoan'ny fanehoan-kevitra, ny fanavaozana sy ny fivoaran'ny olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.